Jeremia 47:1-7

  • Faminaniana manameloka ny Filistinina (1-7)

47  Nampita hafatra tamin’i Jeremia mpaminany momba ny Filistinina+ i Jehovah, talohan’ny nandresen’i Farao an’i Gaza. 2  Izao no tenin’i Jehovah: “Misy rano avy any avaratra. Ho lasa riaka be izany, Ka hanafotra an’ilay tany sy izay rehetra eo aminy,Izany hoe ny tanàna sy ny mponina ao. Hitaraina ny lehilahy,Ary hidradradradra ny mponina rehetra ao amin’ilay tany.  3  Noho ny fikatrokatroky ny kitron-tsoavaly,Sy ny firodorodon’ny kalesy fitondra miady,Ary ny fitabataban’ny kodiarany,Dia tsy hiverina hamonjy ny zanany na dia ny raim-pianakaviana aza,Satria malemy tsy mahavita na inona na inona intsony ny tanany.  4  Fa tonga ilay andro handringanana ny Filistinina+ rehetra.Hesorina tsy ho ao Tyro+ sy Sidona+ ny sisa tavela amin’ireo nifanaraka taminy. Haringan’i Jehovah mantsy ny Filistinina,Dia izay sisa tavela avy any amin’ny nosy Kaftora.*+  5  Ho sola* i Gaza, Ary hangina i Askelona.+ Ry sisa tavela eny amin’ny tany lemaka* ô,Mandra-pahoviana ianao no handidididy ny vatanao?+  6  “Ô ry sabatr’i Jehovah ô!+ Rahoviana ianao vao hangina? Miverena ao anaty tranonao. Mialà sasatra, dia mangìna.  7  Ataony ahoana moa ny hangina,Nefa i Jehovah no nanome baiko azy? Any Askelona sy eny amin’ny morontsiraka+ izyNo notendreny hanafika.

Fanamarihana

Izany hoe Kreta.
Izany hoe hokakasan’izy ireo ny lohany, satria hisaona izy ireo sady ho afa-baraka.
Na: “lemaka iva.”