Josoa 16:1-10

  • Lovan’ny taranak’i Josefa (1-4)

  • Lovan’ny fokon’i Efraima (5-10)

16  Ary ny tany azon’ny taranak’i Josefa+ tamin’ny antsapaka+ dia nanomboka teo amin’ny Reniranon’i Jordana akaikin’i Jeriko, nankany atsinanan’ny ranon’i Jeriko, dia nandalo an’ilay tany efitra niakatra avy teo Jeriko, ka nankany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Betela.+  Tonga hatrany Betelan’i Lozy izany ka nitohy hatrany amin’ny sisin-tanin’ny Arkita ao Atarota,  dia nidina niankandrefana nankany amin’ny sisin-tanin’ny Jafletita ka nitohy hatrany amin’ny sisin’i Beti-horona Ambany+ sy Gazera,+ ary nifarana tany amin’ny ranomasina.  Naka ny taniny àry i Manase sy Efraima+ taranak’i Josefa.+  Ary izao ny sisin-tanin’ny lova nozaraina tamin’ny taranak’i Efraima, araka ny fianakaviany avy: Ny sisin-taniny atsinanana dia i Atarota-adara+ hatrany Beti-horona Ambony,+  ary tonga hatrany amin’ny ranomasina. I Mikmeta+ kosa no tany amin’ny sisiny avaratra. Ary nivily niantsinanana nankany Tanata-silo ilay sisin-tany, ka niantsinanana nankany Janoha,  dia nidina avy teo Janoha ka nankany Atarota sy Nara, ary nitohy tany Jeriko+ ka tonga hatrany amin’i Jordana.  Avy teo Tapoa+ kosa ilay sisin-tany no niankandrefana nankany amin’ny Lohasahan’i* Kana, ka nifarana tany amin’ny ranomasina.+ Izany no lova nozaraina tamin’ny fokon’i Efraima, araka ny fianakaviany avy.  Nanana tanàna tao amin’ny lovan’i Manase koa ny taranak’i Efraima,+ dia ny tanàna rehetra sy ny tanàna keliny. 10  Tsy noroahin’izy ireo anefa ny Kananita nipetraka tao Gazera.+ Mbola miara-mipetraka amin’ny fokon’i Efraima ihany àry ny Kananita hatramin’izao,+ saingy ampanaovina asa an-terivozona.+

Fanamarihana

Na: “Lalan-driakan’i.”