Josoa 4:1-24
-
Vato natao ho fahatsiarovana (1-24)
4 Raha vao tafita an’i Jordana ilay firenena manontolo, dia hoy i Jehovah tamin’i Josoa:
2 “Makà lehilahy 12 amin’ny vahoaka, dia lehilahy iray isaky ny foko,+
3 ary omeo baiko izy ireo hoe: ‘Makà vato 12 eo afovoan’i Jordana, eo amin’ny toerana nijoroan’ny mpisorona.+ Ento ireo vato ireo ka apetraho eo amin’izay toerana hatorianareo androany alina.’”+
4 Koa niantso an’ireo 12 lahy izay nofidiny avy tamin’ny Israelita i Josoa, dia lehilahy iray isaky ny foko.
5 Ary hoy i Josoa tamin’izy ireo: “Mandehana mankeo afovoan’i Jordana, eo alohan’ilay Vata masin’i Jehovah Andriamanitrareo. Dia samia mibata vato iray avy ho eo an-tsorokareo, araka ny isan’ny fokon’ny Israely,
6 mba ho famantarana eo aminareo. Ary raha manontany anareo ny zanakareo* any aoriana any hoe: ‘Fa maninona ireo vato ireo no napetrakareo eo?’,+
7 dia lazao aminy hoe: ‘Ho fahatsiarovana* maharitra ho an’ny vahoakan’Israely ireo vato ireo. Nijanona tsy nikoriana teo anoloan’ny Vata+ misy ny fifanekena nataon’i Jehovah mantsy ny ranon’i Jordana, rehefa nentina niampita teo ilay Vata.’”+
8 Dia nataon’ny Israelita izay nandidian’i Josoa. Naka vato 12 mitovy amin’ny isan’ny fokon’ny Israely izy ireo teo afovoan’i Jordana, araka ny toromarika nomen’i Jehovah an’i Josoa. Ary nentin’izy ireo niampita nankeo amin’ny toerana hatoriany izany, ka napetrany teo.
9 Nisy vato 12 koa natsangan’i Josoa teo afovoan’i Jordana, teo amin’izay nijoroan’ny mpisorona nilanja ny Vata misy ny fifanekena.+ Mbola ao ireo vato ireo hatramin’izao.
10 Nijoro teo afovoan’i Jordana ny mpisorona nilanja an’ilay Vata, mandra-pahavitan’ny zava-drehetra nasain’i Jehovah nolazain’i Josoa tamin’ny vahoaka, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy an’i Josoa. Dia niampita haingana ny vahoaka, nandritra an’izany fotoana izany.
11 Raha vao tafita daholo ny vahoaka, dia niampita teo imason’izy ireo ny mpisorona nilanja an’ilay Vata masin’i Jehovah.+
12 Niampita teo alohan’ny Israelita hafa ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, sady nilahatra tsara hoatran’ny miaramila.+ Izany mantsy ny toromarika nomen’i Mosesy azy ireo.+
13 Miaramila 40 000 teo ho eo, nitondra fitaovam-piadiana sady vonona hiady, no niampita teo anatrehan’i Jehovah nankeny amin’ny lemaka karakaina any Jeriko.
14 Tamin’izay andro izay no nanandratan’i Jehovah an’i Josoa teo imason’ny Israely rehetra.+ Ary tena nohajain’izy* ireo izy nandritra ny androm-piainany, hoatran’ny nanajan’izy ireo an’i Mosesy.+
15 Dia hoy i Jehovah tamin’i Josoa:
16 “Asaivo miakatra avy ao Jordana ny mpisorona milanja ny Vata+ Misy ny Tenin’ny Vavolombelona.”
17 Nanome baiko an’ireo mpisorona àry i Josoa hoe: “Miakara avy ao Jordana.”
18 Dia niakatra avy teo afovoan’i Jordana ny mpisorona nilanja ny Vata+ misy ny fifanekena nataon’i Jehovah. Rehefa nanitsaka tany maina ny faladian’izy ireo, dia nikoriana indray ny ranon’i Jordana, ka lasa tondraka toy ny teo aloha ary difotra ny morony.+
19 Niakatra avy tao Jordana ny vahoaka tamin’ny andro fahafolon’ny volana voalohany. Dia nitoby tao Gilgala,+ tany amin’ny sisiny atsinanan’i Jeriko, izy ireo.
20 Ary natsangan’i Josoa tao Gilgala ireo vato 12 nalain’izy ireo avy tao Jordana.+
21 Dia hoy izy tamin’ny Israelita: “Rehefa manontany anareo ny zanakareo any aoriana any hoe: ‘Fa inona no dikan’ireo vato ireo?’,+
22 dia hazavao aminy hoe: ‘Nandeha teo amin’ny tany maina ny Israely rehefa niampita an’i Jordana,+
23 satria nataon’i Jehovah Andriamanitrareo ritra teo anoloan’izy ireo ny ranon’i Jordana, mandra-pahatongan’izy ireo teny ampita. Hoatr’izany koa no nataon’i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ny Ranomasina Mena mandra-pahatongantsika teny ampita.+
24 Nanao an’izany izy mba ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany fa mahery ny tanan’i Jehovah.+ Amin’izay koa ianareo hatahotra foana an’i Jehovah Andriamanitrareo.’”