Jona 4:1-11

  • Tezitra i Jona dia te ho faty (1-3)

  • Nampianatra an’i Jona hamindra fo i Jehovah (4-11)

    • “Rariny ve raha tezitra be hoatr’izao ianao?” (4)

    • Nampiasa voatavomonta i Jehovah hampianarana azy (6-10)

4  Tena tsy nahafaly an’i Jona anefa izany, ka tezitra be izy.  Dia nivavaka tamin’i Jehovah izy hoe: “Jehovah ô! Tsy efa izao ve ilay nahiko tamin’izaho mbola tany amin’ny taniko? Dia izany ange ilay nahatonga ahy handositra tany Tarsisy+ e! Fantatro mantsy fa Andriamanitra mangoraka* sy mamindra fo ianao, tsy mora tezitra, tena be fitiavana sy tsy mivadika,+ ary tsy mba mahafinaritra anao ny manasazy.  Jehovah ô! Esory re ny aiko e, fa aleoko maty toy izay velona.”+  Dia hoy i Jehovah: “Rariny ve raha tezitra be hoatr’izao ianao?”  Ary nivoaka an’i Ninive i Jona ka nipetraka teo atsinanan’ilay tanàna. Nanamboatra fialokalofana izy, dia nipetraka teo mba hijery izay hanjo an’ilay tanàna.+  Nampaniry voatavomonta* i Jehovah Andriamanitra avy eo, mba hanalokaloka ny lohan’i Jona sy hanamaivamaivana ny fahoriany. Dia faly be i Jona tamin’ilay voatavomonta.  Ny ampitson’iny anefa, rehefa nazava ratsy ny andro, dia nasian’Andriamanitra kankana nihinana an’ilay voatavomonta ka nalazo ilay izy.  Nampisy rivotra mahamay avy any atsinanana koa Andriamanitra, rehefa niposaka ny masoandro. Dia nodanihin’ny hainandro ny lohan’i Jona, ka saika safotra mihitsy izy. Ary nangataka ny ho faty foana izy, sady namerimberina hoe: “Aleoko maty toy izay velona.”+  Ary hoy Andriamanitra tamin’i Jona: “Rariny ve raha tezitra be hoatr’izao ianao fa nalazo ilay voatavomonta?”+ Dia hoy izy: “Rariny mihitsy raha tezitra aho! Tena tezitra be mihitsy aho dia aleoko maty.” 10  Ary hoy i Jehovah: “Ianao malahelo an’ilay voatavomonta, nefa tsy nisasatra tamin’ilay izy akory na nikarakara an’ilay izy mba hampaniry azy. Zavatra naniry indray alina fotsiny iny, dia maty indray alina koa. 11  Dia izaho ve tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe,+ sy ny biby rehetra ao? Ao amin’io tanàna io anefa misy olona 120 000 mahery, izay tsy mahalala akory ny mety sy ny tsy mety.”*+

Fanamarihana

Na: “tsara fanahy.”
Na mety hoe “tanantanamanga; kinana.”
Na: “tsy mahalala izay havia sy havanany.”