Josoa 18:1-28

  • Nozaraina tao Silo ny ambin’ilay tany (1-10)

  • Lovan’ny fokon’i Benjamina (11-28)

18  Ary nivory tao Silo+ ny vahoaka manontolo, izany hoe ny Israelita. Dia natsangan’izy ireo tao ny tranolay fihaonana,+ satria efa resin’izy ireo ilay tany.+  Mbola nisy foko fito tsy nahazo ny lovany anefa tamin’ny Israelita.  Hoy àry i Josoa tamin’ny Israelita: “Mandra-pahoviana ianareo no hangataka andro hoatr’izao? Maninona ianareo no mbola tsy mandeha maka an’ilay tany nomen’i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo anareo ihany?+  Andefaso telo lahy isam-poko aho mba hirahiko. Handeha hitety an’ilay tany ry zareo ka hanao ny sarin’izy io,* araka ny lovan’izy ireo. Dia hiverina atỳ amiko izy ireo avy eo.  Tokony hifampizaran’izy ireo ilay tany, ka hozarainy fito.+ Hijanona any amin’ny faritry ny taniny any atsimo i Joda,+ ary ny taranak’i Josefa hijanona any amin’ny faritry ny taniny any avaratra.+  Dia izao no ataonareo: Ataovy sary ilay tany dia zarao fito. Ary ento atỳ amiko izany, ka eto aho no hanao antsapaka+ ho anareo, eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitsika.  Tsy manana anjara eo aminareo anefa ny Levita,+ satria ny asa fisoronana naorin’i Jehovah no lovan’izy ireo.+ I Gada sy Robena ary ny antsasaky ny fokon’i Manase+ koa efa naka ny lovany teny ampita atsinanan’i Jordana, izay nomen’i Mosesy mpanompon’i Jehovah azy.”  Dia niomana handeha ireo lehilahy hanao ny sarin’ilay tany, ary izao no baiko nomen’i Josoa azy ireo: “Mandehana tetezo ilay tany ka ataovy sary, dia miverena atỳ amiko. Ary hanao antsapaka ho anareo eo anatrehan’i Jehovah eto Silo aho.”+  Dia lasa nitety an’ilay tany ireo lehilahy ireo. Nataon’izy ireo sary ilay tany dia nozarainy fito, ary nosoratany tao anaty boky ny mombamomba an’ireo tanàna tao. Dia niverina tany amin’i Josoa tao an-toby tany Silo izy ireo. 10  Nanao antsapaka ho azy ireo tao Silo, teo anatrehan’i Jehovah,+ i Josoa avy eo. Tao no nizarany an’ilay tany ho an’ny Israelita, araka ny anjarany avy.+ 11  Natao ny antsapaka ka nahazo anjara ny fokon’i Benjamina, araka ny fianakaviany avy. Teo anelanelan’ny faritry ny tanin’ny taranak’i Joda+ sy ny an’ny taranak’i Josefa+ ny tany azony. 12  Nanomboka teo amin’ny Reniranon’i Jordana ny ilany avaratra amin’ny tanin’izy ireo, ka niakatra hatrany amin’ny tehezany avaratra amin’i Jeriko,+ dia niakatra niankandrefana nanaraka ny tendrombohitra, ary tonga hatrany an-tany efitr’i Beti-avena.+ 13  Avy teo ilay sisin-tany dia nitohy hatrany amin’ny tehezany atsimo amin’i Lozy, izany hoe Betela,+ ka nidina nankany Atarota-adara,+ teo amin’ilay tendrombohitra eo atsimon’i Beti-horona Ambany.+ 14  Avy teo amin’ilay tendrombohitra tandrifin’ny ilany atsimo amin’i Beti-horona no nivily nianatsimo ny ilany andrefan’ilay sisin-tany, ka nifarana tany Kiriata-bala, izany hoe Kiriata-jearima,+ tanànan’i Joda. Izany no ilany andrefana. 15  Ny ilany atsimo dia nanomboka teo amin’ny sisin’i Kiriata-jearima no niankandrefana, ary tonga hatreo amin’ny loharanon’i Neftoa.+ 16  Ary nidina nankany amin’ny sisin’ilay tendrombohitra tandrifin’ny Lohasahan’ny Taranak’i Hinoma+ izany. Eo amin’ny ilany avaratra amin’ny Lohasahan’ny* Refaima+ io tendrombohitra io. Nidina nankany amin’ny Lohasahan’i Hinoma ilay sisin-tany, dia nankeo amin’ny ilany atsimo amin’ny tehezan-kavoanan’ny Jebosita,+ ary nidina nankany En-rogela.+ 17  Ary nianavaratra izany ka tonga hatrany En-semesy, ary nitohy hatrany Gelilota tandrifin’ny fiakarana Adomima,+ dia nidina hatrany amin’ilay vaton’i+ Bohana+ zanak’i Robena. 18  Dia nitohy hatrany amin’ny ilany avaratra amin’ilay tehezan-kavoana tandrifin’i Araba izany, ka nidina nankany Araba, 19  dia nitohy hatrany amin’ny ilany avaratra amin’ny tehezan’i Beti-hogla,+ ka nifarana tany amin’ny helodrano avaratra amin’ny Ranomasin-tsira,*+ eo amin’ny farany atsimo amin’ny Reniranon’i Jordana. Izany no sisin-tany atsimo. 20  Ary i Jordana no sisin-tany amin’ny ilany atsinanana. Izany no sisin-tanin’ny lovan’ny taranak’i Benjamina, araka ny fianakaviany avy. 21  Ireto avy ny tanàna nozaraina tamin’ny fokon’i Benjamina, araka ny fianakaviany avy: Jeriko, Beti-hogla, Emeka-keziza, 22  Beti-araba,+ Zemaraima, Betela,+ 23  Avima, Para, Ofra, 24  Kefara-hamony, Ofny, ary Geba,+ izany hoe tanàna 12 sy ny tanàna keliny. 25  Anisany koa i Gibeona,+ Rama, Berota, 26  Mizpe, Kefira, Moza, 27  Rekema, Iripela, Tarala, 28  Zela,+ Ha-elefa, Jebosa, izany hoe Jerosalema,+ Gibea,+ ary Kiriata, izany hoe tanàna 14 sy ny tanàna keliny. Izany no lova nozaraina ho an’ny taranak’i Benjamina, araka ny fianakaviany avy.

Fanamarihana

Na: “hanoratra ny mombamomba azy io.”
Na: “Lemaka Ivan’ny.”
Izany hoe ny Ranomasina Maty.