Levitikosy 10:1-20

  • Matin’ny afo avy amin’i Jehovah i Nadaba sy Abiho (1-7)

  • Fitsipika nomena ny mpisorona momba an’izay azony hanina sy sotroina (8-20)

10  Taorian’izay, dia samy naka ny fitondrany afo i Nadaba sy Abiho zanakalahin’i Arona,+ ka nanisy afo tao anatiny sy emboka manitra+ teo ambonin’ilay afo. Dia nanolotra afo teo anatrehan’i Jehovah izy ireo, nefa afo tsy nahazoana alalana+ ilay izy sady tsy nasaina nataony.  Koa nisy afo avy amin’i Jehovah nandoro azy roa lahy,+ dia maty teo anatrehan’i Jehovah izy ireo.+  Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona: “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Hohamasinina aho eo amin’ireo olona akaiky ahy,+ ary homem-boninahitra eo anatrehan’ny olona rehetra.’” Ary tsy niteny mihitsy i Arona.  Nantsoin’i Mosesy àry i Misaela sy Elizafana, zanak’i Oziela+ dadafaran’i Arona, dia noteneniny hoe: “Avia, batao hiala eo anoloan’ny toerana masina ny rahalahinareo, ary ento any ivelan’ny toby.”  Koa nanatona izy ireo ka nibata azy roa lahy nankany ivelan’ny toby, araka izay nolazain’i Mosesy. Mbola teny amin’izy roa lahy ny akanjo lavany.  Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona sy ny zanakalahin’i Arona, izany hoe i Eleazara sy Itamara: “Aza avela hisavoritaka ny volonareo ary aza rovitina ny akanjonareo,+ mba tsy ho faty ianareo, ary mba tsy ho tezitra amin’ny vahoaka manontolo Andriamanitra. Ny rahalahinareo, dia ny taranak’Israely manontolo, no hitomany an’ireo novonoin’i Jehovah tamin’ny afo.  Aza miala eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ianareo sao maty. Efa nasiana menaka masina fanosorana avy amin’i Jehovah mantsy ianareo.”+ Koa nataon’izy ireo izay nolazain’i Mosesy.  Dia hoy i Jehovah tamin’i Arona:  “Aza misotro divay na zava-pisotro hafa misy alkaola ianao sy ny zanakao lahy, rehefa miditra ao amin’ny tranolay fihaonana+ mba tsy ho faty ianareo. Fitsipika manan-kery foana izany, ka tokony harahinareo sy ny taranakareo. 10  Amin’izay dia ho hainareo ny hanavaka ny zavatra masina sy ny tsy masina ary ny maloto sy ny madio,+ 11  ary ho hainareo ny hampianatra an’ireo Israelita ny fitsipika rehetra nolazain’i Jehovah tamin’izy ireo tamin’ny alalan’i Mosesy.”+ 12  Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona sy ny zanakalahin’i Arona sisa tavela, izany hoe i Eleazara sy Itamara: “Alaivo ny ambin’ilay fanatitra varimbazaha, avy amin’ny fanatitra natao tao anaty afo ho an’i Jehovah, dia anamboary mofo tsy misy lalivay. Ary hano eo akaikin’ny alitara izany,+ satria zavatra masina indrindra.+ 13  Hohaninareo ao amin’izay toerana masina* izany,+ satria anjaranao sy ny zanakao lahy avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah, fa izany no didy nomena ahy. 14  Hohaninareo ao amin’ny toerana madio koa ny tratra atao fanatitra ahetsiketsika sy ny fe atao anjara masina.+ Ianao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy no hihinana an’izany.+ Izany mantsy no anjara nomena anao sy ny zanakao avy amin’ny sorona iombonana aterin’ny Israelita. 15  Ary hoentin’izy ireo ny fe izay anjara masina, sy ny tratra atao fanatitra ahetsiketsika, ary ny taviny amin’ny fanatitra atao anaty afo, mba hahetsiketsika ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan’i Jehovah. Ary ho anjaranao sy ny zanakao foana izany,+ araka ny didy nomen’i Jehovah.” 16  Ary nipenimpenina nitady an’ilay osy natao fanatitra noho ny ota i Mosesy,+ ka hitany fa efa nodorana ilay izy. Koa tezitra tamin’i Eleazara sy Itamara zanakalahin’i Arona sisa tavela izy, ka niteny hoe: 17  “Fa maninona no tsy nohaninareo tao amin’ny toerana masina ilay fanatitra noho ny ota?+ Zavatra masina indrindra ange iny e, ary nomena anareo mba hitondranareo ny fahadisoan’ny vahoaka sy handrakofana ny fahotany eo anatrehan’i Jehovah! 18  Sady tsy nentina tao amin’ny toerana masina ny rany.+ Tena tokony ho nohaninareo tao amin’ny toerana masina mihitsy iny fanatitra iny, araka ny didy nomena ahy.” 19  Dia namaly an’i Mosesy i Arona hoe: “Nitondra ny fanatiny teo anatrehan’i Jehovah izy ireo androany,+ dia nanolotra fanatitra noho ny ota sy fanatitra dorana. Izao anefa no manjo ahy. Koa raha nihinana ny fanatitra noho ny ota aho androany, dia ho nahafaly an’i Jehovah ve izany?” 20  Ary nahafa-po an’i Mosesy izany teniny izany.

Fanamarihana

Mety hoe teo an-tokotanin’ny tranolay masina.