Joba 37:1-24
37 “Koa midobodoboka be ny foko,Sady mitepotepo mitady hiala amin’ny toerany.
2 Henoy tsara ny feony* miraondraona,Sy ny kotroka avoakan’ny vavany.
3 Alefany ho etỳ ambanin’ny lanitra rehetra izany,Ary ataony tonga hatrany amin’ny faran’ny tany ny tselatra.+
4 Misy feo mirohondrohona aorian’izany;Mampikotrokotroka ny feony matanjaka be izy,+Ka tsy sakanany ny tselatra rehefa heno izany feony izany.
5 Mampikotrokotroka ny feony+ amin’ny fomba mahatalanjona Andriamanitra;Manao zavatra miavaka tsy takatry ny saintsika izy.+
6 Fa hoy izy amin’ny lanezy: ‘Milatsaha eny ambonin’ny tany,’+
Ary hoy izy amin’ny oram-be mivatravatra: ‘Manaova be fiavy.’+
7 Atsahatr’Andriamanitra ny asa rehetra ataon’ny olona,*Mba ho fantatry ny olombelona rehetra mety maty ny asany.
8 Miditra ao anaty lavaka fonenany ny bibidia,Ary mijanona ao amin’ny toerana ipetrahany.
9 Mitsoka avy any amin’ny efitrano misy azy ny tafio-drivotra,+Ary entin’ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.+
10 Ny fofonain’Andriamanitra no mampisy ny ranomandry,+Ka mivaingana ny rano midadasika.+
11 Vesarany hamandoana ny rahona;Aparitany eny amin’ny rahona ny tselatra;+
12 Mihodinkodina eny amin’izay asainy aleha ireny;Tanterahin’ireny daholo izay asainy atao+ etỳ ambonin’ny tany misy mponina.*
13 Mampiasa an’ireny izy rehefa manasazy+ na mandena ny tany,Na rehefa maneho fitiavana sy tsy fivadihana.+
14 Henoy izao, ry Joba,Dia miatoa kely ary diniho tsara ny zavatra mahatalanjona nataon’Andriamanitra:+
15 Fantatrao ve hoe ahoana no ifehezan’Andriamanitra* ny rahona,Ary ahoana no ataony mba hahatonga ny tselatra hanazava eny amin’ny rahona?
16 Fantatrao ve hoe ahoana no mahatonga ny rahona hihevaheva?+
Zavatra mahatalanjona nataon’Ilay fara tampony amin’ny fahalalana+ izany rehetra izany.
17 Nahoana no lasa mafana ny akanjonaoRehefa mangina ny tany noho ny rivotra avy any atsimo?+
18 Ianao angaha afaka manampy azy hamelatra* ny lanitra,+Izay mafy toy ny fitaratra vita amin’ny metaly?
19 Teneno anay izay tokony holazainay aminy;Tsy mahita havaly izahay satria ao anaty haizina.
20 Tokony holazaina aminy ve fa te hiteny aho?
Sa nisy nilaza zavatra tokony horesahina aminy?+
21 Tsy hitan’ny olona hatramin’ny hazavana,*Na dia mamiratra eny amin’ny lanitra aza izany,Raha tsy efa misy rivotra mandalo ka mampisava ny rahona.
22 Avy any avaratra no iavian’ny taratra mivolombolamena;Faran’izay mahavariana ny voninahitr’Andriamanitra.+
23 Tsy takatry ny saintsika ny momba an’ilay Mahery Indrindra;+Tena mahery izy,+Tsy mba mamadika ny rariny mihitsy izy+ sady tena tia manao ny marina foana.+
24 Koa tokony hatahotra azy ny olona,+
Satria tsy mankasitraka an’izay mihevi-tena ho hendry*+ izy.”
Fanamarihana
^ Izany hoe ny feon’Andriamanitra.
^ Abt: “Asiany tombo-kase ny tanan’ny olona rehetra.”
^ Na: “tany lonaka etỳ an-tany.”
^ Na: “ibaikoan’Andriamanitra.”
^ Na: “hively.”
^ Izany hoe ny hazavan’ny masoandro.
^ Abt: “manana fo hendry.”