Joba 24:1-25

  • Tohin’ny valin-tenin’i Joba (1-25)

    • ‘Nahoana Andriamanitra no tsy mametra fotoana?’ (1)

    • Avelan’Andriamanitra hisy, hono, ny faharatsiana (12)

    • Tia haizina ny mpanota (13-17)

24  “Nahoana ilay Mahery Indrindra no tsy mametra fotoana?+ Nahoana no tsy mahatsikaritra an’izany andro* izany ny olona mahafantatra azy?   Akisaky ny olona ny marika mamaritra ny tanin’olon-kafa.+Alainy an-keriny ho any amin’ny kijanany ny ondry aman’osin’izy ireo.   Roahiny ho any aminy ny ampondran’ny kamboty ray,Ary alainy ho antoka ny ombin’ny mpitondratena.+   Tereny hiala amin’ny lalana ny mahantra;Voatery miafina azy ny olona tsy misy mpiaro eto an-tany.+   Mirenireny mitady sakafo toy ny ampondradia+ any an-tany efitra ny mahantra;Mitady sakafo ho an-janany any amin’ny tany karakaina izy ireo.   Voatery mijinja eny amin’ny sahan’olona* izy ireoAry mitsimpona voaloboka eny an-tanimboaloboky ny ratsy fanahy.   Matory mitanjaka izy ireo mandritra ny alina fa tsy miakanjo;+Tsy manan-damba hirakofana izy ireo rehefa mangatsiaka.   Kotsan’ny orana eny an-tendrombohitra izy ireo;Mitampify eny amin’ny vatolampy izy ireo fa tsy manan-kialofana.   Misy maka an-keriny eny an-tratran-dreniny ny kamboty ray;+Ary alaina ho antoka ny akanjon’ny mahantra,+ 10  Ka voatery mandehandeha mitanjaka tsy miakanjo izy ireo,Ary noana eny am-pitondrana salohim-bary. 11  Miasa mafy eny amin’ny tanimboly mikitohatohatra izy ireo amin’ny andro migaingaina;*Manitsakitsaka voaloboka ao anaty lavaka famiazana izy ireo, nefa mangetaheta.+ 12  Mitaraindraina ao an-tanàna ny olona miala aina;Miantso vonjy ny olona maratra mafy efa ho faty,+Nefa tsy mampaninona an’Andriamanitra izany.* 13  Eo koa ireo mikomy amin’ny hazavana;+Tsy mahafantatra ny lalan’ny hazavana izy ireo,Ary tsy manaraka an’izany. 14  Mifoha ny mpamono olona raha vao mangiran-dratsy;Mamono an’ireo tsy misy mpiaro sy mahantra+ izy,Ary mandeha mangalatra rehefa alina. 15  Miandry takariva maizimaizina ny mason’ny mpanitsakitsa-bady,+Ary milaza izy hoe: ‘Tsy hisy hahita ahy!’+ Saronany koa ny tarehiny. 16  Mamaky* trano ny mpangalatra rehefa maizina ny andro;Mihidy aman-trano izy ireo amin’ny antoandro. Tsy mba fantany ny mazava.+ 17  Toy ny haizim-pito mantsy ny maraina aminy;Efa mahazatra azy ny haizim-pito mampihorohoro. 18  Vetivety anefa izy ireo dia ho lasan’ny rano.* Ho voaozona ny anjara taniny.+ Tsy hiverina any amin’ny tanimboalobony intsony izy ireo. 19  Mitsonika ny lanezy dia levona rehefa misy hain-tany sy tratry ny hafanana.Levona toy izany koa ny mpanota rehefa lasa ao amin’ny Fasana!*+ 20  Hanadino azy ny reniny,* ary hankafy hihinana azy ny olitra. Tsy hotsarovana intsony izy.+ Ho tapaka tahaka ny hazo ny tsy fahamarinana. 21  Mihaza an’izay vehivavy tsy miteraka izy,Ary mampijaly an’izay maty vady. 22  Hampiasa ny heriny Andriamanitra* mba handringanana ny matanjaka.Na dia mety hoe hisandratra aza izy ireo, dia tsy azon’izy ireo antoka hoe ho velona izy ireo. 23  Avelan’Andriamanitra* hatoky tena sy hahatsiaro ho tsy manana ahiahy+ izy ireo,Nefa arahiny maso izay rehetra ataon’izy ireo.*+ 24  Misandratra vetivety izy ireo, dia tsy hita intsony.+ Aetry izy ireo,+ ary angonina toy ny olon-drehetra;Otazana toy ny salohim-bary izy ireo. 25  Iza àry no afaka manaporofo fa mpandainga aho,Na afaka milaza fa diso ny teniko?”

Fanamarihana

Izany hoe ny andro fitsarany.
Na mety hoe “maka vilona eny an-tsaha.”
Na mety hoe “Manamboatra menaka eny amin’ny tanimboly mikitohatohatra izy ireo.”
Na mety hoe “tsy miampanga na iza na iza Andriamanitra.”
Abt: “Mandoaka.”
Abt: “Mandeha haingana eny ambony rano izy.”
Jereo F.T.
Abt: “ny kibo.”
Abt: “izy.”
Abt: “Avelany.”
Abt: “ny lalan’izy ireo.”