Jona 2:1-10

  • Vavak’i Jona tao an-kibon’ilay trondro (1-9)

  • Naloan’ilay trondro teo amin’ny tany maina i Jona (10)

2  Dia nivavaka tamin’i Jehovah Andriamaniny i Jona, tao an-kibon’ilay trondro,+  ka hoy izy: “Tamin’izaho nijaly be no niantso an’i Jehovah, dia namaly ahy izy.+ Tao amin’ny* Fasana* aho no niantso vonjy,+ Dia nandre ny feoko ianao.   Rehefa natsipinao tany amin’ny lalina be aho, tany anatin’ny ranomasimbe,Dia nalentiky ny rano mahery,+ Ary navadibadiky ny onjanao mahery.+   Hoy aho: ‘Efa noroahina aho mba tsy ho hitanao. Dia tsy hahita ny tempolinao masina intsony ve aho?’   Nalentiky ny rano aho ka efa saika maty,*+Ary difotry ny rano lalina be. Nifamatopatotra teo amin’ny lohako ny ahidrano.   Nilentika aho ka tonga hatrany amin’ny fototry ny tendrombohitra. Nihidy mandrakizay teo alohako ny vavahadin’ny tany. Nampiakarinao avy tao anaty lavaka anefa ny aiko, ry Jehovah Andriamanitro ô!+   Rehefa nihareraka be ny aiko, dia i Jehovah no tsaroako.+ Ary tonga tany aminao, tao amin’ny tempolinao masina, ny vavaka nataoko.+   Izay mivavaka amin’ny sampy tsy misy dikany, dia mahafoy an’ilay tena tia azy ireo sady tsy mivadika aminy.*   Fa izaho kosa hisaotra anao sady hanao sorona ho anao, Ary izay voady nataoko dia hefaiko.+ Avy amin’i Jehovah ny famonjena.”+ 10  Farany, dia nobaikoin’i Jehovah ilay trondro ka naloany teny amin’ny tany maina i Jona.

Fanamarihana

Abt: “Tao an-kibon’ny.”
Jereo F.T.
Na: “Nosaronan’ny rano aho.”
Na mety hoe “dia lasa mivadika.”