Levitikosy 24:1-23

  • Menaka ho an’ny jiron’ny tranolay masina (1-4)

  • Mofo aseho (5-9)

  • Notoraham-bato ilay olona niteny ratsy ny anaran’Andriamanitra (10-23)

24  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Asaivo mitondra menak’oliva tsy misy fangarony avy amin’ny oliva voatoto ny Israelita, mba hatao amin’ny jiro. Amin’izay dia hirehitra foana ny jiro.+  Eo anoloan’ilay ridao eo akaikin’ny Tenin’ny Vavolombelona, ao amin’ny tranolay fihaonana, no hikarakaran’i Arona ny jiro, mba hirehitra foana eo anatrehan’i Jehovah ilay izy, manomboka amin’ny hariva mandra-paharainan’ny andro. Fitsipika manan-kery foana izany, ka tokony harahinareo sy ny taranakareo rehetra.  Hataony vonona eo ambony fitoeran-jiro+ vita amin’ny volamena tsy misy fangarony ireo jiro, mba hirehitra foana eo anatrehan’i Jehovah.  “Haka lafarinina tsara toto ianao ka hanao mofo boribory 12, dia hanao an’izany ao anaty lafaoro. Lafarinina roa ampahafolon’ny efaha* no hanaovana ny mofo tsirairay.  Zarao ho roa toko ireo mofo ireo ka ataovy mofo enina mifanaingina ny toko tsirairay,+ dia ataovy eo ambonin’ilay latabatra vita amin’ny volamena tsy misy fangarony, eo anatrehan’i Jehovah.+  Asio ditin-kazo manitra tsy misy fangarony eo ambonin’ny toko tsirairay. Dia ataovy fanatitra ho solon’ny mofo ilay ditin-kazo, ho santionany amin’ny fanatitra*+ atao anaty afo ho an’i Jehovah.  Isaky ny Sabata no halahatra tsy tapaka eo anatrehan’i Jehovah ireo mofo.+ Fifanekena maharitra ela be ataony amin’ny Israelita izany.  Ho lasan’i Arona sy ny zanany lahy izany,+ ka hohanin’izy ireo ao amin’izay toerana masina,*+ satria zavatra masina indrindra ho an’ny mpisorona, avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. Fitsipika tokony harahina foana izany.” 10  Nisy lehilahy iray, zanaka vehivavy israelita sy lehilahy ejipsianina,+ teo amin’ny Israelita. Niady tao amin’ny toby io lehilahy io sy ny lehilahy israelita iray. 11  Niteny ratsy sy nanozona an’ilay Anarana* io zanaka vehivavy israelita io.+ Koa nentina tany amin’i Mosesy izy.+ Selomita no anaran-dreniny, ary zanakavavin’i Dibry avy amin’ny fokon’i Dana izy io. 12  Nambenana ilay lehilahy, mandra-pahafantatra mazava tsara hoe inona ny fanapahan-kevitr’i Jehovah.+ 13  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 14  “Ento mivoaka ny toby ilay nanozona. Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay olona izay rehetra nandre ny zavatra nolazainy. Hitora-bato azy ny vahoaka manontolo avy eo.+ 15  Ary izao no holazainao amin’ny Israelita: ‘Izay olona manozona ny Andriamaniny dia hizaka ny vokatry ny fahotany. 16  Koa tsy maintsy vonoina ho faty izay miteny ratsy ny anaran’i Jehovah.+ Tsy maintsy mitora-bato azy ny vahoaka manontolo. Hovonoina ho faty izay miteny ratsy an’ilay Anarana, na hafa firenena izy na teratany. 17  “‘Raha misy manala ain’olona,* dia tsy maintsy vonoina ho faty koa izy.+ 18  Izay mamono biby fiompy ka mahafaty azy dia hanonitra an’izany, ka hanome biby ho solon’ny biby. 19  Raha misy olona mandratra olon-kafa, dia izay nataony tamin’ilay namany ihany no hatao aminy:+ 20  Tapaka ho solon’ny tapaka, maso ho solon’ny maso, nify ho solon’ny nify. Izay ratra nataony tamin’ilay olona no hatao aminy koa.+ 21  Hanonitra ny biby novonoiny izay namono biby ka nahafaty azy.+ Fa hovonoina ho faty kosa izay namely olona ka nahafaty azy.+ 22  “‘Didim-pitsarana iray ihany no hampiharina aminareo, na vahiny na teratany.+ Izaho mantsy no Jehovah Andriamanitrareo.’” 23  Dia nolazain’i Mosesy tamin’ny Israelita izany, ka nentina tany ivelan’ny toby ilay nanozona, ary notoraham-bato.+ Nataon’ny Israelita àry izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Fanamarihana

Roa ampahafolon’ny efaha = 4,4 litatra. Jereo F.F. B14.
Na: “ampahany ahatsiarovana (na misolo) an’ilay fanatitra.”
Mety hoe teo an-tokotanin’ny tranolay masina.
Izany hoe ilay anarana hoe Jehovah, araka ny and. 15 sy 16.
Na: “mamely olona ka mahafaty azy.”