Joba 25:1-6
25 Dia namaly i Bildada+ Sohita hoe:
2 “Azy ny fahefana sy ny hery mampahatahotra;Mampisy fiadanana any an-danitra* izy.
3 Voaisa ve ny miaramilany?
Iza no tsy iposahan’ny hazavany?
4 Koa ny olombelona mety maty ve dia ho marina eo anatrehan’Andriamanitra?+Ary ny olona atera-behivavy ve dia tsy hanan-tsiny?*+
5 Na ny volana aza tsy mamiratra,Ary na ny kintana aza tsy madio eo imasony,
6 Koa mainka fa ny olombelona mety maty, izay toy ny olitra,Ary ny zanak’olombelona, izay toy ny kankana!”