Joba 12:1-25
12 Dia namaly i Joba hoe:
2 “Ianareo tokoa izany no tena manam-pahaizana,Ka hiara-maty aminareo ny fahendrena!
3 Fa izaho koa ange mba mahira-tsaina* e!
Tsy ambany noho ianareo aho.
Iza no tsy mahalala an’izany zavatra izany?
4 Lasa ataon’ny namako fihomehezana+ aho,Dia izaho izay miantso an’Andriamanitra mba hamaly ahy.+
Atao ho fihomehezana ny olona marina sy tsy misy tsiny.
5 Ihomehezan’ny olona miadana ny loza,Satria mihevitra izy fa ireo mangozohozo* ihany no tratran’izany.
6 Miadana ao amin’ny tranolainy ny mpandroba,+Ary tsy manana ahiahy ireo mampahatezitra an’Andriamanitra,+Dia ireo mitondra ny andriamaniny eny an-tanany.
7 Mba anontanio anefa ny biby, dia hampianatra anao izy,Ary ny voro-manidina, dia hilaza aminao izy.
8 Na diniho ny* tany, dia hampianatra anao izy.Ary hilaza an’izany aminao ny trondro any an-dranomasina.
9 Iza amin’izy rehetra ireny moa no tsy mahalalaFa ny tanan’i Jehovah no nanao an’izany?
10 Eo an-tanany ny ain’ny zavamananaina rehetra,Sy ny fofonain’ny olombelona* rehetra.+
11 Tsy ny sofina ve no mamantatra teny,Toy ny lela* mamantatra tsiron-kanina?+
12 Tsy eo amin’ny zokiolona ve no ahitana fahendrena,+Ary tsy izay efa ela niainana ve no mahira-tsaina?
13 Ao amin’Andriamanitra no misy fahendrena sy hery;+Manan-kevitra sy mahira-tsaina izy.+
14 Tsy azo aorina intsony izay noravany;+Tsy misy mahasokatra an’izay nohidiany.
15 Maina ny zava-drehetra rehefa sakanany ny rano;+Tondraka ny tany rehefa alefany izany.+
16 Ao aminy no misy ny tanjaka sy ny tena fahendrena;+Azy ny olona diso lalana sy ny olona mitarika ny hafa any amin’ny lalan-diso;
17 Ataony mandeha tsy manao kapa* ny mpanolo-tsaina,Ary ataony lasa adala ny mpitsara.+
18 Vahany ny fatorana ataon’ireo mpanjaka,+Ary gejainy amin’ny fehikibo ny andilan’izy ireo.
19 Ataony mandeha tsy manao kapa ny mpisorona,+Ary aongany ireo manam-pahefana tsara toerana.+
20 Ataony tsy mahita holazaina ny mpanolo-tsaina atokisana,Ary esoriny ny fahendren’ny zokiolona.*
21 Ataony tototry ny fahafaham-baraka ny olona ambony,+Ary ataony malemy* ny mahery.
22 Aharihariny avy ao amin’ny haizina ny zava-dalina,+Ary avoakany ho eo amin’ny mazava ny haizim-pito.
23 Ataony mihamahery ireo firenena mba handringanana azy;Halehibeaziny ireo firenena mba hitondrany azy any an-tsesitany.
24 Ataony tsy mahira-tsaina* intsony ireo mpitarika ny vahoaka,Ary ataony mirenireny any amin’ny tany ngazana tsy misy lalana.+
25 Mitsapatsapa ao anaty haizina+ tsy misy hazavana izy ireo,Ary ataony mirenireny hoatran’ny olona mamo.+
Fanamarihana
^ Abt: “manana fo.”
^ Na: “mibolisatra.”
^ Na mety hoe “miresaha amin’ny.”
^ Abt: “nofon’ny olona.”
^ Abt: “lanilany.”
^ Na: “tsy manana na inona na inona intsony.”
^ Na: “anti-panahy.”
^ Abt: “migoragora ny fehikibon’ny.”
^ Abt: “tsy manana fo.”