Levitikosy 13:1-59

  • Fitsipika momba ny habokana (1-46)

  • Habokana eo amin’ny akanjo (47-59)

13  Niteny tamin’i Mosesy sy Arona koa i Jehovah hoe:  “Raha misy mivonto na misy tako-pery na misy tasy ny hoditry* ny olona iray, ka mety ho lasa habokana*+ eo amin’ny hodiny izany, dia tsy maintsy entina any amin’i Arona mpisorona izy, na any amin’ny iray amin’ireo mpisorona zanakalahin’i Arona.+  Hozahan’ny mpisorona ilay aretin-koditra. Raha lasa fotsy ny volo eo amin’ilay izy, sady hoatran’ny hoe mandoaka no fahitany an’ilay izy, dia habokana izany. Hozahan’ny mpisorona izany, ka hambarany hoe maloto ilay olona.  Fa raha fotsy kosa ny tasy eo amin’ny hoditr’ilay olona, ary hoatran’ny hoe tsy mandoaka no fahitany an’ilay izy sady tsy lasa fotsy ny volo eo aminy, dia hatokany toerana fito andro ilay marary.+  Hozahan’ny mpisorona izy amin’ny andro fahafito. Hojereny ny hoditr’ilay olona, ka raha hitany fa tsy mihombo ilay aretina sady tsy mitatra, dia hatokany toerana fito andro indray izy.  “Hizaha azy indray ny mpisorona amin’ny andro fahafito. Hojereny ny hoditr’ilay olona, ka raha mihavasoka ilay faritra voa ary tsy mitatra ilay izy, dia hambarany hoe madio ilay olona.+ Aretin-koditra manako-pery fotsiny ilay izy. Hanasa ny akanjony ilay olona avy eo, ka hadio.  Fa raha tena mitatra eo amin’ny hoditra kosa ilay manako-pery,* taorian’ny nisehoan’ilay olona teo anatrehan’ny mpisorona mba hanekena azy ho madio, dia hiseho eo anatrehan’ilay mpisorona indray* izy.  Hozahan’ny mpisorona ilay aretin-koditra manako-pery, ka raha hitany hoe mitatra, dia hambarany hoe maloto ilay olona. Habokana izany.+  “Raha misy habokana ny olona iray, dia tsy maintsy entina any amin’ny mpisorona izy, 10  ka hozahan’ny mpisorona.+ Raha misy fotsifotsy mivonto eo amin’ny hodiny sady lasa fotsy ny volo eo amin’ilay izy, ary misy fery+ eo amin’ilay mivonto, 11  dia habokana efa ela teo amin’ny hodiny izany. Hambaran’ny mpisorona hoe maloto àry ilay olona. Tsy hatokany toerana izy,+ satria efa maloto. 12  Raha mipoipoitra eny amin’ny hoditra manontolo ilay habokana, ka hitan’ny mpisorona hoe rakotry ny habokana ilay olona, na aiza na aiza jereny, hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany, 13  ary zahan’ny mpisorona ilay marary ka hitany fa rakotry ny habokana ny hodiny, dia hambarany hoe madio* izy. Efa lasa fotsy daholo ilay izy, ka madio ilay marary. 14  Fa haloto kosa izy raha lasa misy fery eo amin’ilay faritra voa. 15  Rehefa hitan’ny mpisorona ilay fery, dia hambarany hoe maloto ilay olona.+ Maloto ilay fery. Habokana izany.+ 16  Fa raha lasa fotsy indray ilay fery, dia hankany amin’ny mpisorona ilay olona. 17  Hozahan’ny mpisorona izy,+ ka raha lasa fotsy ilay faritra voa, dia hambarany hoe madio ilay marary. Madio izy. 18  “Raha misy vay eo amin’ny hoditry ny olona iray ary efa sitrana ilay izy, 19  nefa lasa misy fotsifotsy mivonto na tasy fotsy somary mena eo amin’ilay nisy vay, dia tsy maintsy miseho any amin’ny mpisorona izy. 20  Hozahan’ny mpisorona ilay aretina,+ ka raha hoatran’ny hoe mandoaka no fahitany an’ilay izy sady lasa fotsy ny volo eo aminy, dia hambarany hoe maloto ilay olona. Habokana nipoitra teo amin’ilay vay izany. 21  Fa raha zahan’ny mpisorona kosa izany, ka hitany fa tsy misy fotsy ny volo eo amin’ilay izy, ary tsy mandoaka ilay izy sady hoatran’ny hoe vasoka no fahitany an’ilay izy, dia hatokany toerana fito andro ilay marary.+ 22  Ary raha mitatra tokoa ilay tasy eo amin’ny hoditra, dia hambarany hoe maloto ilay olona. Areti-mifindra izany. 