Levitikosy 14:1-57

  • Fidiovana amin’ny habokana (1-32)

  • Fanadiovana trano tratran’ny habokana (33-57)

14  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Izao no lalàna momba ny boka, amin’ny andro anekena azy ho madio, rehefa hoentina any amin’ny mpisorona izy:+  Hankany ivelan’ny toby ny mpisorona, ka hizaha azy. Raha sitrana amin’ny habokany ilay boka,  dia hasain’ny mpisorona hitondra an’ireto mba hidiovany: Vorona roa madio sady velona, rantsankazo sedera, kofehy mena midorehitra, ary hysopa.*+  Ny vorona iray dia hasain’ny mpisorona hovonoina ao anaty vilany tany misy rano avy amin’ny rano mandeha.  Fa ilay vorona velona kosa halain’ny mpisorona dia hatsobony, miaraka amin’ilay rantsankazo sedera sy kofehy mena midorehitra ary hysopa, ao anatin’ny ran’ilay vorona novonoina teo ambony rano avy amin’ny rano mandeha.  Ary hofafazany amin’ilay ra impito ilay olona manadio ny tenany ho afaka amin’ny habokany. Dia hambarany hoe madio izy. Avy eo, dia halefany hanidina any an-tsaha ilay vorona velona.+  “Hanasa ny akanjony ilay olona midio, ary hoharatany daholo ny volo amin’ny tenany. Dia handro amin’ny rano izy, ka hadio. Afaka miditra ao an-toby izy avy eo, nefa mbola hijanona fito andro eo ivelan’ny tranolainy.  Hoharatany daholo ny volo eo amin’ny lohany sy ny saokany ary ny volomaso eo ambony masony, amin’ny andro fahafito. Rehefa avy noharatany daholo ny volo amin’ny tenany, dia hanasa ny akanjony izy sady handro amin’ny rano, ka hadio. 10  “Amin’ny andro fahavalo dia haka ondrilahy kely roa tsy misy kilema izy, ondrivavy kely iray tsy misy kilema+ sady tsy mihoatra ny herintaona, lafarinina tsara toto telo ampahafolon’ny efaha* nafangaro menaka ho fanatitra varimbazaha,+ ary menaka iray loga.*+ 11  Ary hitondra an’ilay olona midio sy ireo fanatitra ireo eo anatrehan’i Jehovah, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, ilay mpisorona manambara an’ilay olona ho madio. 12  Halain’ny mpisorona ny ondrilahy kely iray, ka hatolony ho fanatitra noho ny heloka,+ miaraka amin’ilay menaka iray loga. Ary hahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan’i Jehovah izany.+ 13  Dia hovonoiny ao amin’izay toerana masina, eo amin’ny toerana famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana, ilay ondrilahy kely.+ An’ny mpisorona mantsy ny fanatitra noho ny heloka,+ toy ny fanatitra noho ny ota ihany. Zavatra masina indrindra izany.+ 14  “Hakan’ny mpisorona avy eo ny ran’ilay fanatitra noho ny heloka, ka hataony eo amin’ny ravintsofina ankavanan’ilay olona midio, sy eo amin’ny ankiben-tanany ankavanana, ary ny ankiben-tongony ankavanana. 15  Dia hakan’ny mpisorona koa ilay menaka iray loga,+ ka hararany eo amin’ny felatanany ankavia. 16  Ary hatsobony ao anatin’ilay menaka eo amin’ny felatanany ankavia ny iray amin’ny rantsantanany ankavanana, ka hafafiny impito eo anatrehan’i Jehovah amin’iny rantsantanany iny ny menaka sasany. 17  Dia hakan’ilay mpisorona ny ambin’ilay menaka eo amin’ny felatanany, ka hataony eo amin’ny ravintsofina ankavanan’ilay olona midio, sy eo amin’ny ankiben-tanany ankavanana, ary ny ankiben-tongony ankavanana, eo amin’ilay nasiana ny ran’ny fanatitra noho ny heloka. 