Levitikosy 21:1-24

  • Tokony ho masina ny mpisorona sady tsy handoto ny tenany (1-9)

  • Tsy tokony handoto ny tenany ny mpisoronabe (10-15)

  • Tsy tokony hanan-takaitra ny mpisorona (16-24)

21  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Ilazao ireo mpisorona zanakalahin’i Arona hoe: ‘Tsy tokony hisy amin’izy ireo handoto ny tenany rehefa misy maty eo amin’ny fireneny.*+  Azony atao anefa izany raha havany akaiky iray ra aminy no maty, izany hoe ny reniny, ny rainy, ny zanany lahy, ny zanany vavy, na ny rahalahiny.  Azony atao koa ny mandoto ny tenany rehefa maty ny anabaviny, raha virjiny ilay anabaviny sady akaiky azy ary mbola tsy manambady.  Tsy mahazo mandoto ny tenany kosa izy na manao izay hahatonga ny tenany haloto, raha vehivavy manambady olona iray firenena aminy no maty.  Tsy tokony hosolainy ny lohany,+ na hoharatany ny sisin’ny volombavany, na hodidididiany ny vatany.+  Tokony ho masina eo anatrehan’ny Andriamaniny kosa izy,+ ary tsy hanazimbazimba ny anaran’ny Andriamaniny,+ satria izy no manolotra ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah, izany hoe ny sakafo* ho an’ny Andriamaniny. Tsy maintsy masina izy.+  Tsy tokony hanambady mpivaro-tena izy,+ na vehivavy tsy virjiny intsony na nisara-bady,+ satria masina eo anatrehan’ny Andriamaniny ny mpisorona.  Hamasino izy,+ satria izy no manolotra ny sakafo ho an’ny Andriamanitrao. Ary tokony ho masina aminao izy, satria masina izaho Jehovah izay manamasina anareo.+  “‘Ary raha mandoto ny tenany ny zanakavavin’ny mpisorona satria mivaro-tena, dia manala baraka ny rainy izy, ka hodorana.+ 10  “‘Ny mpisoronabe eo amin’ny rahalahiny dia tsy hamela ny volony hisavoritaka na handrovitra ny akanjony.+ Efa nandrarahana menaka masina fanosorana mantsy ny lohany,+ ary efa voatendry* hanao ny akanjon’ny mpisorona izy.+ 11  Tsy tokony hanakaiky olona* maty izy,+ ary tsy mahazo mandoto ny tenany na dia ny rainy sy ny reniny aza no maty. 12  Tsy hivoaka ny toerana masina izy, na hanazimbazimba ny toerana masin’ny Andriamaniny,+ satria eo aminy ilay famantarana hoe voatokana izy, dia ilay menaka fanosorana avy amin’ny Andriamaniny.+ Izaho no Jehovah. 13  “‘Vehivavy virjiny no tsy maintsy halainy ho vady.+ 14  Tsy mahazo manambady vehivavy maty vady izy, na vehivavy nisara-bady na tsy virjiny intsony na mpivaro-tena. Fa virjiny avy amin’ny fireneny ihany no tokony halainy. 15  Tsy tokony hanao izay hahatonga ny taranany haloto eo amin’ny fireneny izy,+ satria izaho no Jehovah izay manamasina azy.’” 16  Niteny tamin’i Mosesy koa i Jehovah hoe: 17  “Ilazao i Arona hoe: ‘Tsy mahazo manatona mba hanolotra sakafo ho an’ny Andriamaniny izay lehilahy manan-takaitra anisan’ny taranakao, hatramin’ny taranany fara aman-dimby. 18  Tsy misy mahazo manatona hanao an’izany ny lehilahy manan-takaitra, izany hoe jamba, malemy tongotra, misy simba ny tarehiny,* lava loatra ny tanany ilany na ny tongony ilany, 19  misy tapaka ny taolan-tongony na ny taolan-tanany, 20  vokoka, fohy kely,* misy aretina ny masony, misy aretin-koditra mivoaramena na misy mamariparitra boribory ny hodiny, na simba ny vihiny.+ 21  Tsy mahazo manatona mba hanolotra fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izay lehilahy manan-takaitra anisan’ny taranak’i Arona mpisorona. Manan-takaitra izy, ka tsy mahazo manatona mba hanolotra sakafo ho an’ny Andriamaniny. 22  Fa azony atao ihany ny mihinana ny sakafo natolotra ho an’ny Andriamaniny, izay avy amin’ny zavatra masina indrindra+ sy ny zavatra masina.+ 23  Tsy azony atao anefa ny mankeo akaikin’ny ridao+ na manatona ny alitara,+ satria manan-takaitra izy. Tsy hanazimbazimba ny toerako masina izy,+ fa izaho no Jehovah izay manamasina azy ireo.’”+ 24  Koa noresahin’i Mosesy tamin’i Arona sy ny zanany lahy ary ny Israelita rehetra izany.

Fanamarihana

Mety ho olona iray foko aminy. Jereo koa ny and. 4, 14, 15.
Na: “mofo”, izany hoe ireo sorona.
Abt: “nofenoina ny tanany.”
Hebreo: nefesh, ary miaraka amin’ny teny hebreo midika hoe “maty” io teny io eto.
Abt: “misy rimbona ny orony.”
Na mety hoe “mahia kaozatra.”