Joela 3:1-21

  • Hitsara ny firenena rehetra i Jehovah (1-17)

    • Lohasahan’i Josafata (2, 12)

    • Lohasahan’ny didim-pitsarana (14)

    • Jehovah, ilay fiarovana mafy ho an’ny Israely (16)

  • Hitahy ny vahoakany i Jehovah (18-21)

3  “Fa amin’izany andro sy fotoana izany,Rehefa ampodiko izay babo amin’ny mponin’i Joda sy Jerosalema,+   Dia hangoniko koa ny firenena rehetra,Ka hampidiniko ho eo amin’ny Lohasahan’i* Josafata.* Eo no hitsarako azy ireo,+Noho izay nataony tamin’ny Israely vahoakako sy lovako.Naparitany tany amin’ireo firenena mantsy izy ireo,Ary nifampizarany koa ny taniko.+   Nataony antsapaka ny vahoakako.+Ny zazalahy namidiny mba hanakaramany mpivaro-tena,Ary ny zazavavy namidiny mba hahazoana divay hosotroina.   Dia sahinareo ve ny manao an’izany amiko,Ry Tyro sy Sidona, sy ry faritr’i Filistia rehetra? Te hamaly faty ahy angaha ianareo? Raha mamaly faty ahy ianareo,Dia havaliko aminareo* faran’izay haingana ny ataonareo.+   Nalainareo mantsy ny volafotsiko sy ny volamenako,+Ary nentinareo tao amin’ny tempolinareo ny harenako sarobidy indrindra.   Namidinareo tamin’ny Grika ny mponin’i Joda sy Jerosalema,+Amin’izay izy ireo ho lasa lavitra ny tanindrazany.   Dia hampirisihiko hiala any amin’ny toerana nivarotana azy izy ireo,+Ary izay nataonareo ihany no havaliko aminareo.   Hamidiko amin’ny mponin’i Joda ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy,+Ka hamidiny amin’ireo lehilahy any Sheba, any amin’ny firenena lavitra be.Fa izaho Jehovah no efa niteny.   Lazao any amin’ireo firenena izao:+ ‘Miomàna hiady!* Entano ny lehilahy matanjaka! Asaivo manatona daholo ny miaramila, dia asaivo mandroso!+ 10  Tefeo ho sabatra ny angadinombinareo, ary tefeo ho lefona ny antsy fandrantsananareo voaloboka. Aoka ny reraka hiteny hoe: “Matanjaka aho.” 11  Tongava hifanampy, ry firenena rehetra manodidina, ka mivoria.’”+ Jehovah ô, ampidino ho eny amin’izany toerana izany ny miaramilanao mahery! 12  “Entano hankeny amin’ny Lohasahan’i* Josafata ireo firenena,Fa eo aho no hipetraka hitsara ny firenena rehetra manodidina.+ 13  Arosoy ny antsy fijinjana, fa masaka ny vokatra. Midìna dia hitsakitsaho ny voaloboka, fa feno be ny lavaka fanitsakitsahana azy.+ Efa mihoatra ny fanantazana azy ny ranom-boaloboka, satria vao mainka manao ratsy ireo firenena. 14  Vahoaka be, vahoaka be no eo amin’ny lohasahan’ny* didim-pitsarana,Fa ho avy tsy ho ela eo amin’ny lohasahan’ny* didim-pitsarana ny andron’i Jehovah.+ 15  Ho lasa maizina ny masoandro sy ny volana,Ary tsy hamirapiratra intsony ny kintana. 16  Hierona hoatran’ny liona avy ao Ziona i Jehovah,Ary hiantsoantso avy ao Jerosalema izy. Hihozongozona ny lanitra sy ny tany,Nefa ho fialofan’ny vahoakany i Jehovah,+Sady ho fiarovana mafy ho an’ny vahoakan’Israely. 17  Dia ho fantatrareo fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo izay mipetraka ao Ziona, tendrombohitro masina.+ Ho lasa toerana masina i Jerosalema,+Ka tsy hisy vahiny* handalo ao intsony.+ 18  Amin’izany andro izany, dia hisy divay mamy hitete eny an-tendrombohitra,+Hisy ronono hikoriana eny amin’ny havoana,Ary hisy rano hikoriana eny amin’ny renirano rehetra any Joda. Hisy loharano hikoriana avy ao an-tranon’i Jehovah,+Ka hanondraka ny Lohasahan’ny* Hazo Akasia. 19  Fa i Ejipta kosa tsy hisy mponina intsony,+Ary i Edoma ho lasa tany karakaina.+Nahery setra tamin’ny mponin’i Joda mantsy izy ireo,+Sady nandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny tany Joda.+ 20  Fa i Joda kosa hisy mponina foana,Ary i Jerosalema hisy mponina hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.+ 21  Hoheveriko ho tsy manan-tsiny izy ireo,* na dia nanan-tsiny aza ny fahitako azy taloha.+Ary izaho Jehovah dia hipetraka ao Ziona.”+

Fanamarihana

Na: “Lemaka Ivan’i.”
Midika hoe “I Jehovah no Mpitsara.”
Abt: “eo an-dohanareo.”
Na: “Hamasino hiady ny tenanareo!”
Na: “Lemaka Ivan’i.”
Na: “lemaka ivan’ny.”
Na: “lemaka ivan’ny.”
Na: “hafa firenena.”
Na: “Lalan-driakan’ny.”
Abt: “ny ran’izy ireo.”