Josoa 22:1-34

  • Nody ireo foko tany atsinanana (1-8)

  • Nanorina alitara teo akaikin’i Jordana (9-12)

  • Nohazavaina ny antony nanaovana an’ilay alitara (13-29)

  • Nilamina ilay tsy fifankahazoana (30-34)

22  Dia nantsoin’i Josoa ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase,  ka nilazany hoe: “Nanao an’izay rehetra nandidian’i Mosesy mpanompon’i Jehovah anareo ianareo,+ sady nankatò an’izay rehetra nandidiako anareo.+  Tsy nandao ny rahalahinareo ianareo nandritra an’izay fotoana rehetra izay ka hatramin’izao,+ sady narahinareo ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo.+  Efa nataon’i Jehovah Andriamanitrareo milamina tsara izao ny fiainan’ny rahalahinareo, araka ny nampanantenainy azy ireo.+ Azonareo atao amin’izay izao ny miverina any amin’ny tranolainareo, any amin’ilay tany nomen’i Mosesy mpanompon’i Jehovah anareo, eny ampitan’i* Jordana.+  Tandremo tsara fotsiny ny didy sy ny Lalàna nomen’i Mosesy mpanompon’i Jehovah anareo,+ ka tiavo i Jehovah Andriamanitrareo,+ mandehana amin’ny lalany rehetra,+ tandremo ny didiny,+ mifikira aminy,+ ary manompoa azy+ amin’ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo.”+  Dia nitso-drano azy ireo i Josoa, ka nandefa azy ireo nody. Ary lasa nankany amin’ny tranolainy izy ireo.  Efa nomen’i Mosesy lova tany Basana ny antsasaky ny fokon’i Manase,+ fa ny antsasany kosa nomen’i Josoa tany niaraka tamin’ny rahalahiny tetỳ ampita andrefan’i Jordana.+ Nitso-drano azy ireo i Josoa rehefa nandefa azy ho any amin’ny tranolainy.  Hoy izy tamin’izy ireo: “Modia any amin’ny tranolainareo, miaraka amin’ny harem-be sy biby fiompy maro be, ary koa volafotsy, volamena, varahina, vy, ary fitafiana be dia be.+ Alaivo ny anjaranareo amin’ny zavatra azo babo+ avy tamin’ny fahavalonareo, ka zarao ho anareo sy ny rahalahinareo.”  Dia lasa ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, ka nandao ny Israelita tao Silo, tany Kanana. Nody tany Gileada,+ tany amin’ilay tany nomena azy izy ireo, dia ilay tany efa nipetrahany araka ny baikon’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy.+ 10  Rehefa tonga teo amin’ny faritr’i Jordana tao Kanana ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia nanorina alitara ngezabe teo akaikin’ny Reniranon’i Jordana. 11  Tatỳ aoriana, dia nisy niteny tamin’ny Israelita+ hoe: “Ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, nanorina alitara eo amin’ny sisin’ny tany Kanana, eo amin’ny faritr’i Jordana, etỳ amin’ny ilany misy ny Israelita.” 12  Rehefa nahare an’izany ny Israelita, dia nivory tao Silo+ izy rehetra mba hiady tamin’izy ireo. 13  Ary nirahin’ny Israelita i Finehasa+ zanak’i Eleazara mpisorona, mba hankany amin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, tany Gileada. 14  Nisy mpiadidy folo niaraka taminy, dia mpiadidy iray isaky ny foko rehetra teo amin’ny Israely. Samy lohan’ny fianakaviambe teo amin’ny Israely, izay voatsinjara ho arivo isan-tokony, izy ireo.+ 15  Rehefa tonga tany amin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase tany Gileada, izy ireo, dia niteny hoe: 16  “Izao no nolazain’ny vahoakan’i Jehovah manontolo: ‘Fa ahoana izao ianareo mivadika+ amin’ny Andriamanitry ny Israely izao? Niala tamin’i Jehovah ianareo androany, satria nanorina alitara sy nikomy tamin’i Jehovah.+ 17  Mbola tsy ampy antsika angaha ny fahadisoana tany Peora? Isika aza mbola tsy voadio tamin’iny akory hatramin’izao, na dia efa nisy loza nihatra tamin’ny vahoakan’i Jehovah aza.+ 18  Ianareo indray anefa izao no miala amin’i Jehovah! Raha mikomy amin’i Jehovah ianareo androany, dia ho tezitra amin’ny vahoakan’Israely manontolo izy rahampitso.