Josoa 2:1-24

  • Naniraka mpitsikilo roa ho any Jeriko i Josoa (1-3)

  • Nafenin’i Rahaba ireo mpitsikilo (4-7)

  • Fampanantenana nomena an’i Rahaba (8-21a)

    • Tady mena midorehitra ho famantarana (18)

  • Niverina tany amin’i Josoa ireo mpitsikilo (21b-24)

2  Ary naniraka an-tsokosoko mpitsikilo roa lahy i Josoa zanak’i Nona, rehefa tao Sitima.+ Hoy izy tamin’izy ireo: “Mandehana jereo ilay tany, indrindra fa i Jeriko.” Nandeha àry izy ireo, dia nankao an-tranon’ny mpivaro-tena atao hoe Rahaba,+ ka nijanona tao.  Dia nisy nilaza tamin’ny mpanjakan’i Jeriko hoe: “Misy lehilahy israelita tonga eto izao alina izao, mba hitsikilo ny tany.”  Koa naniraka olona nankany amin’i Rahaba ny mpanjakan’i Jeriko mba hiteny hoe: “Avoahy ireo lehilahy tonga ato aminao, fa hitsikilo ny tany manontolo no nahatongavan-dry zareo.”  Nafenin’ilay vehivavy anefa izy roa lahy. Ary hoy izy: “Ie! Tonga teto amiko ireny lehilahy ireny, fa tsy fantatro hoe avy aiza ry zareo.  Rehefa maizina ny andro ka efa hohidiana ny vavahadin’ny tanàna, dia lasa ry zareo. Fa tsy fantatro izay nalehany. Raha enjehinareo haingana anefa ry zareo, dia ho tratranareo.”  Efa nentin’ilay vehivavy tany an-tampon-trano anefa izy roa lahy, ka nafeniny tao ambany tahon-drongony nalahadahatra.  Lasa nanenjika azy roa lahy àry ireo iraky ny mpanjaka, ka nandeha tamin’ny lalana mankany amin’ny Reniranon’i Jordana, teny amin’ny toerana fiampitana.+ Ary nohidiana ny vavahadin’ny tanàna raha vao tafavoaka ireo mpanenjika.  Raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao amin-dry zareo tao an-tampon-trano ilay vehivavy.  Hoy izy tamin’izy roa lahy: “Fantatro fa homen’i Jehovah anareo ity tany ity,+ ary matahotra anareo izahay.+ Kivy ny mponina rehetra eto amin’ity tany ity satria ho avy ianareo.+ 10  Henonay mantsy fa nataon’i Jehovah ritra teo anoloanareo ny Ranomasina Mena, rehefa niala tany Ejipta ianareo.+ Henonay koa ny nataonareo tamin’ny mpanjaka amorita roa, dia i Sihona+ sy Oga,+ izay naringanareo teny ampitan’i* Jordana. 11  Rehefa naheno an’izany izahay, dia natahotra be.* Tsy misy manana herim-po hanoherana anareo intsony izahay, satria hitanay hoe i Jehovah Andriamanitrareo dia Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany.+ 12  Koa mba manaova re fianianana amiko amin’ny anaran’i Jehovah e, hoe ho tsara fanahy* amin’ny ankohonan-draiko ianareo satria tsara fanahy* taminareo aho. Ary omeo antoka* aho hoe hitana ny teninareo ianareo. 13  Dia tsimbino ny ain’ny raiko sy ny reniko, ny ain’ny anadahiko sy ny rahavaviko, ary izay rehetra an-dry zareo, ary vonjeo izahay mba tsy ho faty.”+ 14  Dia hoy izy ireo taminy: “Ny ainay mihitsy no hataonay antoka! Raha tsy lazainao amin’olona ny anton-dianay, dia ho tsara fanahy* aminao izahay sady hitana ny teninay taminao, rehefa homen’i Jehovah anay ity tany ity.” 15  Avy eo dia nampidinin’ilay vehivavy tamin’ny tady avy teo am-baravarankely izy ireo. Teo amin’ny sisiny iray tamin’ny mandan’ilay tanàna mantsy ny tranony, teo ambonin’ilay manda.+ 16  Ary hoy izy tamin’izy roa lahy: “Mandehana any amin’ny faritra be tendrombohitra, ary miafena any telo andro mba tsy ho hitan’ireo manenjika anareo. Rehefa tafaverina izy ireo, dia afaka mandeha any amin’izay halehanareo ianareo.” 17  Dia hoy izy ireo tamin’ilay vehivavy: “Hohajainay ilay fianianana nampanaovinao anay,+ 18  raha afatotrao eo am-baravarankely ity tady mena midorehitra hampidinanao anay ity, rehefa miditra eto amin’ity tany ity izahay. Dia vorio ao an-tranonao ny rainao, ny reninao, ny anadahinao, ary ny ankohonan-drainao manontolo.+ 19  Izay mivoaka any ivelan’ny varavaran’ny tranonao, dia izy ihany no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany, ary tsy hanan-tsiny izahay. Fa raha misy manjo* an’izay mijanona miaraka aminao ao an-trano kosa, dia izahay no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany. 20  Raha lazainao amin’olona anefa ny anton-dianay,+ dia tsy hanan-tsiny izahay raha tsy manaja an’ilay fianianana nampanaovinao anay.” 21  Dia hoy ilay vehivavy: “Eny àry e! Mety izany.” Dia nalefany izy ireo, ka lasa. Nafatony teo am-baravarankely avy eo ilay tady mena midorehitra. 22  Lasa àry izy roa lahy, dia nandeha tany amin’ny faritra be tendrombohitra, ary nijanona tany telo andro, mandra-piverin’ireo nanenjika azy. Dia nitady azy roa lahy teny amin’ny lalana rehetra izy ireo, fa tsy nahita azy. 23  Ary nidina avy tany amin’ny faritra be tendrombohitra izy roa lahy ka niampita an’ilay renirano, dia tonga tany amin’i Josoa zanak’i Nona. Dia notantarain’izy roa lahy taminy ny zava-drehetra nanjo azy ireo. 24  Hoy koa izy ireo tamin’i Josoa: “Efa nomen’i Jehovah antsika ilay tany manontolo.+ Tena kivy ny mponina rehetra ao amin’ilay tany satria hoe ho avy isika.”+

Fanamarihana

Izany hoe ampita atsinanana.
Abt: “nitsonika ny fonay.”
Na: “ho be fitiavana sy tsy hivadika.”
Na: “be fitiavana sy tsy nivadika.”
Na: “famantarana azo itokisana.”
Na: “ho tia anao sy tsy hivadika.”
Na: “raha misy mikasi-tanana.”