23  Fa raha mijanona eo amin’ny faritra iray ihany ilay tasy fa tsy mitatra, dia vay masaka izany. Koa hambaran’ilay mpisorona hoe madio ilay olona.+ 24  “Na raha misy olona main’ny afo ka misy fery eo amin’ilay hoditra may, ary lasa tasy fotsy somary mena na lasa tasy fotsy ilay izy, 25  dia hozahan’ny mpisorona izany. Raha lasa fotsy ny volo eo amin’ilay tasy sady hoatran’ny hoe mandoaka no fahitany an’ilay izy, dia habokana nipoitra teo amin’ilay fery izany. Hambarany hoe maloto ilay olona. Habokana izany. 26  Fa raha zahan’ny mpisorona kosa izany, ka hitany fa tsy misy fotsy ny volo eo amin’ilay tasy ary tsy mandoaka ilay izy sady vasoka, dia hatokany toerana fito andro ilay marary.+ 27  Hozahan’ny mpisorona izy amin’ny andro fahafito. Hojereny ny hoditr’ilay olona, ka raha hitany hoe mitatra tokoa ilay izy, dia hambarany hoe maloto ilay olona. Habokana izany. 28  Fa raha mijanona eo amin’ny faritra iray ihany ilay tasy eo amin’ny hoditra fa tsy mitatra sady vasoka, dia fery mivonto fotsiny izany. Hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona, satria ratra mivoaramena izany. 29  “Raha misy lehilahy na vehivavy manana aretina eo amin’ny lohany na eo amin’ny saokany, 30  dia hozahan’ny mpisorona ilay aretina.+ Raha hoatran’ny hoe mandoaka no fahitany an’ilay izy ary mavo ny volo eo aminy sady manify, dia hambarany hoe maloto ilay olona. Aretin’ny hodi-doha na aretina mahazo ny volombava izany. Habokana eo amin’ny loha na saoka izany. 31  Raha hitan’ny mpisorona anefa fa hoatran’ny hoe tsy mandoaka ilay aretina, ary tsy misy mainty ny volo eo amin’ilay izy, dia hatokany toerana fito andro ilay marary.+ 32  Hozahan’ny mpisorona ilay aretina, amin’ny andro fahafito. Raha tsy mitatra ilay faritra misy aretina, ary tsy misy volo mavo maniry eo aminy sady hoatran’ny hoe tsy mandoaka no fahitany an’ilay izy, 33  dia hiharatra ilay marary. Tsy hoharatany kosa ilay faritra misy aretina. Hanokan-toerana azy fito andro ny mpisorona avy eo. 34  “Hozahan’ny mpisorona indray ilay faritra misy aretina, amin’ny andro fahafito. Raha tsy mitatra eo amin’ny hoditra ilay aretina eo amin’ny hodi-doha sy volombava, sady hoatran’ny hoe tsy mandoaka no fahitany an’ilay izy, dia hambarany hoe madio ilay olona. Hanasa ny akanjony ilay olona avy eo, ka hadio. 35  Fa raha mitatra tokoa ilay aretina eo amin’ny hoditra, taorian’ny nidiovan’ilay olona, 36  dia hozahan’ny mpisorona izy. Raha mitatra eo amin’ny hoditra ilay aretina, dia tsy ilainy intsony ny mitady volo mavo. Efa maloto ilay olona. 37  Raha hitany kosa fa tsy nitatra ilay aretina sady misy volo mainty maniry eo amin’ilay izy, dia sitrana ilay aretina. Madio ilay olona, ary hambaran’ny mpisorona hoe madio izy.+ 38  “Raha misy lehilahy na vehivavy ahitana tasy fotsy maromaro ny hodiny,* 39  dia hozahan’ny mpisorona ireo tasy.+ Raha fotsy vasobasoka ny tasy eo amin’ny hodiny, dia aretin-koditra nipoitra teo amin’ny hoditra izany ary tsy misy atahorana. Madio ilay olona. 40  “Raha misy lehilahy mihintsam-bolo ka lasa sola, dia madio izy. 41  Raha mihintsana ny volony eo anoloana ka lasa sola, dia madio izy. 42  Fa raha misy fery fotsy somary mena kosa eo amin’ilay faritra sola amin’ny hodi-dohany na eo amin’ny handriny, dia habokana mipoitra eo amin’ny hodi-dohany na eo amin’ny handriny izany. 