Levitikosy 17:1-16

  • Tranolay masina, toerana fanaovana sorona (1-9)

  • Tsy azo atao ny mihinana ra (10-14)

  • Fitsipika momba ny biby maty ho azy (15, 16)

17  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Mitenena amin’i Arona sy ny zanany lahy ary ny Israelita rehetra hoe: ‘Izao no didy nomen’i Jehovah:  “‘“Raha misy amin’ny taranak’Israely mamono omby, na ondrilahy kely, na osy, ao amin’ny toby na any ivelan’ny toby,  fa tsy mitondra an’izany eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana mba hatolotra ho fanatitra ho an’i Jehovah, eo anoloan’ny tranolain’i Jehovah, dia meloka ho nandatsa-dra izy. Nandatsa-dra ilay olona, ka haringana tsy ho anisan’ny fireneny.  Amin’izay mantsy dia tsy ho eny an-tsaha intsony no hitondran’ny Israelita ny biby atao sorona, fa hoentiny any amin’i Jehovah, any amin’ny mpisorona, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana. Hataony sorona iombonana ho an’i Jehovah izany.+  Dia hafafin’ny mpisorona eo ambony alitaran’i Jehovah, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ny ran’ilay izy. Ary hodorany ny tavin-kena mba hidona-tsetroka, ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah.+  Amin’izay izy ireo dia tsy hanao sorona intsony ho an’ireo demonia miendrika osy,*+ izay notompoiny.*+ Fitsipika tokony harahinareo foana izany, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby.”’  “Izao no holazainao amin’izy ireo: ‘Raha misy amin’ny taranak’Israely na ny hafa firenena monina eo aminareo, manolotra fanatitra dorana na sorona,  nefa tsy mitondra an’izany eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana mba hatolotra ho an’i Jehovah, dia haringana tsy ho anisan’ny fireneny izany olona izany.+ 10  “‘Raha misy amin’ny taranak’Israely na ny hafa firenena monina eo aminareo, mihinana ra, na ran’inona izany na ran’inona,+ dia hanohitra an’ilay olona nihinan-dra aho, ka haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy. 11  Fa ao amin’ny ra ny ain’ny nofo.+ Ary nasaiko natao teo amin’ny alitara ny ra+ mba handrakofana ny fahotanareo. Ny ra mantsy no mandrakotra fahotana+ satria ao aminy ny aina. 12  Izany no antony nilazako tamin’ny Israelita hoe: “Tsy tokony hisy hihinan-dra ianareo, ary tsy tokony hisy hihinan-dra+ koa ny hafa firenena monina eo aminareo.”+ 13  “‘Raha misy amin’ny Israelita na ny hafa firenena monina eo aminareo mihaza ka mahazo bibidia na vorona azo hanina, dia hararany amin’ny tany ny rany,+ ka hototofany vovoka. 14  Ny ain’ny karaza-nofo rehetra mantsy dia ny rany, satria ao amin’ny ra ny aina. Koa nilaza tamin’ny Israelita aho hoe: “Aza mihinana ny ran’ny nofo, na nofon’inona izany na nofon’inona, satria ny rany no ain’ny karaza-nofo rehetra, ka haringana izay mihinan-dra.”+ 15  Raha misy olona mihinana biby maty ho azy na noviravirain’ny bibidia,+ na teratany izy na vahiny, dia hanasa ny akanjony izy ary handro amin’ny rano. Haloto mandra-paharivan’ny andro izy,+ ary hadio avy eo. 16  Fa raha tsy manasa ny akanjony izy sady tsy mandro, dia hizaka ny vokatry ny fahadisoany.’”+

Fanamarihana

Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”
Abt: “an’ireo osy.”
Na: “nivarotany tena.”