Joela 2:1-32

  • Ny andron’i Jehovah sy ny tafiny lehibe (1-11)

  • Miverena amin’i Jehovah (12-17)

    • “Ny fonareo rovitina” (13)

  • Hangoraka ny vahoakany i Jehovah (18-32)

    • ‘Handatsaka ny fanahiko aho’ (28)

    • Fahagagana eny amin’ny lanitra sy eny ambonin’ny tany (30)

    • Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena (32)

2  “Tsofy ao Ziona ny anjombona,+ Ary manaova hiakan’ady eo amin’ny tendrombohitro masina. Aoka hangovitra ny mponina rehetra eto amin’ity tany ity,Fa ho avy ny andron’i Jehovah+ sady efa akaiky!   Andro faran’izay maizina izany,+Andro mandrahona sy maizim-pito,+Ary toy ny hazavana vao mangiran-dratsy mandrakotra tendrombohitra. Misy firenena mahery sady be mponina,+Ary mbola tsy nisy firenena hoatr’azy hatramin’izay,Sady tsy hisy intsony any aoriana,Hatrany amin’ny taranaka fara aman-dimby.   Afo mandevona no eo alohany,Ary lelafo mandoro kosa no ao aorianany.+ Hoatran’ny zaridainan’i Edena+ ny tany eo alohany,Fa tany efitra kosa no ao aorianany,Ka tsy misy afaka mandositra azy.   Hoatran’ny soavaly no fahitana azy ireo,Ary mihazakazaka toy ny soavaly fitondra miady+ izy ireo.   Mitsambikimbikina eny an-tampon-tendrombohitra izy ireo, hoatran’ny kalesy mirodorodo,+Sady hoatran’ny lelafo mirefodrefotra mandevona vodivary, Ary toy ny firenena mahery efa milahatra hiady.+   Hitebiteby ireo firenena satria matahotra azy, Ka ho boramena be ny tarehin’izy ireny.   Manafika toy ny lehilahy mpiady izy ireo,Ary mianika manda hoatran’ny miaramila.Samy mandroso izy,Ka tsy misy mivilivily miala amin’ny lalany.   Tsy mifanosika izy ireo,Fa samy mandeha mandroso foana. Raha misy aza voatifitry ny zana-tsipìka* ka mianjera,Dia tsy miala an-daharana ny hafa.   Mirohotra haingana mankao an-tanàna izy ireo, ary mihazakazaka eny ambony manda. Mianika trano izy, ary miditra eo am-baravarankely hoatran’ny mpangalatra. 10  Rehefa manatona izy ireo, dia mihovotrovotra ny tany ary mihozongozona ny lanitra. Lasa maizina ny masoandro sy ny volana,+Ary tsy mamirapiratra intsony ny kintana. 11  Hiantsoantso mafy eo alohan’ny tafiny+ i Jehovah, satria be dia be ny miaramilany.+ Manatanteraka ny teniny mantsy Andriamanitra, ary mahery izy.Fa lehibe ny andron’i Jehovah sady tena mampahatahotra,+ Ka iza no mahatanty an’izany?”+ 12  “Mbola tsy tara anefa izao fa miverena amiko amin’ny fonareo manontolo”,+ hoy i Jehovah,“Ka mifadia hanina+ sy mitomania mafy ary miantsoantsoa. 13  Ary ny fonareo rovitina,+ fa tsy ny akanjonareo,+Dia miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo.Fa mangoraka* sy mamindra fo izy, tsy mora tezitra,+ ary tena be fitiavana sy tsy mivadika.+Hiova hevitra* izy ka tsy handefa loza indray. 14  Iza moa no mahalala raha mba tsy ho tezitra intsony izy fa hiova hevitra*+ tokoa,Dia hitahy anareo?Dia amin’izay ianareo ho afaka hanolotra fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ho an’i Jehovah Andriamanitrareo. 15  Tsofy ao Ziona ny anjombona! Asaivo mifady hanina ny olona,* dia lazao hoe hisy fivoriambe makotrokotroka.+ 16  Vorio ny vahoaka ary hamasino ny fiangonana.+ Vorio ny lehilahy be taona* sy ny ankizy ary ny zaza minono.+ Asaivo mivoaka avy ao amin’ny efitranony ny mpampaka-bady, ary avy ao amin’ny efitranony koa ilay ampakarina. 