Josoa 10:1-43

  • Niaro an’i Gibeona ny Israely (1-7)

  • Niady ho an’ny Israely i Jehovah (8-15)

    • Nilatsahan’ny havandra ireo fahavalo nandositra (11)

    • Tsy nihetsika ny masoandro (12-14)

  • Novonoina ho faty ireo mpanjaka dimy (16-28)

  • Azo ny tanàna tany atsimo (29-43)

10  Dia henon’i Adoni-zedeka mpanjakan’i Jerosalema fa efa azon’i Josoa i Ay sady naringany tanteraka, ary hoatran’ny nataony tamin’i Jeriko sy ny mpanjakany+ no nataony tamin’i Ay sy ny mpanjakany.+ Raha vao henony koa hoe nihavana tamin’ny Israely ny mponin’i Gibeona+ ka niara-nonina tamin’izy ireo,  dia natahotra be izy.+ Tanàna lehibe mantsy i Gibeona, mitovy amin’ny tanàna misy mpanjaka. Mbola lehibe noho i Ay izy io,+ ary miaramila daholo ny lehilahy tao.  Naniraka olona àry i Adoni-zedeka mpanjakan’i Jerosalema mba hilaza an’izao tamin’i Hohama mpanjakan’i Hebrona,+ sy Pirama mpanjakan’i Jarmota, sy Jafia mpanjakan’i Lakisy, ary Debira mpanjakan’i Eglona:+  “Mba ampio aho hanafika an’i Gibeona, fa efa nihavana tamin’i Josoa sy ny Israelita ny mponina ao.”+  Dia nivondrona ireo mpanjaka amorita dimy,+ dia ny mpanjakan’i Jerosalema, ny mpanjakan’i Hebrona, ny mpanjakan’i Jarmota, ny mpanjakan’i Lakisy, ary ny mpanjakan’i Eglona. Ary nandeha izy ireo sy ny tafiny, ka nitoby nanodidina an’i Gibeona mba hiady taminy.  Dia naniraka olona ho any amin’i Josoa tao amin’ny toby tany Gilgala+ ny Gibeonita, mba hilaza hoe: “Aza ariana izahay mpanomponao.*+ Tongava haingana, ka vonjeo izahay ary ampio! Mivondrona hiady aminay daholo mantsy ny mpanjakan’ny Amorita avy any amin’ny faritra be tendrombohitra.”  Niakatra avy any Gilgala àry i Josoa sy ny lehilahy mpiady ary ny miaramila matanjaka rehetra.+  Dia hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Aza matahotra an’ireo,+ fa hataoko resinao ireo.+ Tsy hisy hahatohitra anao ireo na iray aza.”+  Nanafika tampoka azy ireo i Josoa rehefa avy nandeha nandritra ny alina avy any Gilgala. 10  Dia nataon’i Jehovah nifanaritaka teo anoloan’ny Israely izy ireo,+ ka be dia be no matin’ny Israely tao Gibeona. Nenjehin’ny Israely tany amin’ny lalana miakatra ho any Beti-horona izy ireo, ary notafihiny hatrany Azeka sy Makeda. 11  Raha mbola nandositra an’ireo Israelita izy ireo, dia nandatsahan’i Jehovah havandra vaventy avy tany an-danitra, teny amin’ny fidinana teny Beti-horona ka hatrany Azeka. Dia maty izy ireo, ary betsaka kokoa ny matin’ny havandra raha oharina amin’ny matin’ny Israelita tamin’ny sabatra. 12  Tamin’io andro io, tamin’i Jehovah namela ny Amorita ho resin’ny Israelita, no niteny tamin’i Jehovah teo anatrehan’ny Israely i Josoa hoe: “Ry masoandro, aza mihetsika+ eo ambonin’i Gibeona!+Ry volana, aza mihetsika eo ambonin’ny Lohasahan’i* Aialona!” 