18  Ary hataon’ny mpisorona eo amin’ny lohan’ilay olona midio ny ambin’ilay menaka eo amin’ny felatanany. Ary handrakotra ny fahotan’ilay olona eo anatrehan’i Jehovah izy.+ 19  “Hanolotra ny fanatitra noho ny ota ny mpisorona,+ ka handrakotra ny fahotan’ilay olona izay midio ho afaka amin’ny fahalotoany. Dia hovonoiny ny fanatitra dorana avy eo. 20  Ary hatolony eo ambony alitara ny fanatitra dorana sy ny fanatitra varimbazaha.+ Dia handrakotra ny fahotan’ilay olona izy,+ ka hadio ilay olona.+ 21  “Fa raha mahantra kosa ilay olona ka tsy mahatakatra an’izany, dia haka ondrilahy kely iray ho fanatitra noho ny heloka izy hatao fanatitra ahetsiketsika, mba handrakofana ny fahotany. Dia haka lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha* nafangaro menaka izy, ho fanatitra varimbazaha. Haka menaka iray loga, 22  sy domohina roa na zana-boromailala roa koa izy, araka izay takatry ny volany. Ny vorona iray ho fanatitra noho ny ota, ary ny iray ho fanatitra dorana.+ 23  Hoentiny any amin’ny mpisorona eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, eo anatrehan’i Jehovah, ireo amin’ny andro fahavalo,+ mba hanekena azy ho madio.+ 24  “Halain’ny mpisorona ilay ondrilahy kely atao fanatitra noho ny heloka+ sy ny menaka iray loga, ka hahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan’i Jehovah.+ 25  Hovonoiny avy eo ilay ondrilahy kely atao fanatitra noho ny heloka. Dia hakany ny ran’ilay fanatitra noho ny heloka, ka hataony eo amin’ny ravintsofina ankavanan’ilay olona midio sy eo amin’ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana.+ 26  Hakan’ny mpisorona koa ny menaka ka hararany eo amin’ny felatanany ankavia.+ 27  Dia hafafiny impito eo anatrehan’i Jehovah, amin’ny iray amin’ny rantsantanany ankavanana, ny menaka sasany eo amin’ny felatanany ankavia. 28  Hakany koa ilay menaka eo amin’ny felatanany, ka hataony eo amin’ny ravintsofina ankavanan’ilay olona midio, sy eo amin’ny ankiben-tanany ankavanana sy ny ankiben-tongony ankavanana, eo amin’ilay nasiana ny ran’ny fanatitra noho ny heloka. 29  Ary hataony eo amin’ny lohan’ilay olona midio ny menaka sisa eo amin’ny felatanany, mba handrakofany ny fahotan’ilay olona eo anatrehan’i Jehovah. 30  “Hatolony ny iray amin’ny domohina na ny iray amin’ny zana-boromailala, araka izay takatry ny volany,+ 31  mba ho fanatitra noho ny ota, ary ny iray kosa ho fanatitra dorana+ ampiarahina amin’ny fanatitra varimbazaha. Ireo mantsy no takatry ny volany. Dia handrakotra ny fahotan’ilay olona midio eo anatrehan’i Jehovah ny mpisorona.+ 32  “Izany no lalàna momba ny boka sitrana, nefa tsy mahavidy an’izay zavatra ilaina mba hanekena azy ho madio.” 33  Dia niteny tamin’i Mosesy sy Arona i Jehovah hoe: 34  “Rehefa tafiditra ao amin’ny tany Kanana+ izay homeko ho fanananareo ianareo,+ ka misy trano asiako habokana ao amin’ilay taninareo,+ 35  dia hankany amin’ny mpisorona ny tompon’izany trano izany, ka hanao aminy hoe: ‘Hoatran’ny misy aretina ny tranoko.’ 