Levitikosy 22:1-33

  • Fahadiovan’ny mpisorona sy ny fihinanana zava-masina (1-16)

  • Fanatitra tsy misy kilema ihany no azo ekena (17-33)

22  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Teneno i Arona sy ny zanany lahy mba hitandrina tsara rehefa mikarakara ny* zava-masina hamasinin’ny Israelita ho ahy,+ ka tsy hanazimbazimba ny anarako masina.+ Izaho no Jehovah.  Izao lazaina aminy: ‘Izay taranakareo fara aman-dimby ka mbola maloto, nefa manakaiky ny zava-masina hamasinin’ny Israelita ho an’i Jehovah, dia haringana tsy ho eo anatrehako.+ Izaho no Jehovah.  Tsy mahazo mihinana amin’ny zava-masina izay lehilahy taranak’i Arona, mandra-pahadiony,+ raha ohatra izy ka boka,+ na misy tsiranoka mivoaka amin’ny filahiany,+ na mikasika olona voaloton’ny faty,+ na mivoaka tsirinaina,+  na mikasika biby maloto mifanaretsaka,+ na mikasika olona maloto, na inona na inona nandoto azy, ka mety hahatonga an’ilay lehilahy haloto.+  Haloto mandra-paharivan’ny andro izay olona mikasika ny iray amin’ireo, ka tsy mahazo mihinana amin’ny zava-masina raha tsy efa nandro tamin’ny rano.+  Hadio izy rehefa milentika ny masoandro. Mahazo mihinana amin’ny zava-masina izy aorian’izay, satria sakafony izany.+  Tsy tokony hihinana biby maty ho azy na noviravirain’ny bibidia koa izy, sao ho voaloton’izany.+ Izaho no Jehovah.  “‘Tsy maintsy manao an’izay takiko aminy izy ireo, sao hanota ka ho faty satria nanazimbazimba zava-masina. Izaho no Jehovah izay manamasina azy ireo. 10  “‘Tsy mahazo mihinana zava-masina ny olona tsy nahazo alalana.*+ Tsy mahazo mihinana zava-masina ny olona hafa firenena mivahiny ao amin’ny mpisorona na ny olona karamaina. 11  Fa raha misy mpisorona mividy olona amin’ny volany, dia mahazo mihinana amin’ny zava-masina ilay olona. Mahazo mihinana amin’ny sakafon’ny mpisorona koa izay mpanompo teraka tao an-tranony.+ 12  Raha manambady tsy mpisorona* ny zanakavavin’ny mpisorona, dia tsy mahazo mihinana amin’ny zava-masina natao fanomezana izy. 13  Mahazo mihinana amin’ny sakafon’ny rainy anefa izy raha lasa maty vady na nisara-bady nefa mbola tsy niteraka, ka mody any an-tranon’ny rainy toy ny tamin’izy mbola tanora.+ Tsy mahazo mihinana amin’izany kosa ny olona tsy nahazo alalana.* 14  “‘Raha misy olona nihinana tsy nahy tamin’ny zava-masina, dia tsy maintsy honerany izany sady hampiany ampahadiminy. Ary homeny ny mpisorona izany fanatitra masina izany.+ 15  Koa tsy tokony hozimbazimbain’ny mpisorona ny zava-masina omen’ny Israelita ho an’i Jehovah,+ 16  sady tsy tokony hataony izay hahatonga ny Israelita ho voasazy noho izy ireo meloka satria nihinana tamin’ny zava-masina natolony. Izaho no Jehovah izay manamasina azy ireo.’” 17  Niteny tamin’i Mosesy koa i Jehovah hoe: 18  “Ilazao i Arona sy ny zanany lahy ary ny Israelita rehetra hoe: ‘Rehefa manolotra fanatitra dorana+ ho an’i Jehovah, mba hanefana voady na ho fanatitra an-tsitrapo, ny lehilahy israelita na ny hafa firenena monina eo aminy,+ 19  dia tokony ho lahy tsy misy kilema no hatolony,+ na omby izany na vantotr’ondry na osy, mba hahazoany sitraka. 20  Tsy hanolotra an’izay manan-takaitra ianareo,+ fa tsy hahazoanareo sitraka izany. 21  “‘Raha misy manolotra sorona iombonana+ ho an’i Jehovah mba hanefana voady na ho fanatitra an-tsitrapo, dia tokony ho biby tsy misy kilema no hatolony, na omby izany na ondry na osy, mba hahazoany sitraka. Tsy tokony hanan-takaitra mihitsy izany. 22  Tsy tokony ho jamba izay biby atao fanatitra, ary tsy tokony ho tapa-taolana, na maratra, na misy votsy, na misy aretin-koditra manako-pery na mamariparitra boribory. Tsy azo atolotra ho an’i Jehovah na atao eo ambony alitara ho an’i Jehovah ny biby hoatr’izany. 23  Azonao atao fanatitra an-tsitrapo ny omby na ondry manana tongotra ila lava loatra na fohy loatra. Tsy hankasitrahana kosa izany raha ho fanefana voady. 24  Aza atolotra ho an’i Jehovah ny biby raha simba ny vihiny, na torotoro, na voaongotra, na tapaka. Aza manolotra biby toy izany ao amin’ny taninareo. 25  Tsy azonareo atolotra ho sakafo ho an’ny Andriamanitrareo ny biby toy ireo, izay avy amin’ny olona hafa firenena, satria misy kilema sy manan-takaitra. Tsy hahazoanareo sitraka izany.’” 26  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 27  “Rehefa misy omby na ondrilahy na osy vao teraka, dia mbola hiaraka amin-dreniny aloha izy mandritra ny fito andro.+ Azo ekena ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah kosa izy, rehefa feno valo andro no ho miakatra. 28  Aza miara-vonoina amin’ny zanany ao anatin’ny indray andro ny omby na ny ondry.+ 29  “Raha manao sorona biby ianareo ho sorona fisaorana ho an’i Jehovah,+ dia ataovy mba hahazoana sitraka aminy izany. 30  Tokony hohanina ny androtr’iny izany, fa tsy hamelana mandra-paharainan’ny andro.+ Izaho no Jehovah. 31  “Ankatoavy ny didiko ka tanteraho.+ Izaho no Jehovah. 32  Aza zimbazimbaina ny anarako masina,+ fa hohamasinina eo anivon’ny Israelita aho.+ Izaho no Jehovah izay manamasina anareo,+ 33  ilay nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta, mba hasehoko aminareo fa Andriamanitra aho.+ Izaho no Jehovah.”

Fanamarihana

Abt: “mba ho tafasaraka amin’ny.”
Abt: “ny vahiny”, izany hoe lehilahy tsy anisan’ny taranak’i Arona.
Na: “manambady vahiny.”
Abt: “ny vahiny”, izany hoe lehilahy tsy anisan’ny taranak’i Arona.