17  Aoka hitomany eo anelanelan’ny tilikambo fidirana sy ny alitara+Ny mpisorona mpanompon’i Jehovah, ka hilaza hoe: ‘Iantrao ny vahoakanao, Jehovah ô,Ary aza avela hesoesoin’ny olona ny lovanaoKa hanjakan’ny firenen-kafa. Nahoana ny firenena no hilaza hoe: “Aiza izay mba Andriamanitr’ireo?”’+ 18  Dia hiaro mafy ny* taniny i Jehovah,Ary hangoraka ny vahoakany izy.+ 19  Dia hiteny amin’ny vahoakany i Jehovah hoe: ‘Homeko varimbazaha sy divay vaovao ary menaka ianareo,Ka ho voky be.+Ary tsy havelako hisy hanala baraka anareo intsony any amin’ireo firenena.+ 20  Halefako lavitra be anareo ilay avy any avaratra,Ka haparitako any amin’ny faritra maina sy ngazana tsy misy mponina.Dia horoahiko ho any amin’ny ranomasina atsinanana* ny loha laharany,*Ary ho any amin’ny ranomasina andrefana* ny vodilaharany. Ho maimbo ny fatiny,Ka hidofaka foana ny fofony.+Fa hanao zavatra miavaka Andriamanitra.’ 21  Aza matahotra, ry tany, Ary mifalia sy miravoravoa, fa hanao zavatra miavaka i Jehovah. 22  Aza matahotra, ry bibidia,Fa ho lasa maitso indray ny ahitra eny an-kijana,+Ary hisy voany ny hazo.+Hamokatra be koa ny aviavy sy ny voaloboka.+ 23  Mifalia sy miravoravoa noho izay hataon’i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo,+ ry zanak’i Ziona,Fa hanome anareo oram-pararano* ampy tsara izy,Ary handatsaka oram-be aminareo,Dia oram-pararano sy oran-dohataona,* hoatran’ny taloha.+ 24  Ho feno varimbazaha ny famoloana,Ary hihoatra an’ireo fanantazana azy ny ranom-boaloboka* sy ny menaka.+ 25  Honerako izay nafoinareo nandritra ny taona maro,Dia ny vokatra naripaky ny andiam-balala mifanaretsaka sy ny zana-balala mbola tsy ary elatra sy ny valala mirangorango ary ny valala mpandravarava,Izany hoe ilay tafiko lehibe+ nalefako hamely anareo. 26  Ary hihinana ianareo ka ho voky,+Dia hidera ny anaran’i Jehovah Andriamanitrareo,+Izay nanao fahagagana be dia be ho anareo.Ary tsy hatao afa-baraka intsony ny vahoakako.+ 27  Dia ho fantatrareo fa eo amin’ny Israely aho,+Ary izaho no Jehovah Andriamanitrareo,+ fa tsy misy ankoatra ahy. Tsy hatao afa-baraka intsony ny vahoakako. 28  Aorian’izany, dia handatsahako ny fanahiko+ ny karazan’olona rehetra,Ka ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy haminany,Ny lehilahy zokiolona eo aminareo hanonofy,Ary ny tovolahy eo aminareo hahita fahitana.+ 29  Ary na ny mpanompolahiko sy ny mpanompovaviko azaDia handatsahako ny fanahiko, amin’izany andro izany. 30  Ary hanao fahagagana* eny amin’ny lanitra sy eny ambonin’ny tany aho,Dia ra sy afo ary setroka miakatra.+ 31  Ho maizina ny masoandro ary ho mena toy ny ra ny volana,+Alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady mampahatahotra.+ 32  Ary izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.+Fa araka ny efa nolazain’i Jehovah, dia eo amin’ny Tendrombohitra Ziona sy ao Jerosalema no hisy an’ireo afa-mandositra,+Izany hoe ireo tafavoaka velona, izay antsoin’i Jehovah.”

Fanamarihana

Na: “fitaovam-piadiana.”
Na: “tsara fanahy.”
Na: “Hanenina.”
Na: “hanenina.”
Abt: “Manokàna fotoana masina hifadian-kanina.”
Na: “ny anti-panahy.”
Na: “hafana fo ho an’ny.”
Izany hoe ny Ranomasina Maty.
Abt: “ny tavany.”
Izany hoe ny Ranomasina Mediterane.
Orana manomboka eo antenatenan’ny Oktobra any Israely. Jereo F.F. B15.
Orana manomboka eo antenatenan’ny Aprily any Israely. Jereo F.F. B15.
Abt: “divay vaovao.”
Na: “hanisy fambara.”