13  Dia tsy nihetsika ny masoandro ary nijanona ny volana, mandra-pandresin’ilay firenena ny fahavalony. Tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’i Jasara ve izany?+ Tsy nihetsika teo afovoan’ny lanitra ny masoandro sady tsy maika hilentika, efa ho iray andro maninjitra. 14  Mbola tsy nisy andro hoatran’iny na tany alohany na tatỳ aoriany, ka hoe nihainoan’i Jehovah feon’olona.+ Niady ho an’ny Israely mantsy i Jehovah.+ 15  Niverina tao amin’ny toby tany Gilgala i Josoa sy ny Israely rehetra taorian’izay.+ 16  Ireo mpanjaka dimy kosa efa nandositra, ka niafina tao anaty lava-bato tao Makeda.+ 17  Ary nisy nilaza tamin’i Josoa hoe: “Hitan’olona nandeha niafina ao anaty lava-bato ao Makeda ireo mpanjaka dimy.”+ 18  Dia hoy i Josoa: “Manakodiava vato ngezabe ary ataovy eo am-bavan’ilay lava-bato, dia asio olona miambina eo. 19  Aza mijanona kosa ny sisa aminareo, fa enjeho ny fahavalonareo ary asio ny vodilaharany.+ Aza avela hiditra any an-tanànany izy ireo, fa efa nataon’i Jehovah Andriamanitrareo resinareo.” 20  Be dia be no matin’i Josoa sy ny Israelita ka efa saika lany ripaka izy ireo, fa vitsivitsy sisa no afaka nandositra nankao amin’ireo tanàna voaro mafy. Taorian’izay, 21  dia niverina soa aman-tsara tany amin’i Josoa tao amin’ny toby, tany Makeda, ny olona rehetra. Ary tsy nisy olona sahy nanao vava tamin’ny* Israelita, na iray aza. 22  Hoy i Josoa avy eo: “Esory ny vato eo amin’ny vavan’ilay lava-bato, ary avoahy ho etỳ amiko ireo mpanjaka dimy.” 23  Navoakan’izy ireo avy tao an-dava-bato àry ireo mpanjaka dimy, dia ny mpanjakan’i Jerosalema, ny mpanjakan’i Hebrona, ny mpanjakan’i Jarmota, ny mpanjakan’i Lakisy, ary ny mpanjakan’i Eglona.+ Ary nentiny tany amin’i Josoa izy ireo. 24  Dia nantsoin’i Josoa ny lehilahy rehetra teo amin’ny Israely rehefa nentina teo aminy ireo mpanjaka ireo. Ary hoy izy tamin’ireo mpitari-tafika niaraka taminy, izay nifehy an’ireo lehilahy mpiady: “Avia etỳ aloha etỳ. Apetraho eo amin’ny hatok’ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo.” Dia nankeny aloha izy ireo, ka samy nametraka ny tongony teo amin’ny hatok’ireo mpanjaka.+ 25  Dia hoy i Josoa tamin’izy ireo: “Aza matahotra na mihorohoro.+ Manàna herim-po ary mahereza, fa hoatr’izao no hataon’i Jehovah amin’ny fahavalo rehetra iadianareo.”+ 26  Ary namely an’ireo mpanjaka ireo i Josoa taorian’izay ka namono azy ireo ho faty, dia nahantony teo amin’ny tsato-kazo* dimy izy ireo. Nihantona teo izy ireo mandra-paharivan’ny andro. 27  Rehefa hilentika ny masoandro, dia nasain’i Josoa nesorina teo amin’ny tsato-kazo izy ireo+ ka natsipy tao amin’ilay lava-bato niafenany. Ary nasiana vato ngezabe teo am-bavan’ilay lava-bato, ka mbola eo izany hatramin’izao. 28  Azon’i Josoa i Makeda+ tamin’iny andro iny, ka nasiany tamin’ny sabatra ny olona rehetra tao. Dia naringany tanteraka izy ireo sy ny mpanjakany, ka tsy nasiany niangana na iray aza.