Joba 42:1-17
42 Dia namaly an’i Jehovah i Joba hoe:
2 “Fantatro izao fa mahay manao ny zava-drehetra ianao,Ary tsy misy tsy vitanao izay rehetra eritreretinao hatao.+
3 Niteny ianao hoe: ‘Iza moa izao manamaizina ny fikasako izao, nefa tsy mahafantatra na inona na inona akory?’+
Koa niteny aho, nefa tsy takatry ny saiko akoryIreo zavatra mahagaga ahy loatra, izay tsy fantatro.+
4 Nilaza koa ianao hoe: ‘Mihainoa, azafady, fa hiteny aho.
Hanontany anao aho, ka valio.’+
5 Efa naheno momba anao aho,Fa izao kosa dia ny masoko mihitsy no mahita anao.
6 Noho izany dia tsoahako ny teniko,+Ary mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho.”+
7 Rehefa tapitra ny tenin’i Jehovah tamin’i Joba, dia hoy i Jehovah tamin’i Elifaza Temanita:
“Tezitra be aminao sy ny namanao roa lahy aho,+ satria tsy nilaza ny marina momba ahy+ ianareo, tsy mba hoatran’i Joba mpanompoko.
8 Koa makà ombilahy fito sy ondrilahy fito, ka mankanesa any amin’i Joba mpanompoko, ary manolora fanatitra dorana noho ny fahotanareo. Dia hivavaka ho anareo+ i Joba mpanompoko. Hohenoiko tokoa ilay fangatahany* hoe mba tsy hovaliako araka ny hadalanareo ianareo. Tsy nilaza ny marina momba ahy mantsy ianareo, tsy mba hoatran’i Joba mpanompoko.”
9 Koa lasa i Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita nanao an’izay nasain’i Jehovah nataon’izy ireo. Dia nohenoin’i Jehovah ny vavak’i Joba.
10 Nofaranan’i Jehovah ny fahorian’i Joba+ ary nataony lasa nanan-karena indray izy,* rehefa avy nivavaka ho an’ireo namany.+ Nomen’i Jehovah avo roa heny noho izay nananany taloha+ izy.
11 Ary tonga namangy azy daholo ny rahalahiny sy ny anabaviny ary ny namany taloha,+ dia niara-nisakafo taminy tao an-tranony. Dia niara-niory taminy sy nampionona azy izy ireo, noho ny loza rehetra navelan’i Jehovah hanjo azy. Ary samy nanome azy kesita* sy kavina volamena izy ireo.
12 Koa notahin’i Jehovah ireo taona faramparany niainan’i Joba, mihoatra noho ny tamin’ny voalohany.+ Dia nanjary nanana ondry 14 000, sy rameva 6 000, sy omby 2 000* ary ampondravavy 1 000 izy.+
13 Ary lasa nanana zanakalahy fito sy zanakavavy telo hafa koa izy.+
14 Dia nataony hoe Jemima ny anaran’ny zanany vavy voalohany, Kezia ny faharoa, ary Kerena-hapoka ny fahatelo.
15 Tsy nisy vehivavy tsara tarehy hoatran’ny zanakavavin’i Joba tao amin’ilay tany manontolo. Ary nomen-drainy lova niaraka tamin’ny anadahiny izy ireo.
16 Taorian’izany, dia mbola velona 140 taona i Joba ka nahita ny zanany sy ny zafikeliny, hatramin’ny taranaka fahefatra.
17 Dia maty i Joba rehefa ela niainana sy afa-po.*
Fanamarihana
^ Abt: “Hampitraka ny tarehiny tokoa aho.”
^ Abt: “Nataon’i Jehovah niverin-dalana ny fahababoan’i Joba.”
^ Vola taloha izay tsy fantatra ny sandany.
^ Nampiarahina tsiroaroa.
^ Abt: “antitra sy voky andro.”