+ 19  Raha maloto ny taninareo, dia miampità atỳ amin’ny tanin’i Jehovah+ izay misy ny tranolain’i Jehovah,+ ary miaraha mipetraka aminay. Fa aza mikomy amin’i Jehovah, ary aza manorina alitara ankoatra an’ilay alitaran’i Jehovah Andriamanitsika, sao dia hahatonga anay hikomy aminy koa izany.+ 20  Tsy ny vahoakan’Israely manontolo ve no niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra, nefa i Akana+ zanak’i Zera no nivadika taminy ka tsy nankatò ny didy momba ny zavatra voatokana haringana?+ Ary tsy izy irery no maty noho ny fahadisoany.’”+ 21  Dia hoy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, tamin’ireo mpifehy ny arivo teo amin’ny Israely:+ 22  “I Jehovah, ilay Andriamanitry ny andriamanitra,* eny, i Jehovah, ilay Andriamanitry ny andriamanitra,+ no mahalala hoe nahoana izahay no nanao an’izany ary hahalala an’izany koa ny Israely. Raha mikomy sy mivadika aminao izahay, Jehovah ô, dia aza mamonjy anay androany. 23  I Jehovah mihitsy no hanasazy anay, raha ny hiala amin’i Jehovah sy ny hanolotra fanatitra dorana sy fanatitra varimbazaha ary sorona iombonana no antony nanorenanay an’ilay alitara.+ 24  Zavatra hafa kosa no nampanahy anay ka nahatonga anay hanao an’izany. Sao dia hiteny amin’ny zanakay mantsy ny zanakareo any aoriana any hoe: ‘Misy idiranareo angaha moa ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely? 25  Efa nataon’i Jehovah ho sisin-tany manasaraka anay aminareo Robenita sy Gadita ny Reniranon’i Jordana. Tsy manana anjara amin’ny fanompoana an’i Jehovah ianareo.’ Dia hisakana ny zanakay tsy hanompo* an’i Jehovah ny zanakareo. 26  “Izany no nahatonga anay hiteny hoe: ‘Andao isika hanorina alitara. Tsy hanolorana fanatitra dorana anefa izany na hanaovana sorona, 27  fa mba ho vavolombelona aminareo sy aminay+ ary ny taranaka mandimby antsika hoe hanao ny fanompoana an’i Jehovah eo anatrehany izahay, ka hanao fanatitra dorana sy sorona ary sorona iombonana.+ Amin’izay dia tsy hilaza amin’ny zanakay ny zanakareo any aoriana any hoe: “Tsy manana anjara amin’ny fanompoana an’i Jehovah ianareo.”’ 28  Dia hoy izahay: ‘Raha milaza an’izany amintsika sy amin’ny taranatsika ry zareo any aoriana any, dia hiteny isika hoe: “Jereo ny alitara nataon’ny razambenay fa mitovy amin’ilay alitaran’i Jehovah. Tsy hanolorana fanatitra dorana anefa izany na hanaovana sorona, fa ho vavolombelona aminareo sy aminay.”’ 29  Tsy izahay mihitsy sanatria no hikomy amin’i Jehovah sy hiala amin’i Jehovah,+ ka hanorina alitara hafa hanolorana fanatitra dorana sy fanatitra varimbazaha ary sorona, ankoatra an’ilay alitaran’i Jehovah Andriamanitsika izay eo anoloan’ny tranolainy!”+ 30  Ary faly i Finehasa mpisorona sy ireo niaraka taminy, izany hoe ny mpiadidy vahoaka sy ny mpifehy ny arivo teo amin’ny Israely, rehefa naheno ny tenin’ny taranak’i Robena sy Gada ary Manase.+ 31  Dia hoy i Finehasa zanak’i Eleazara mpisorona, tamin’ny taranak’i Robena sy Gada ary Manase: “Fantatray androany fa eto amintsika i Jehovah, satria tsy nivadika tamin’i Jehovah ianareo. Efa namonjy ny Israelita teo an-tanan’i Jehovah ianareo.” 32  Niverina tany amin’ny Israelita tany Kanana i Finehasa zanak’i Eleazara mpisorona sy ny mpiadidy, dia nanao tatitra tamin’izy ireo, rehefa avy nihaona tamin’ny Robenita sy ny Gadita tany Gileada. 33  Koa nahafaly ny Israelita ilay tatitra. Dia nidera an’Andriamanitra izy ireo, ary tsy niresadresaka intsony hoe handeha hiady amin’ny Robenita sy ny Gadita mba hanimba ny tany nipetrahany. 34  Nomen’ny Robenita sy ny Gadita anarana àry ilay alitara.* Hoy mantsy izy ireo: “Io no vavolombelona amintsika fa i Jehovah no tena Andriamanitra.”

Fanamarihana

Izany hoe ampita atsinanana.
Na: “Ilay Mahery, izany hoe ilay Andriamanitra, dia i Jehovah.”
Abt: “tsy hatahotra.”
Raha jerena ny teny manodidina, dia mety hoe Vavolombelona no natao anaran’ilay alitara.