Ho An’ny Kolosianina 4:1-18
4 Ianareo tompo, manaova ny rariny sy ny hitsiny amin’ny mpanomponareo, satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.+
2 Mahareta amin’ny vavaka.+ Aza hadinoina mihitsy ny mivavaka sy ny misaotra.*+
3 Mivavaha koa ho anay.+ Amin’izay dia hanokatra varavarana ho anay Andriamanitra, mba hahafahanay hitory ny teny sy hilaza ny zava-miafina masina momba an’i Kristy. Izany mantsy no mahatonga ahy ho voafatotra rojo vy.+
4 Amin’izay koa aho ho afaka hanazava tsara an’izany zava-miafina izany, araka izay tokony hataoko.
5 Manehoa fahendrena foana rehefa mifandray amin’ny olona eny ivelany. Dia ampiasao tsara ny fotoananareo.*+
6 Ataovy mahafinaritra sady mamy sira+ foana ny teny lazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.+
7 Holazain’i Tykiko,+ rahalahy malalako, aminareo daholo ny vaovao momba ahy. Mpanompo mendri-pitokisana sady mpiara-manompo amiko ao amin’ny Tompo izy.
8 Irahiko ho any aminareo izy, dia amin’izay fantatrareo hoe manao ahoana izahay, dia izy koa ho afaka hampionona ny fonareo.
9 Miaraka aminy koa i Onesimosy,+ rahalahy mendri-pitokisana sy malalako, izay avy any aminareo. Holazain’izy roa lahy aminareo daholo izay mitranga atỳ.
10 Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Aristarko,+ mpiara-migadra amiko, sy Marka,+ zanak’olo-mpiray tam-po amin’i Barnabasy.—I Marka ilay nasaina noraisinareo tsara+ raha tonga any aminareo.—
11 Mampamangy koa, hono, ianareo, hoy i Jesosy, ilay atao hoe Josto. Voafora koa izy rehetra ireo, ary izy ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny Fanjakan’Andriamanitra. Izy ireo koa no tena nanampy sy nankahery* ahy.
12 Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Epafra,+ ilay avy any aminareo, sady mpanompon’i Kristy Jesosy. Miezaka be foana izy mivavaka ho anareo, amin’izay ianareo ho matotra* foana sady hatoky tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.
13 Izaho no vavolombelona manamarina fa miezaka be mihitsy izy mba hahasoa anareo, sy mba hahasoa an’izay any Laodikia sy Hierapolia.
14 Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Lioka+ dokotera malala sy Demasy.+
15 Mampamangy any amin’ireo rahalahy any Laodikia, dia mampamangy koa any amin’i Nymfa sy ny fiangonana mivory ao an-tranony.+
16 Ary rehefa voavaky eo aminareo ity taratasy ity, dia alefaso any amin’ny fiangonana any Laodikia mba hovakina+ any koa. Dia mba vakio koa ilay avy any Laodikia.
17 Mba ilazao koa i Arkipo+ hoe: “Ataovy tsara foana, hono, hoe ilay fanompoana nekenao noho ianao mpanara-dia ny Tompo, dia amin’izay ho vitanao tsara ilay izy.”
18 Ity no veloma nosoratan’ny tanako,+ izaho Paoly. Tadidio foana fa mifatotra rojo vy+ aho. Enga anie ianareo hanehoana an’ilay hatsaram-panahy miavaka!
Fanamarihana
^ Abt: “Mifohaza foana amin’izany miaraka amin’ny fisaorana.”
^ Na: “hararaoty tsara ny fotoana anananareo.” Abt: “vidio ny fotoana voatondro.”
^ Na: “tena nampionona.”
^ Abt: “feno.”