Levitikosy 16:1-34

  • Andro Fandrakofam-pahotana (1-34)

16  Niteny tamin’i Mosesy i Jehovah taorian’ny nahafatesan’ny zanak’i Arona roa lahy, izay maty satria nanatona an’i Jehovah.+  Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Ilazao i Arona rahalahinao mba tsy hidikiditra fahatany ao amin’ny toerana masina,+ izany hoe ao ambadiky ny ridao,+ eo anoloan’ny saron’ny Vata, sao ho faty izy.+ Hiseho ao anaty rahona+ eo ambonin’ilay sarony+ mantsy aho.  “Ireto avy no hoentin’i Arona rehefa miditra ao amin’ny toerana masina izy: Vantotr’ombilahy iray ho fanatitra noho ny ota,+ sy ondrilahy iray ho fanatitra dorana.+  Tokony hanaovany ny akanjo lava masina vita amin’ny lamba rongony.+ Ary tokony hanarona ny vatany* ny kilaoty lava* vita amin’ny lamba rongony.+ Tokony hanaovany koa ny fehikibo lamba rongony,+ ary hataony mihodidina ny lohany ny satroka lamba rongony.+ Akanjo masina ireo,+ ka handro amin’ny rano izy+ vao hanao an’ireo.  “Izao no halainy avy amin’ny vahoakan’Israely:+ Osilahy kely roa ho fanatitra noho ny ota, sy ondrilahy iray ho fanatitra dorana.  “Dia hatolotr’i Arona ilay omby hatao fanatitra noho ny ota ho an’ny tenany. Ary handrakotra ny fahotan’ny tenany+ sy ny an’ny ankohonany* izy.  “Dia halainy ny osilahy roa ka hataony eo anatrehan’i Jehovah, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.  Hataon’i Arona antsapaka ireo osilahy roa, ka ny iray ho an’i Jehovah ary ny iray ho an’i Azazela.*  Hoentin’i Arona izay osilahy azo tamin’ny antsapaka+ hoe ho an’i Jehovah, ary hatolony ho fanatitra noho ny ota. 10  Ilay osilahy azo tamin’ny antsapaka hoe ho an’i Azazela kosa hoentina velona eo anatrehan’i Jehovah, mba hanaovana fandrakofam-pahotana, ka ho azo alefa any an-tany efitra ho an’i Azazela.+ 11  “Hampanatonin’i Arona ilay omby atao fanatitra noho ny ota ho an’ny tenany. Ary handrakotra ny fahotan’ny tenany sy ny an’ny ankohonany izy. Hovonoiny avy eo ilay omby atao fanatitra noho ny ota ho an’ny tenany.+ 12  “Dia halain’i Arona ny fitondrana afo,+ izay efa feno vainafo avy eo amin’ilay alitara+ eo anatrehan’i Jehovah. Haka emboka manitra voatoto tsara eran’ny tanan-droa+ koa izy, ary hoentiny ao ambadiky ny ridao ireo.+ 13  Ary hataony eo amin’ny vainafo eo anatrehan’i Jehovah ny emboka manitra.+ Dia ho rakotry ny setroky ny emboka manitra ny saron’ilay Vata,+ izany hoe ny sarony eo ambonin’ny Tenin’ny Vavolombelona,+ mba tsy ho faty izy. 14  “Hakan’i Arona ny ran’ilay omby+ ka hafafiny amin’ny rantsantanany iray eo anoloan’ny saron’ny Vata, eo amin’ny lafiny atsinanana. Ary ny ra sasany hafafiny impito eo anoloan’ilay sarony, amin’ny rantsantanany iray.+ 15  “Hovonoin’i Arona avy eo ilay osilahy hatao fanatitra noho ny ota ho an’ny vahoaka.+ Ary hoentiny ao ambadiky ny ridao ny ran’ilay osilahy,+ ka hataony toy ny nataony tamin’ny ran’ilay omby.+ Hafafiny tandrifin’ilay sarony sy eo anoloan’ilay sarony izany. 16  “Handrakotra ny fahotan’ny toerana masina izy, noho ny fahalotoana vokatry ny nataon’ny Israelita, sy noho ny fandikan-dalàna sy ny fahotan’izy ireo.+ Izany koa no tokony hataony ho an’ny tranolay fihaonana, izay eo amin’ireo Israelita nanao zavatra nandoto ny tenany. 17  “Tsy tokony hisy olon-kafa ao amin’ny tranolay fihaonana, manomboka amin’ny fotoana idirany ao mba hanao fandrakofam-pahotana ao amin’ny toerana masina ka mandra-pivoakany avy ao. Ary handrakotra ny fahotan’ny tenany, sy ny an’ny ankohonany,+ ary ny an’ny fiangonan’Israely manontolo izy.