43  Hozahan’ny mpisorona ilay olona, ka raha fotsy somary mena ilay mivonto eo amin’ilay fery, eo amin’ilay faritra sola eo an-tampon-dohany na eo amin’ny handriny, ary toy ny habokana no fahitana azy eo amin’ny hodiny, 44  dia boka ilay olona. Maloto izy, ary hambaran’ny mpisorona hoe maloto izy satria misy an’ilay aretina eo amin’ny lohany. 45  Tokony horovitina ny akanjon’ilay olona boka, ary havela hisavoritaka ny volony. Hosaronany ny volombava eo ambonin’ny molony, ka hiantsoantso izy hoe: ‘Maloto e! Maloto e!’ 46  Haloto izy mandritra ny fotoana aharariany. Maloto izy ka tokony hitoka-monina. Any ivelan’ny toby izy no hipetraka.+ 47  “Raha misy habokana eo amin’ny akanjo, na akanjo volonondry izany na akanjo rongony, 48  na eo amin’ny kofehy natao tenany* na natao fahany* tamin’ilay lamba rongony na lamba volonondry, na eo amin’ny hoditra na zavatra vita amin’ny hoditra, 49  ka misy mifaritra maitso somary mavo na somary mena eo amin’ilay akanjo, na ilay hoditra, na ilay tenany, na ilay fahany, na izay zavatra vita amin’ny hoditra, dia habokana izany ka tokony haseho amin’ny mpisorona. 50  Hozahan’ny mpisorona ilay aretina, ka hatokany toerana fito andro ireo zavatra misy an’ilay aretina.+ 51  Rehefa mizaha an’ilay aretina izy amin’ny andro fahafito, ka hitany fa mitatra ilay aretina eo amin’ilay akanjo, na eo amin’ilay kofehy natao tenany na natao fahany, na eo amin’ilay hoditra—na inona na inona ampiasana an’ilay hoditra—dia habokana mampidi-doza izany, ka maloto.+ 52  Hodorany ilay akanjo, na ilay kofehy natao tenany na natao fahany tamin’ny lamba volonondry na lamba rongony, na izay zavatra vita amin’ny hoditra ka misy an’ilay aretina, satria habokana mampidi-doza izany. Hodorana amin’ny afo ilay izy. 53  “Fa raha zahan’ny mpisorona kosa izany, ka hitany fa tsy mitatra ilay aretina eo amin’ilay akanjo, na eo amin’ilay kofehy natao tenany na natao fahany, na eo amin’izay zavatra vita amin’ny hoditra, 54  dia hasainy hosasana ny zavatra misy an’ilay aretina, ary hatokany toerana fito andro indray ilay izy. 55  Hozahan’ny mpisorona avy eo ilay zavatra misy an’ilay aretina rehefa avy nosasana tsara. Raha tsy niova ny fahitany an’ilay aretina na dia tsy nitatra aza ilay izy, dia maloto ilay zavatra. Tokony hodoranao amin’ny afo izany, fa efa lanin’ny aretina ny lafy ratsiny na ny lafy tsarany. 56  “Fa raha zahan’ny mpisorona kosa ilay faritra voa, ka hitany fa vasoka rehefa avy nosasana tsara, dia ilay faritra voa amin’ilay akanjo na amin’ilay hoditra na amin’ilay kofehy natao tenany na natao fahany ihany no hesoriny. 57  Raha toa anefa ilay aretina ka mbola miseho any amin’ny faritra hafa amin’ilay akanjo, na amin’ilay kofehy natao tenany na natao fahany, na amin’izay zavatra vita amin’ny hoditra, dia midika izany fa mirongatra ilay izy. Tokony hodoranao amin’ny afo izay zavatra misy an’ilay aretina.+ 58  Fa raha afaka kosa ilay aretina rehefa avy nosasana ilay akanjo, na ilay kofehy natao tenany na natao fahany, na izay zavatra vita amin’ny hoditra, dia tokony hosasana fanindroany ilay izy ka hadio. 59  “Izany no lalàna momba ny habokana eo amin’ny akanjo volonondry na akanjo rongony, na eo amin’ny kofehy natao tenany na natao fahany, na eo amin’izay zavatra vita amin’ny hoditra, mba hanambarana azy hoe madio na maloto.”

Fanamarihana

Tsy voatery ho habokana fotsiny no tiana holazaina amin’ny teny hebreo nadika hoe “habokana”, fa mety ho aretin-koditra mifindra hafa koa, ary mety ho voan’ilay izy ny akanjo sy ny trano.
Abt: “ao amin’ny hoditry ny nofony.”
Na: “aretin-koditra.”
Na: “fanindroany.”
Na: “tsy mamindra.”
Abt: “ao amin’ny hoditry ny nofony.”
Jereo F.T.
Jereo F.T.