Josoa 11:1-23

  • Azo ny tanàna tany avaratra (1-15)

  • Famintinana an’ireo faritra azon’i Josoa (16-23)

11  Raha vao nandre an’izany i Jabina mpanjakan’i Hazora, dia naniraka olona nankany amin’i Jobaba mpanjakan’i Madona,+ sy ny mpanjakan’i Simrona, sy ny mpanjakan’i Aksafa,+  sy ireo mpanjaka tany avaratra teny amin’ny faritra be tendrombohitra, sy ireo teny amin’ny tany lemaka* atsimon’i Kinereta, sy ireo tany Sefela, ary teny amin’ny tehezan-kavoanan’i Dora+ tany andrefana,  sy ny Kananita+ tany atsinanana sy tany andrefana, sy ny Amorita,+ ny Hetita, ny Perizita, ny Jebosita teny amin’ny faritra be tendrombohitra, ary ny Hivita+ teo am-pototr’i Hermona+ any Mizpa.  Dia nivoaka izy ireo sy ny tafiny rehetra, dia olona maro be hoatran’ny fasika eny amoron-dranomasina, niaraka tamin’ny soavaly sy kalesy be dia be fitondra miady.  Dia nifanaraka ireo mpanjaka rehetra ireo fa hihaona. Tonga teo amoron’ny ranon’i Meroma àry izy ireo, ka nitoby teo mba hiady tamin’ny Israely.  Ary hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Aza matahotra an’ireo,+ fa havelako ho resin’ny Israely izy rehetra ka hovonoiny ho faty rahampitso tokotokony ho hoatr’izao. Hotapahinao ny hoza-tongotry ny soavaliny,+ ary hodoranao ny kalesiny.”  Nanafika tampoka azy ireo teo amoron’ny ranon’i Meroma àry i Josoa sy ny lehilahy mpiady rehetra.  Dia natolotr’i Jehovah teo an-tanan’ny Israely izy ireo,+ ka resiny. Ary nenjehiny hatrany Sidona Lehibe izy ireo,+ ary hatrany Misrefota-maima+ sy hatrany amin’ny Lohasahan’i Mizpe tany atsinanana. Naripaky ny Israely izy ireo, ka tsy nisy niangana na iray aza.+  Dia nataon’i Josoa tamin’izy ireo izay nolazain’i Jehovah, ka notapahiny ny hoza-tongotry ny soavalin’izy ireo, ary nodorany ny kalesiny.+ 10  Niverina i Josoa avy eo ka azony i Hazora, ary novonoiny tamin’ny sabatra ny mpanjakany.+ I Hazora mantsy teo aloha no natanjaka indrindra tamin’ireo fanjakana rehetra ireo. 11  Dia nasiany tamin’ny sabatra ny olona rehetra tao, ka naringany tanteraka.+ Tsy nisy zavamananaina niangana tao, na iray aza.+ Dia nodorany i Hazora avy eo. 12  Ary azon’i Josoa daholo ny tanànan’ireo mpanjaka ireo, ary resiny ny mpanjakany rehetra ka nasiany tamin’ny sabatra.+ Naringany tanteraka izy ireo,+ araka ny didy nomen’i Mosesy mpanompon’i Jehovah. 13  Tsy nisy nodoran’ny Israely anefa ny tanàna teny an-tampon-kavoana, afa-tsy i Hazora. Io ihany no tanàna nodoran’i Josoa. 14  Nalain’ny Israelita ny fananan’ny olona tao amin’ireo tanàna ireo sy ny biby fiompiny.+ Ny olona rehetra kosa nasiany tamin’ny sabatra, mandra-pandringany azy ireo.+ Tsy nasiany olona niangana tao, na iray aza.+ 15  Izay didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy mpanompony no nasain’i Mosesy narahin’i Josoa.+ Dia nataon’i Josoa izany. Tsy nisy tsy nataony izay rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.+ 16  Azon’i Josoa daholo ilay tany manontolo, dia ny faritra be tendrombohitra, Negeba manontolo,+ Gosena manontolo, Sefela,+ Araba,+ ary ny faritra be tendrombohitry ny Israely sy izay teo am-pototry ny havoanany,* 17  hatrany amin’ny Tendrombohitra Halaka izay miakatra mankany Seira, ka hatrany Bala-gada+ eo amin’ny Lohasahan’i Libàna, eo am-pototry ny Tendrombohitra Hermona.+ Ary nosamboriny ny mpanjakany rehetra. Resiny izy ireo, ka novonoiny ho faty. 18  Elaela ihany i Josoa no niady tamin’ireo mpanjaka rehetra ireo. 19  Tsy nisy tanàna nihavana tamin’ny Israelita, afa-tsy i Gibeona izay nonenan’ny Hivita.+ Ny hafa rehetra kosa azony tamin’ny ady.+ 20  Navelan’i Jehovah ho mafy loha izy ireo+ ka niady tamin’ny Israely. Amin’izay dia hatokany haringana izy ireo ka tsy hamindrana fo.+ Tokony haripaka tanteraka izy ireo, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.+ 21  Tamin’izay fotoana izay i Josoa no nandringana an’ireo Anakita+ teny amin’ny faritra be tendrombohitra, sy tany Hebrona, sy Debira, sy Anaba, ary teny amin’ny faritra be tendrombohitra rehetra tany Joda sy tany Israely. Naringan’i Josoa tanteraka izy ireny sy ny tanànany.+ 22  Tsy nisy Anakita tavela tao amin’ny tanin’ny Israelita. Tao Gaza+ sy Gata+ ary Asdoda+ ihany no mbola nisy.+ 23  Nalain’i Josoa àry ilay tany manontolo, araka ny nampanantenain’i Jehovah an’i Mosesy.+ Ary nomen’i Josoa ho lovan’ny Israely izany, araka ny anjaran’izy ireo avy, mba hifampizaran’ireo foko.+ Dia nilamina ilay tany, ary tsy nisy ady intsony.+

Fanamarihana

Na: “Araba.”
Na: “sy ilay Sefela any.”