+ Hoatran’ny nataony tamin’ny mpanjakan’i Jeriko ihany no nataony tamin’ny mpanjakan’i Makeda.+ 29  Dia niala tao Makeda i Josoa sy ny Israely rehetra, ka nankany Libna ary niady taminy.+ 30  Nataon’i Jehovah resin’ny Israely koa i Libna sy ny mpanjakany.+ Nasian’izy ireo tamin’ny sabatra ny olona rehetra tao, ka tsy nasiany niangana na iray aza. Hoatran’ny nataony tamin’ny mpanjakan’i Jeriko ihany no nataony tamin’ny mpanjakan’i Libna.+ 31  Dia niala tao Libna i Josoa sy ny Israely rehetra, ka nankany Lakisy.+ Ary nitoby tao izy ireo ka niady taminy. 32  Nataon’i Jehovah resin’ny Israely i Lakisy, ka azon’izy ireo io tanàna io tamin’ny andro faharoa. Ary nasian’izy ireo tamin’ny sabatra ny olona rehetra tao,+ hoatran’ny nataon’izy ireo tamin’i Libna. 33  Dia niakatra hanampy an’i Lakisy i Horama mpanjakan’i Gazera.+ Nasian’i Josoa anefa izy sy ny olony, ka tsy nisy niangana na iray aza. 34  Dia niala tao Lakisy i Josoa sy ny Israely rehetra, ka nankany Eglona.+ Ary nitoby tao izy ireo ka niady taminy. 35  Azon’izy ireo i Eglona tamin’iny andro iny, ka nasiany tamin’ny sabatra ny olona rehetra tao. Dia naringany tanteraka izy ireo tamin’iny andro iny, hoatran’ny nataony tamin’i Lakisy.+ 36  Ary niala tao Eglona i Josoa sy ny Israely rehetra, ka niakatra nankany Hebrona+ dia niady taminy. 37  Azon’izy ireo i Hebrona, ary nasiany tamin’ny sabatra ny olona rehetra tao sy ny mpanjakany ary ny olona rehetra tao amin’ny tanàna manodidina azy, ka tsy nasiany niangana na iray aza. Naringany tanteraka izy io sy ny olona rehetra tao, hoatran’ny nataony tamin’i Eglona. 38  Farany, dia nivily nankany Debira i Josoa sy ny Israely rehetra,+ ka niady taminy. 39  Azon’izy ireo i Debira sy ny mpanjakany ary ny tanànany rehetra. Nasian’izy ireo tamin’ny sabatra ny olona rehetra tany ka naringany tanteraka,+ ary tsy nasiany niangana na iray aza.+ Hoatran’ny nataony tamin’i Hebrona sy tamin’i Libna sy ny mpanjakany, no nataony tamin’i Debira sy ny mpanjakany. 40  Resin’i Josoa ny tany rehetra teny amin’ny faritra be tendrombohitra sy tany Negeba sy Sefela+ sy teny amin’ireo tehezan-kavoana ary ny mpanjakan’izy rehetra, ka tsy nasiany niangana na iray aza. Naringany tanteraka ny zavamananaina rehetra,+ araka ny didy nomen’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.+ 41  Resin’i Josoa ny faritra rehetra nanomboka tany Kadesi-barnea+ ka hatrany Gaza,+ sy ny tany Gosena manontolo+ ka hatrany Gibeona.+ 42  Tamin’ny fotoana iray ihany no nandresen’i Josoa an’ireny mpanjaka rehetra ireny sy nahazoany ny taniny, satria i Jehovah Andriamanitry ny Israely no niady ho an’ny Israely.+ 43  Nody tao amin’ny toby tany Gilgala i Josoa sy ny Israely rehetra, taorian’izay.+

Fanamarihana

Abt: “Aza sakanana tsy hanampy anay mpanomponao ny tananao.”
Na: “Lemaka Ivan’i.”
Abt: “nandranitra ny lelany hamelezana ny.”
Na: “hazo.”