Levitikosy 11:1-47

  • Biby madio sy maloto (1-47)

11  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona:  “Ilazao ny Israelita hoe: ‘Ireto ny zavamananaina eny ambonin’ny tany* azonareo hanina:+  Ny biby rehetra mandinika* sady mivaky kitro ka misaraka tsara ny kitrony no azonareo hanina.  “‘Tsy azonareo hanina anefa ireto biby mandinika na mivaky kitro ireto: Ny rameva satria mandinika izy saingy tsy mivaky kitro. Maloto aminareo izy.+  Toy izany koa ny bitrom-bato,+ satria mandinika izy saingy tsy mivaky kitro. Maloto aminareo izy.  Toy izany koa ny bitrodia, satria mandinika izy saingy tsy mivaky kitro. Maloto aminareo izy.  Toy izany koa ny kisoa,+ satria mivaky kitro izy sady misaraka tsara ny kitrony, saingy tsy mandinika. Maloto aminareo izy.  Aza mihinana amin’ny henan’ireny na mikasika ny fatiny. Maloto aminareo ireny.+  “‘Ireto avy no azonareo hanina, amin’izay rehetra any anaty rano: Izay any anaty rano ka misy vombony sy kirany, na any an-dranomasina izany na any amin’ny renirano, dia azonareo hanina.+ 10  Fa amin’ny biby rehetra mifanaretsaka any anaty rano sy amin’ny zavamananaina rehetra any kosa, dia zava-maharikoriko aminareo ny biby tsy misy vombony na kirany, na any an-dranomasina izany na any amin’ny renirano. 11  Tokony ho zava-maharikoriko aminareo ireny. Tsy mahazo mihinana amin’ny nofony ianareo,+ ary haharikoriko anareo ny fatiny. 12  Zava-maharikoriko aminareo izay rehetra any anaty rano ka tsy misy vombony na kirany. 13  “‘Ireto avy ny biby manidina tokony haharikoriko anareo, ka tsy tokony hohaninareo satria zava-maharikoriko: Ny voromahery,+ ny hitsikitsika mpihinan-trondro, ny vaotoro mainty,+ 14  ny papango mena, ny karazana papango mainty rehetra, 15  ny karazana goaika rehetra, 16  ny aotirisy, ny vorondolo, ny varevaka, ny karazana hitsikitsika lehibe rehetra, 17  ny vorondolo kely, ny sakaizamboay, ny vorondolo lava sofina, 18  ny gisa mpanidina, ny gisandrano, ny vaotoro, 19  ny vanobe, ny karazana vano rehetra, ny takodara, ary ny ramanavy. 20  Zava-maharikoriko aminareo koa ny bibikely rehetra manana elatra sady mifanaretsaka, ary mandeha tongotra efatra. 21  “‘Ireto ihany no azonareo hanina amin’ny bibikely manana elatra sady mifanaretsaka, ary mandeha tongotra efatra: Ireo manana fe itsambikinana eo amin’ny tany. 22  Amin’ireny dia ireto no azonareo hanina: Ny karazana valala rehetra mpifindra monina, ny valala mpitsambikina, ny valala hafa fihinana,+ ary ny angelinkary. 23  Zava-maharikoriko aminareo ny bibikely hafa rehetra manana elatra sady mifanaretsaka, ary manan-tongotra efatra. 24  Hahatonga anareo haloto ireny. Haloto mandra-paharivan’ny andro izay mikasika ny fatin’ireny.+ 25  Tokony hanasa ny akanjony izay mitondra ny fatin’ireny.+ Haloto mandra-paharivan’ny andro izy. 26  “‘Maloto aminareo izay biby tsy mandinika sady mivaky kitro nefa tsy misaraka tsara ny kitrony. Haloto izay mikasika azy.+ 27  Izay biby rehetra mandeha amin’ny faladiany,* ka anisan’ny zavamananaina mandeha tongotra efatra, dia maloto aminareo. Haloto mandra-paharivan’ny andro izay mikasika ny fatin’ireny. 