Levitikosy 2:1-16

  • Fanatitra varimbazaha (1-16)

2  “‘Raha misy olona manolotra fanatitra varimbazaha+ ho an’i Jehovah, dia tokony ho lafarinina tsara toto izany, ary horarahany menaka sy hasiany ditin-kazo manitra eo amboniny.+  Dia hoentiny any amin’ireo mpisorona zanakalahin’i Arona izany. Ary hakan’ny mpisorona eran’ny tanan’ila ilay lafarinina tsara toto misy menaka sy ny ditin-kazo manitra rehetra. Ary hodorany eo ambony alitara izany mba hidona-tsetroka, ho santionany amin’ilay fanatitra.*+ Fanatitra atao anaty afo izany, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah.  Dia ho an’i Arona sy ny zanany lahy ny ambin’ilay fanatitra varimbazaha,+ ho zavatra masina indrindra+ avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.  “‘Raha fanatitra varimbazaha nandrahoina tao anaty lafaoro no aterinao, dia tokony hatao amin’ny lafarinina tsara toto izany. Mofo boribory* tsy misy lalivay* sady nafangaro menaka no hatolotrao, na mofo fisaka tsy misy lalivay sady nohosorana menaka.+  “‘Raha fanatitra varimbazaha nandrahoina tao anaty lasitra no aterinao,+ dia tokony hatao amin’ny lafarinina tsara toto tsy misy lalivay sady nafangaro menaka.  Hotapatapahina izany ary horarahanao menaka.+ Fanatitra varimbazaha izany.  “‘Raha fanatitra varimbazaha nendasina tao anaty lapoaly no aterinao, dia tokony hatao amin’ny lafarinina tsara toto nasiana menaka.  Hoentinao any amin’i Jehovah ny fanatitra varimbazaha natao tamin’ireo. Dia hatolotra ny mpisorona izany, ka hoentiny eo akaikin’ny alitara.  Hakan’ny mpisorona ilay fanatitra varimbazaha, ho santionany amin’ilay fanatitra.*+ Ary hodorany eo ambony alitara izany mba hidona-tsetroka, ho fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah.+ 10  Dia ho an’i Arona sy ny zanany lahy ny ambin’ilay fanatitra, ho zavatra masina indrindra avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.+ 11  “‘Tsy tokony hasiana lalivay izay fanatitra varimbazaha hatolotrareo ho an’i Jehovah,+ satria na ny lalivay na ny tantely* dia tsy tokony hodoranareo hidona-tsetroka ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. 12  “‘Azonareo atolotra ho fanatitra voaloham-bokatra ho an’i Jehovah ireo,+ nefa tsy tokony hoentina eo amin’ny alitara mba hahazoana hanitra mahafinaritra.* 13  “‘Tokony hasiana sira daholo ny fanatitra varimbazaha haterinao. Aza avela tsy hisy siran’ny fifaneken’Andriamanitrao ilay fanatitra varimbazaha. Tokony hanolotra sira miaraka amin’ny fanatitrao rehetra ianao.+ 14  “‘Raha fanatitra varimbazaha avy amin’ny voaloham-bokatra no atolotrao ho an’i Jehovah, dia tokony ho voa vaovao* natono izany, ary nototoina nefa tsy natao vovony. Ho fanatitra varimbazaha avy amin’ny voaloham-bokatrao izany.+ 15  Horarahanao menaka ilay izy, ary hasianao ditin-kazo manitra eo amboniny. Fanatitra varimbazaha izany. 16  Hodoran’ny mpisorona mba hidona-tsetroka izany ho santionany amin’ilay fanatitra,*+ izany hoe hodorany ny ampahany amin’ny voa voatoto sy ny menaka sy ny ditin-kazo manitra rehetra. Ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izany.

Fanamarihana

Na: “ho ampahany ahatsiarovana (na misolo) an’ilay fanatitra.”
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”
Misy lavaka eo afovoany.
Na: “leviora; renikoba.”
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”
Na: “ampahany ahatsiarovana (na misolo) an’ilay fanatitra.”
Zava-mamy avy amin’ny voankazo, fa tsy avy amin’ny renitantely.
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana.”
Na: “salohy maitso.”
Na: “ampahany ahatsiarovana (na misolo) an’ilay fanatitra.”