Joela 1:1-20

  • Andiam-balala mandravarava (1-14)

  • “Efa akaiky ny andron’i Jehovah” (15-20)

    • Miantso an’i Jehovah ilay mpaminany (19, 20)

1  Izao no tenin’i Jehovah tamin’i Joela* zanak’i Petoela:   “Henoy ny teniko, ry anti-panahy,Ary mihainoa ahy ianareo mponina rehetra eto amin’ity tany ity. Mba efa nisy hoatr’izao ve tamin’ny andronareo,Na tamin’ny andron’ny razambenareo?+   Tantarao amin’ny zanakareo izao,Dia ny zanakareo indray asaivo mitantara amin’ny zanany,Ary ny zanany kosa hitantara amin’ny taranaka any aoriana.   Izay sisa tsy lanin’ny valala mpandravarava dia nohanin’ny andiam-balala mifanaretsaka,+Ary izay tsy lanin’ilay andiam-balala mifanaretsaka, dia nohanin’ny zana-balala mbola tsy ary elatra,Ary izay tsy lanin’ny zana-balala kosa naripaky ny valala mirangorango.+   Mifohaza ianareo mamo lava,+ dia mitomania! Ary midradradradrà daholo ianareo mpisotro divay,Satria tsy hisy divay mamy ho anareo intsony.+   Fa misy firenena miakatra hamely ny taniko, firenena mahery sy be mponina.+ Hoatran’ny nifin’ny liona ny nifiny,+ ary hoatran’ny valanoranon’ny liona ny valanoranony.   Nopotipotehiny ny voaloboko, ary ny fototry ny aviaviko sisa no navelany.Nendahany tanteraka ny hoditr’ireo, ary nariany avy eo,Ary navelany ho fotsy hatramin’ny rantsany.   Midradradradrà hoatran’ny virjiny* mitafy lamba gonyNoho izy malahelo an’ilay lehilahy saika hanambady azy.*   Fa tsy misy mitondra fanatitra varimbazaha+ sy fanatitra zava-pisotro+ intsony ao an-tranon’i Jehovah,Ka malahelo be ny mpisorona mpanompon’i Jehovah. 10  Potika tanteraka ny vokatra eny an-tsaha, ary misaona ny tany,+Fa tsy misy varimbazaha intsony, sady ritra ny divay vaovao, ary lany ny menaka.+ 11  Kivy ny mpamboly, ary midradradradra ny mpikarakara tanimboaloboka,Satria tsy misy ny varimbazaha sy ny vary orza,Fa simba ny vokatra eny an-tsaha. 12  Maina ny voaloboka,Ary malazo ny aviavy. Maina daholo koa ny hazo eny an-tsaha,+Dia ny ampongabendanitra sy ny palmie ary ny paoma.Tsy falifaly intsony ny olona fa lasa menatra. 13  Mitafia lamba gony* ary ataovy hita hoe misaona* ianareo, ry mpisorona.Midradradradrà ianareo manompo eo anoloan’ny alitara.+ Midira ka manaova akanjo gony mandritra ny alina, ry mpanompon’ny Andriamanitro.Fa tsy misy mitondra fanatitra varimbazaha+ sy fanatitra zava-pisotro+ intsony ao an-tranon’ny Andriamanitrareo. 14  Asaivo mifady hanina ny olona,* dia lazao hoe hisy fivoriambe makotrokotroka.+ Vorio ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrareo+ ny anti-panahy sy ny mponina rehetra eto amin’ity tany ity,Ary miantsoa vonjy amin’i Jehovah. 15  Loza fa ho avy ilay andro! Fa efa akaiky ny andron’i Jehovah,+Ary ho avy hoatran’ny fandringanan’ilay Mahery Indrindra izany! 16  Tsy efa tapitra tsy misy intsony ve ny sakafo,Ary tsy misy olona mifalifaly intsony ao an-tranon’ilay Andriamanitsika? 17  Simba eo ambany lapelina ny aviavy maina.* Tsy misy na inona na inona ny trano fitehirizam-bokatra, Ary noravana ny sompitra satria simba ny varimbazaha. 18  Na ny biby fiompy aza mitaraindraina! Mirenireny tsy mahita haleha intsony ny andian’omby, satria tsy mahita ahi-maitso, Ary mijaly koa ny andian’ondry. 19  Ianao no hantsoiko, Jehovah ô!+Fa kilan’ny afo ny ahitra eny an-kijana,Ary main’ny lelafo ny hazo rehetra any an-tsaha. 20  Na ny bibidia koa aza manantena hoe hanampy azy ianao,Satria ritra ny rano mandeha,Ary kilan’ny afo ny ahitra eny an-kijana.”

Fanamarihana

Midika hoe “I Jehovah no Andriamanitra.”
Na: “ankizivavy.”
Na: “an’ilay vadin’ny fahatanorany.”
Abt: “Misikìna.”
Na: “ary aoka hikapo-tratra.”
Na: “Manokàna fotoana masina hifadian-kanina.”
Na mety hoe “ny voa.”