Levitikosy 27:1-34

  • Fanavotana an’izay efa nanaovana voady (1-27)

  • Zavatra natokana tsy misy fepetra ho an’i Jehovah (28, 29)

  • Fanavotana ny ampahafolon’ny fananana (30-34)

27  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Ilazao ny Israelita hoe: ‘Raha misy manao voady manokana+ hoe hatolony ho an’i Jehovah ny vola tokony ho vidin’ny olona iray,  dia ho volafotsy 50 sekely,* araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina,* no vidiny anombanana azy raha lehilahy 20 taona ka hatramin’ny 60 taona ilay olona,  fa ho 30 sekely kosa raha vehivavy izy.  Raha 5 taona ka hatramin’ny 20 taona ilay olona, dia ho 20 sekely no vidiny anombanana azy raha lehilahy izy, fa ho 10 sekely kosa raha vehivavy.  Raha zaza iray volana ka hatramin’ny dimy taona ilay izy, dia ho volafotsy dimy sekely no vidiny anombanana azy raha lahy, fa ho volafotsy telo sekely kosa raha vavy.  “‘Raha 60 taona no ho miakatra kosa ilay olona, dia ho 15 sekely no vidiny anombanana ny lehilahy, ary ho 10 sekely ny vehivavy.  Fa raha mahantra loatra ilay mivoady ka tsy mahaloa an’izay vidiny anombanana an’ilay olona,+ dia hijoro eo anatrehan’ny mpisorona ilay olona, ka ny mpisorona no hanombana ny vidiny. Araka izay mety ho takatry ny volan’ilay mivoady no hanombanan’ilay mpisorona azy.+  “‘Raha mivoady izy fa hanome biby azo atao fanatitra ho an’i Jehovah, dia ho lasa zava-masina daholo izay hatolony ho an’i Jehovah. 10  Tsy azony soloana ilay izy, ary tsy azony atakalo tsara ny ratsy, na atakalo ratsy ny tsara. Raha atakalony biby hafa anefa ilay biby, dia ho lasa masina ilay biby sy ilay takalony. 11  Raha biby maloto+ tsy azo atao fanatitra ho an’i Jehovah kosa ilay izy, dia hajorony eo anatrehan’ny mpisorona. 12  Ary hanombana ny vidiny ilay mpisorona, na tsara ilay biby na ratsy, ka izay vidiny anombanany azy no ho vidiny. 13  Raha sendra tian’ilay olona havotana anefa ilay biby, dia hanome ny vidiny nanombanana azy izy sady mbola hampiany ampahadiminy.+ 14  “‘Raha misy olona manamasina ny tranony ho zava-masina ho an’i Jehovah, dia hanombana ny vidin’ilay trano ny mpisorona, na tsara ilay izy na ratsy. Ary araka izay vidiny anombanan’ny mpisorona azy no ho vidiny.+ 15  Fa raha te hanavotra an’ilay tranony ilay nanamasina azy, dia hanome ny vidiny nanombanana azy izy sady mbola hampiany ampahadiminy, ka ho lasany ilay trano. 16  “‘Raha misy olona manamasina ny ampahany amin’ny taniny ho an’i Jehovah, dia hotombanana arakaraka ny habetsahan’ny voa ilaina afafy eo amin’ilay tany ny vidiny: Ho volafotsy 50 sekely ny tany ampy hamafazana vary orza eran’ny homera.* 17  Raha hamasininy manomboka amin’ny taon-jobily ny taniny,+ dia ho araka izay vidiny anombanana azy ny vidiny. 18  Fa raha hamasininy aorian’ny Jobily kosa ilay taniny, dia hanao kajy ny mpisorona hamantarana ny vidin’ilay tany. Ho arakaraka ny taona tavela mandra-pahatongan’ny taon-jobily manaraka ny vidiny. Dia hahenany ny vidiny nanombanana an’ilay tany.+ 19  Fa raha sendra hoe havotan’ilay nanamasina azy ilay tany, dia hanome ny vidiny nanombanana azy izy sady mbola hampiany ampahadiminy, ka ho azy ihany ilay tany. 20  Fa raha tsy havotany kosa ilay tany ary efa namidy tamin’olona, dia tsy ho azo avotana intsony. 21  Rehefa tonga ny Jobily, dia tsy an’ilay olona nividy azy intsony ilay tany fa ho lasa zava-masina ho an’i Jehovah satria voatokana ho azy. Ho lasa fananan’ny mpisorona ilay tany.+ 22  “‘Raha hamasinin’ny olona iray ho an’i Jehovah ny tany novidiny, izay tsy anisan’ny lovany,+ 23  dia hanao kajy ny mpisorona hahitana hoe ohatrinona no tokony ho vidin’ilay tany mandra-pahatongan’ny taon-jobily. Ary homen’ilay olona amin’iny andro iny ihany ny vidiny nanombanana an’ilay tany.+ Zava-masina ho an’i Jehovah izany. 24  Hiverina amin’ilay nividianany azy, izany hoe amin’ny tompony, ilay tany rehefa tonga ny taon-jobily.+ 25  “‘Hotombanana araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina ny vidin-javatra rehetra. Ho 20 gera* ny iray sekely. 26  “‘Tsy tokony hisy hanamasina anefa ny voalohan-teraka amin’ny biby, satria voalohan-teraka ho an’i Jehovah izany.+ Efa an’i Jehovah izany, na omby na ondry na osy.+ 27  Raha biby maloto ilay izy ka manavotra azy araka ny vidiny anombanana azy ilay olona, dia hanome ny vidiny izy sady mbola hampiany ampahadiminy.+ Fa hamidy araka izay vidiny anombanana azy kosa ilay izy, raha tsy avotana. 28  “‘Tsy azo amidy na avotana ny zavatra voatokana, izany hoe izay zavatra natokan’ny olona avy amin’ny fananany ka natokany tsy misy fepetra* ho an’i Jehovah, na olona izany na biby na tany. Zavatra masina indrindra ho an’i Jehovah ny zava-drehetra voatokana.+ 29  Tsy azo avotana koa ny olona efa voaheloka* izay natokana haringana.+ Tsy maintsy vonoina ho faty izy.+ 30  “‘An’i Jehovah ny ampahafolony+ rehetra avy amin’ny tany, na avy amin’ny vokatry ny tany izany na avy amin’ny voan’ny hazo. Zava-masina ho an’i Jehovah izany. 31  Raha sendra misy olona te hanavotra an’ilay ampahafolony, dia hanome an’izay tokony ho vidiny izy sady mbola hampiany ampahadiminy. 32  Ary amin’ny ampahafolon’ny biby fiompy, na omby izany na ondry na osy, izay mandalo eo ambany tehin’ny mpiandry, dia ny biby fahafolo no tokony ho zava-masina ho an’i Jehovah. 33  Tsy tokony hojereny na tsara na ratsy ilay biby, ary tsy tokony hatakalony. Raha tadiaviny hatakalo ihany anefa ilay izy, dia ho lasa zava-masina ilay biby sy ilay takalony.+ Tsy azo avotana izany.’” 34  Ireo no didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy ho an’ny Israelita, teo amin’ny Tendrombohitra Sinay.+

Fanamarihana

1 sekely = 11,4 g. Jereo F.F. B14.
Na: “araka ny sekely masina.”
1 homera = 220 litatra. Jereo F.F. B14.
1 gera = 0,57 g. Jereo F.F. B14.
Na: “natokany haringana.”
Na: “voatokana.”