Josoa 9:1-27

  • Fetsy ny Gibeonita dia nitady fihavanana (1-15)

  • Tratra ny hafetsen’ny Gibeonita (16-21)

  • Ho mpaka kitay sy mpantsaka rano ny Gibeonita (22-27)

9  Ary nahare an’izay nitranga ny mpanjaka rehetra tetỳ ampita andrefan’ny Reniranon’i Jordana,+ izany hoe ireo teny amin’ny faritra be tendrombohitra sy tany Sefela sy teny amoron’ny Ranomasina Lehibe*+ ary tandrifin’i Libàna, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita.+  Dia nifanaraka izy ireo fa hiady amin’i Josoa sy ny Israely.+  Henon’ny mponin’i Gibeona+ koa ny nataon’i Josoa tamin’i Jeriko+ sy Ay.+  Nampiasa hafetsena àry izy ireo. Nataony teo ambony ampondra ny gony efa tonta misy vatsy, sy ny siny hoditra fasiana divay izay efa tonta sy nisy tataka ka mizaijaitra.  Nanao kapa efa simbasimba sy nitampintampina koa izy ireo, sady nanao akanjo tonta. Ary efa maina sy potipotika ny mofo rehetra nataony vatsy.  Dia nankany amin’i Josoa tao amin’ny toby tany Gilgala izy ireo,+ ka niteny taminy sy tamin’ny lehilahy israelita hoe: “Avy any an-tany lavitra izahay. Koa mba manaova fifanekena aminay.”  Hoy anefa ny lehilahy israelita tamin’ny Hivita:+ “Ianareo aza mety hoe etỳ akaikinay etỳ ihany no mipetraka, koa nahoana izahay no hanao fifanekena aminareo?”+  Dia hoy izy ireo tamin’i Josoa: “Mpanomponao izahay.” Ary hoy i Josoa: “Fa iza ianareo, ary avy aiza?”  Dia hoy izy ireo: “Avy any an-tany lavitra be izahay mpanomponao,+ ary tonga atỳ noho ny amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao. Efa henonay mantsy ny lazany sy izay rehetra nataony tany Ejipta,+ 10  ary izay rehetra nataony tamin’ny mpanjaka amorita roa teny ampitan’i* Jordana, dia i Sihona+ mpanjakan’i Hesbona sy Oga+ mpanjakan’i Basana, ilay tao Astarota. 11  Niteny taminay àry ny anti-panahinay sy ny mponina rehetra any amin’ny taninay hoe: ‘Mitondrà vatsy hohaninareo eny an-dalana, ary mankanesa any amin-dry zareo. Dia lazao aminy hoe: “Ho mpanomponareo izahay.+ Koa mba manaova fifanekena aminay.”’+ 12  Mbola nafana ireto mofo nentinay hatao vatsy ireto, tamin’ny andro nialanay tany an-trano mba ho atỳ aminareo. Jereo anefa fa efa maina sy potipotika ilay izy izao.+ 13  Ary vaovao ireto siny hoditra fasiana divay ireto tamin’izy nofenoinay, nefa tataka ilay izy izao.+ Lasa tonta koa ny akanjonay sy ny kapanay, satria lavitra be ny lalana.” 14  Dia nakan’ny* lehilahy israelita ny vatsin’izy ireo. Tsy mba nanontany an’i Jehovah anefa ny Israelita.+ 15  Nanaiky hihavana tamin’ny Gibeonita àry i Josoa,+ ka nanao fifanekena tamin’izy ireo hoe tsy hamono an-dry zareo. Izany no fianianana nataon’ny mpiadidy vahoaka tamin’izy ireo.+ 16  Telo andro taorian’ny nanaovan’ny Israelita fifanekena tamin’izy ireo anefa, dia henony fa teny amin’ny manodidina azy teny akaiky teny ihany izy ireo no nipetraka. 17  Dia niainga ny Israelita ka tonga tany an-tanànan’izy ireo tamin’ny andro fahatelo. I Gibeona+ sy Kefira sy Berota ary Kiriata-jearima+ izany tanàna izany. 18  Tsy nanafika azy ireo anefa ny Israelita, satria ny mpiadidy vahoaka efa nanao fianianana tamin’izy ireo tamin’ny anaran’i Jehovah+ Andriamanitry ny Israely. Koa nimenomenona tamin’ny mpiadidy ny vahoaka manontolo. 19  Dia hoy ny mpiadidy rehetra tamin’ny vahoaka manontolo: “Tsy mahazo mamely an-dry zareo isika, satria izahay efa nianiana tamin’izy ireo tamin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitry ny Israely. 20  Fa izao no hataontsika: Tsy hovonointsika ry zareo, mba tsy ho tezitra amintsika Andriamanitra noho ilay fianianana nataonay tamin’izy ireo.”+ 21  Hoy koa ny mpiadidy vahoaka: “Tsy hovonointsika ry zareo, fa hataontsika mpaka kitay sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana manontolo.” Izany no nampanantenain’ny mpiadidy an’ireo Gibeonita. 22  Ary nantsoin’i Josoa izy ireo dia nilazany hoe: “Nahoana ianareo no namitaka anay ka niteny hoe: ‘Avy any an-tany lavitra be izahay’, nefa etỳ akaikinay etỳ ihany ianareo no mipetraka?+ 23  Voaozona ianareo manomboka izao.+ Ho mpanompo foana ianareo, ka ho mpaka kitay sy ho mpantsaka rano ho an’ny tranon’Andriamanitro.” 24  Dia hoy ny navalin’izy ireo an’i Josoa: “Nisy nitantara taminay hoe i Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an’i Mosesy mpanompony mba hanome anareo an’ity tany manontolo ity, ka handringana ny mponina rehetra eto tsy ho eo anatrehanareo.+ Dia natahotra izahay sao dia hovonoinareo.+ Izany no nahatonga anay hanao an’izany.+ 25  Ireto àry izahay eto am-pelatananao. Dia izay hitanao fa tsara sy mety no ataovy aminay.” 26  Izany àry no nataon’i Josoa tamin’izy ireo. Novonjeny tsy hovonoin’ny Israelita izy ireo. 27  Tamin’izay andro izay izy ireo no nataon’i Josoa ho mpaka kitay sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana+ sy ho an’ny alitaran’i Jehovah, eo amin’izay toerana hofidin’Andriamanitra.+ Dia mbola hoatr’izany no ataon’izy ireo hatramin’izao.+

Fanamarihana

Izany hoe ny Ranomasina Mediterane.
Izany hoe ampita atsinanana.
Na: “nodinihin’ny.”