Levitikosy 1:1-17

  • Fanatitra dorana (1-17)

1  Ary niantso an’i Mosesy i Jehovah, ka niteny taminy avy tao amin’ny tranolay fihaonana+ hoe:  “Ilazao ny Israelita* hoe: ‘Raha misy aminareo te hanolotra biby fiompy ho fanatitra ho an’i Jehovah, dia omby na ondry na osy aterina.+  “‘Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia tokony ho lahy tsy misy kilema ilay izy.+ Hatolony an-tsitrapo+ eo anatrehan’i Jehovah, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, ilay omby.  Dia hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay fanatitra dorana izy, ary hekena handrakofana ny fahotany izany.  “‘Hovonoina eo anatrehan’i Jehovah avy eo ilay vantotr’ombilahy. Ary hatolotr’ireo mpisorona zanakalahin’i Arona+ ho an’Andriamanitra ny ra, ka hafafiny eo amin’ny lafiny rehetra amin’ilay alitara,+ izay eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.  Hendahana ny hoditr’ilay fanatitra dorana. Ary hotetitetehina ilay fanatitra avy eo.+  Hanisy vainafo eo ambony alitara+ ireo mpisorona zanakalahin’i Arona, ary handahatra kitay eo ambonin’ilay afo.  Halahatr’izy ireo eo ambonin’ny kitay, eo amin’ny afo eo ambony alitara, ilay fanatitra efa voatetitetika+ sy ny lohany ary ny jaborany.*  Ary ny tsinainy sy ny tongony hosasana amin’ny rano. Dia hodoran’ny mpisorona eo ambony alitara ireo rehetra ireo mba hidona-tsetroka. Fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah.+ 10  “‘Raha ondry na osy no ataony fanatitra dorana,+ dia tokony ho ondrilahy kely na osilahy tsy misy kilema no hatolony.+ 11  Hovonoina eo avaratry ny alitara, eo anatrehan’i Jehovah, izany. Ary hafafin’ireo mpisorona zanakalahin’i Arona eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny alitara ny ran’ilay izy.+ 12  Hotetitetehiny ilay fanatitra, dia halahatry ny mpisorona eo ambonin’ny kitay, eo amin’ny afo eo ambony alitara, miaraka amin’ny lohany sy ny jaborany.* 13  Hosasany amin’ny rano ny tsinainy sy ny tongony. Ary hatolotry ny mpisorona ho an’Andriamanitra ireo rehetra ireo, dia hodorany eo ambony alitara mba hidona-tsetroka. Fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah. 14  “‘Fa raha vorona kosa no ataony fanatitra dorana ho an’i Jehovah, dia domohina na zana-boromailala no hataony fanatitra.+ 15  Hatolotry ny mpisorona eo amin’ny alitara izany, ka hotsongoiny ny tendan’ilay vorona mba ho tataka. Ary hodorany eo ambony alitara ilay vorona mba hidona-tsetroka, fa ny rany kosa havela hitsika eo amin’ny sisin’ny alitara. 16  Hesoriny ny takorobabony sy ny volony ka hatsipiny eo akaikin’ny alitara, eo atsinanana, eo amin’ny fasiana lavenona.*+ 17  Ary hosamahiny eo amin’ny elany ilay vorona, nefa tsy hozarainy roa. Dia hodoran’ny mpisorona eo ambony alitara izany, mba hidona-tsetroka eo ambonin’ny kitay, eo amin’ny afo. Fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah.

Fanamarihana

Na: “zanak’Israely.”
Na: “ny taviny manodidina ny voany.”
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”
Na: “ny taviny manodidina ny voany.”
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”
Na: “lavenona feno menaka”, izany hoe lavenona vonton’ny menak’ireo fanatitra.
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”