Josoa 23:1-16

  • Hafatrafatr’i Josoa ho an’ireo mpitarika teo amin’ny Israely (1-16)

    • Tsy nisy tsy tanteraka ny tenin’i Jehovah (14)

23  Efa nataon’i Jehovah milamina ny tanin’ny Israely,+ satria novonjeny tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina izy ireo. Andro maro taorian’izay, rehefa antitra sady nandroso taona i Josoa,+  dia nantsoiny ny Israely rehetra,+ izany hoe ny anti-panahy sy ireo lohany teo amin’izy ireo ary ny mpitsara sy ny mpiadidy teo aminy.+ Dia hoy izy tamin’izy ireo: “Efa antitra sady mandroso taona aho.  Ary efa hitanareo ny zava-drehetra nataon’i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ireo firenena rehetra ireo, mba hanampiana anareo. I Jehovah Andriamanitrareo mantsy no niady ho anareo.+  Efa nozaraiko ho lovan’ny fokonareo tamin’ny alalan’ny antsapaka*+ koa ny tanin’ireo firenena sisa tavela+ sy ny tanin’ireo firenena rehetra naringako,+ hatrany amin’ny Reniranon’i Jordana ka hatrany amin’ny Ranomasina Lehibe* any andrefana.*  Ary i Jehovah Andriamanitrareo no nanala azy ireo tsy ho eo anatrehanareo.+ Nandroaka azy ireo izy ka afaka naka ny taniny ianareo, araka ny efa nampanantenain’i Jehovah Andriamanitrareo anareo.+  “Koa manàna herim-po* hankatoavana sy hanarahana an’izay rehetra voasoratra ao amin’ny boky misy ny Lalàn’i Mosesy,+ ka aza miala amin’izany mihitsy, na mivily miankavanana na miankavia.+  Ary aza mifanerasera mihitsy amin’ireo firenena+ mbola tavela eo aminareo ireo. Aza tononina na dia ny anaran’ny andriamaniny aza,+ ary aza mianiana amin’ny anaran’izy ireny. Aza manompo an’ireny mihitsy na miankohoka aminy.+  Mifikira kosa amin’i Jehovah Andriamanitrareo,+ hoatran’izay efa nataonareo hatramin’izao.  Handroaka firenena lehibe sy mahery tsy ho eo anatrehanareo i Jehovah.+ Fa tsy nisy olona nahatohitra anareo hatramin’izao.+ 10  Lehilahy iray monja aminareo no hanenjika arivo,+ satria i Jehovah Andriamanitrareo no miady ho anareo,+ araka ny efa nampanantenainy anareo.+ 11  Mitandrema tsara foana àry,+ ka tiavo i Jehovah Andriamanitrareo.+ 12  “Fa raha miala aminy kosa ianareo ka mifikitra amin’ireo firenena sisa tavela+ eo aminareo, ary mifanambady*+ amin’izy ireo ka mifanerasera aminy ary izy ireo koa mifanerasera aminareo, 13  dia fantaro tsara fa tsy handroaka an’ireo firenena ireo intsony i Jehovah Andriamanitrareo.+ Ho fandrika sy vela-pandrika ho anareo izy ireo, sady ho karavasy hikapoka ny tehezanareo+ ary ho tsilo ao anaty masonareo, mandra-paharipaka anareo tsy ho eto amin’ity tany tsara nomen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity. 14  “Efa ho faty* aho izao. Ary fantatrareo tsara amin’ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo, fa tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’i Jehovah Andriamanitrareo anareo. Efa tanteraka taminareo daholo izy rehetra. Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza.+ 15  Hoatran’ny nahatanterahan’ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’i Jehovah Andriamanitrareo anareo+ koa anefa, no hampiharan’i Jehovah aminareo ny loza* rehetra nolazainy hoe hanjo anareo, sy handringanany anareo tsy ho eto amin’ity tany tsara nomen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.+ 16  Raha mivadika amin’ny fifanekena nasain’i Jehovah Andriamanitrareo nohajainareo ianareo, ary mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka amin’izy ireny, dia ho tezitra be aminareo i Jehovah,+ ka tsy ho ela ianareo dia ho ripaka tsy ho eo amin’ilay tany tsara nomeny anareo.”+

Fanamarihana

Na: “any amin’ny filentehan’ny masoandro.”
Izany hoe ny Ranomasina Mediterane.
Na: “nomeko ho lovan’ny fokonareo.”
Na: “Aoka ianareo ho be herim-po.”
Na: “manao fifanarahana hoe hifanambady.”
Abt: “handeha amin’ny lalana falehan’ny tany rehetra.”
Na: “ny ozona.”