28  Tokony hanasa ny akanjony izay mitondra ny fatin’ireny,+ ary haloto mandra-paharivan’ny andro izy.+ Maloto aminareo ireny. 29  “‘Ireto avy ny biby mifanaretsaka ambonin’ny tany izay maloto aminareo: Ny voalavo mpihady tany, ny totozy,+ ny karazana androngo rehetra, 30  ny katsatsaka, ny androngobe, ny androngon-drano, ny androngom-pasika, ary ny tanalahy. 31  Maloto aminareo ireo biby mifanaretsaka ireo.+ Haloto mandra-paharivan’ny andro izay mikasika ny fatin’ireny.+ 32  “‘Haloto izay zavatra ilatsahan’ny fatin’ireny, na fitaovana vita amin’ny hazo izany, na akanjo, na hoditra, na lamba gony. Tokony hatsoboka ao anaty rano izay zavatra nilatsahan’ireny, ka haloto mandra-paharivan’ny andro. Hadio ilay izy avy eo. 33  Raha siny tanimanga no ilatsahan’ny fatin’ireny, dia hopotehinareo ilay izy ary haloto izay ao anatiny.+ 34  Haloto izay sakafo ilatsahan’ny rano avy ao amin’ilay siny, ary haloto izay zava-pisotro ao anatin’ilay siny. 35  Haloto izay zavatra ilatsahan’ny fatin’ireny, na lafaoro izany na fatana kely, ka tokony hopotehina. Maloto izany, ka haloto aminareo foana. 36  Ny loharano sy ny lavaka fanangonan-drano ilatsahan’ny fatin’ireny ihany no hadio foana, fa haloto kosa izay olona mikasika an’ilay fatim-biby. 37  Raha latsaka eo amin’ny masomboly ny fatin’ireny biby ireny, dia mbola madio ihany ilay voa. 38  Fa raha nolemana kosa ny masomboly ary nisy ampahany tamin’ny fatin’ireny biby ireny nilatsaka teo amin’ilay izy, dia maloto aminareo ilay voa. 39  “‘Raha misy maty ny biby fihinanareo, dia haloto mandra-paharivan’ny andro izay mikasika ny fatiny.+ 40  Tokony hanasa ny akanjony izay mihinana amin’ny fatin’ilay biby, ary haloto mandra-paharivan’ny andro.+ Tokony hanasa ny akanjony koa izay mitondra ny fatin’ilay biby, ary haloto mandra-paharivan’ny andro. 41  Zava-maharikoriko ny biby rehetra mifanaretsaka ambonin’ny tany,+ ka tsy azo hanina. 42  Tsy azonareo hanina izay biby mikisaka amin’ny kibony, sy izay mandeha tongotra efatra, na izay biby mifanaretsaka ambonin’ny tany manana tongotra be dia be, satria zava-maharikoriko ireny.+ 43  Aza avela hahatonga anareo haharikoriko eo anatrehako ireny biby mifanaretsaka ireny. Ary aza mandoto tena amin’ireny, ka ho lasa maloto.+ 44  Fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo.+ Hamasino ny tenanareo ary aoka ho masina ianareo,+ satria masina aho.+ Koa aza mandoto tena amin’ny biby mifanaretsaka, izay mandehandeha eny ambonin’ny tany. 45  Fa izaho no Jehovah, izay nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta mba hasehoko aminareo fa Andriamanitra aho.+ Tsy maintsy masina àry ianareo,+ satria masina aho.+ 46  “‘Izany no lalàna momba ny biby an-tanety, ny biby manidina, ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika any anaty rano, ary ny biby rehetra mifanaretsaka eny ambonin’ny tany, 47  mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny zavamananaina azo hanina sy tsy azo hanina.’”+

Fanamarihana

Na: “biby an-tanety.”
Izany hoe mamerina mitsako ny sakafo efa nateliny.
Biby toy ny liona, saka, alika.