+ 18  “Dia hivoaka avy ao izy ka hankeo amin’ilay alitara+ eo anatrehan’i Jehovah, ary handrakotra ny fahotan’izy io. Hakany ny ran’ilay omby sy ny ran’ilay osilahy, ka hahosony eo amin’ireo tandroky ny alitara eo amin’ny zorony efatra. 19  Ary hafafiny impito eo ambony alitara, amin’ny rantsantanany iray, ny ra sasany. Dia hodioviny sy hohamasininy ilay alitara mba ho afaka amin’ny fahalotoana vokatry ny nataon’ny Israelita. 20  “Hanolotra an’ilay osilahy velona+ koa izy rehefa avy mandrakotra ny fahotan’ny+ toerana masina sy ny tranolay fihaonana ary ny alitara.+ 21  Hametraka ny tanany roa eo amin’ny lohan’ilay osilahy velona i Arona, sady hiaiky ny fahadisoana rehetra sy ny fandikan-dalàna rehetra ary ny fahotana rehetra nataon’ny Israelita. Dia hataony eo amin’ny lohan’ilay osilahy izany rehetra izany.+ Ary halefany any an-tany efitra ilay osilahy, ka lehilahy iray efa voatendry* no hitarika azy io. 22  Ary hoentin’ilay osilahy ho any amin’ny tany karakaina+ ny fahadisoana rehetra+ nataon’ny Israelita. Dia halefa any an-tany efitra+ ilay osilahy. 23  “Hiditra ao amin’ny tranolay fihaonana i Arona avy eo. Hesoriny ireo akanjo vita amin’ny lamba rongony nanaovany tamin’izy niditra tao amin’ny toerana masina, ary hapetrany ao. 24  Handro amin’ny rano+ ao amin’izay toerana masina* izy, ary hanao ny akanjony.+ Dia hivoaka avy ao izy ka hanolotra fanatitra dorana+ ho an’ny tenany sy ho an’ny vahoaka,+ mba handrakofana ny fahotan’ny tenany sy ny an’ny vahoaka.+ 25  Hodorany mba hidona-tsetroka eo ambony alitara ny tavin’ny fanatitra noho ny ota. 26  “Hanasa ny akanjony ilay lehilahy nandefa an’ilay osilahy ho an’i Azazela,+ ary handro amin’ny rano. Afaka miditra ao amin’ny toby izy aorian’izay. 27  “Ary hoentina any ivelan’ny toby ilay omby sy ilay osilahy izay samy natao fanatitra noho ny ota, rehefa avy nentina tao amin’ny toerana masina ny ran’izy ireo mba handrakofam-pahotana. Ary hodorana amin’ny afo ny hodiny sy ny henany ary ny tainy.+ 28  Hanasa ny akanjony ilay mandoro an’izany, ary handro amin’ny rano. Afaka miditra ao amin’ny toby izy aorian’izay. 29  “Izao fitsipika izao foana no tokony harahinareo: Hampijaly tena* ianareo amin’ny andro fahafolon’ny volana fahafito, ary tsy hanao asa na inona na inona,+ na ny teratany na ny vahiny monina eo aminareo. 30  Amin’io andro io no handrakofana ny fahotanareo+ mba hanambarana anareo ho madio. Dia hadio ho afaka amin’ny fahotanareo rehetra ianareo, eo anatrehan’i Jehovah.+ 31  Sabata fitsaharana tanteraka izany ho anareo, ary hampijaly tena* ianareo.+ Fitsipika tokony harahina foana izany. 32  “Ny mpisorona, izay voahosotra+ sy voatendry* ho mpisorona+ hisolo an-drainy,+ no hanao fandrakofam-pahotana. Ary hanaovany ireo akanjo vita amin’ny lamba rongony,+ dia ireo akanjo masina.+ 33  Handrakotra ny fahotan’ny toerana masina+ sy ny tranolay fihaonana+ ary ny alitara izy.+ Ary handrakotra ny fahotan’ny mpisorona sy ny an’izay rehetra anisan’ny fiangonana izy.+ 34  Fitsipika tokony harahinareo foana izany,+ mba handrakofana indray mandeha isan-taona+ ny fahotana rehetra nataon’ny Israelita.” Dia nataon’i Arona izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Fanamarihana

Na: “fitanjahany.”
Na: “sôrta.”
Na: “fokony.”
Mety hidika hoe “Osy Manjavona.”
Na: “vonona.”
Mety hoe teo an-tokotanin’ny tranolay masina.
Midika hoe mampihafy tena amin’ny zavatra maro samihafa, ohatra hoe mifady hanina.
Midika hoe mampihafy tena amin’ny zavatra maro samihafa, ohatra hoe mifady hanina.
Abt: “nofenoina ny tanany.”