36  Ary hasain’ny mpisorona hesorina ny zava-drehetra ao amin’ilay trano, alohan’ny hahatongavany hizaha an’ilay aretina, sao hambarany ho maloto daholo ireny. Ho avy hizaha an’ilay trano izy avy eo. 37  Ary hozahany ilay faritra misy an’ilay aretina, ka raha misy lempona maitso somary mavo na lempona somary mena eo amin’ny rindrina, sady hoatran’ny hoe mandoaka rindrina no fahitana an’ireo lempona, 38  dia hivoaka hankeo amin’ny fidirana amin’ilay trano izy. Ary hakatony tanteraka mandritra ny fito andro ilay trano.+ 39  “Dia hiverina izy amin’ny andro fahafito, ka hizaha an’ilay aretina. Raha vao mainka mitatra ilay aretina eo amin’ny rindrin’ilay trano, 40  dia hasainy hesorina ny vato misy an’ilay aretina ary hariana any ivelan’ny tanàna, any amin’ny toerana maloto. 41  Hasainy hokikisana tsara avy eo ny aty trano rehetra, ary tokony hariana any ivelan’ny tanàna, any amin’ny toerana maloto, ny lalotra sy ny rihitra nesorina. 42  Vato hafa no halaina ka hatsofoka ho solon’ireo nesorina. Ary tokony ho rihitra hafa no hampiasaina, dia holalorina ilay trano. 43  “Raha miverina anefa ilay aretina ka mirongatra ao amin’ilay trano, rehefa avy nesorina ny vato ary nokikisana ny lalotra ka nolalorina indray ilay trano, 44  dia hiditra ao ny mpisorona mba hizaha an’ilay trano. Raha mitatra ilay aretina ao amin’ilay trano, dia habokana mampidi-doza izany.+ Maloto ilay trano. 45  Dia hasainy horavana ilay trano. Ary hasainy hoentina any ivelan’ny tanàna, any amin’ny toerana maloto, ny vato sy ny hazo ary ny lalotra sy ny rihitra rehetra aminy.+ 46  Izay miditra ao amin’ilay trano mandritra ny fotoana ikatonany tanteraka,+ dia haloto mandra-paharivan’ny andro.+ 47  Ary hanasa ny akanjony izay olona matory ao amin’ilay trano, ary hanasa ny akanjony koa izay misakafo ao. 48  “Fa raha tonga kosa ny mpisorona ary hitany fa tsy mitatra ilay aretina ao amin’ilay trano avy nolalorina, dia hambarany hoe madio ilay trano, satria efa afaka ilay aretina. 49  Dia haka vorona roa sy rantsankazo sedera sy kofehy mena midorehitra ary hysopa izy, mba hanadiovana an’ilay trano ho afaka amin’ny fahalotoana.*+ 50  Tokony hovonoiny ao anaty vilany tany misy rano avy amin’ny rano mandeha, ny vorona iray. 51  Dia halainy ny rantsankazo sedera, ny hysopa, ny kofehy mena midorehitra, ary ilay vorona velona, ka hatsobony ao anatin’ny ran’ilay vorona novonoina sy ao amin’ilay rano avy amin’ny rano mandeha. Ary hafafiny impito manandrify an’ilay trano izany.+ 52  Ary hodioviny ho afaka amin’ny fahalotoana* ilay trano, ka ireto no hanadiovany azy: Ny ran’ilay vorona, ilay rano avy amin’ny rano mandeha, ilay vorona velona, ilay rantsankazo sedera, ilay hysopa, ary ilay kofehy mena midorehitra. 53  Dia halefan’ny mpisorona any an-tsaha, any ivelan’ny tanàna, ilay vorona velona. Ary handrakotra ny fahotan’ilay trano izy, ka hadio izany. 54  “Izany no lalàna momba ny habokana, ny aretin’ny hodi-doha na aretina mahazo ny volombava,+ 55  ny habokana eo amin’ny akanjo+ na amin’ny trano,+ 56  ny mivonto eo amin’ny hoditra, ny aretin-koditra manako-pery, ary ny tasy.+ 57  Nomena izany lalàna izany mba hampahafantarana hoe rahoviana ny zavatra iray no maloto ary rahoviana izany no madio.+ Izany no lalàna momba ny habokana.”+

Fanamarihana

Jereo F.T.
Telo ampahafolon’ny efaha = 6,6 litatra. Jereo F.F. B14.
1 loga = 0,31 litatra. Jereo F.F. B14.
Ampahafolon’ny efaha = 2,2 litatra. Jereo F.F. B14.
Abt: “ota.”
Abt: “ota.”