Levitikosy 3:1-17

  • Sorona iombonana (1-17)

    • Aza mihinana tavin-kena na ra (17)

3  “‘Raha misy manolotra sorona iombonana,*+ ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia tokony ho biby tsy misy kilema no hatolony eo anatrehan’i Jehovah.  Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay fanatiny izy, ary hovonoina eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana izany. Dia hafafin’ireo mpisorona zanakalahin’i Arona eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny alitara ny ran’ilay izy.  Ary hatolotr’ilay olona ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah ny ampahany amin’ilay sorona iombonana:+ Ny taviny+ manarona ny tsinainy, ny taviny rehetra miraikitra amin’ny tsinainy,  ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo akaikin’ny tehezany. Hesoriny miaraka amin’ny voa koa ny jabora eo amin’ny atiny.+  Hodoran’ireo zanakalahin’i Arona eo ambony alitara izany rehetra izany, mba hidona-tsetroka eo ambonin’ny fanatitra dorana izay efa eo ambonin’ny kitay, eo amin’ny afo.+ Fanatitra atao anaty afo izany, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah.+  “‘Raha ondry na osy no aterin’ilay olona ho sorona iombonana ho an’i Jehovah, dia lahy na vavy tsy misy kilema no hatolony.+  Raha ondrilahy kely no ateriny, dia hatolony eo anatrehan’i Jehovah izany.  Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay fanatiny izy, ary hovonoina eo anoloan’ny tranolay fihaonana izany. Dia hafafin’ireo zanakalahin’i Arona eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny alitara ny ran’ilay izy.  Ary hatolotr’ilay olona ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah ny tavin’ilay sorona iombonana.+ Hesoriny daholo ny rambo matavy* eo akaikin’ny taolan-damosin’ilay ondry, ny taviny manarona ny tsinainy, ny taviny rehetra miraikitra amin’ny tsinainy, 10  ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo akaikin’ny tehezany. Hesoriny miaraka amin’ny voa koa ny jabora eo amin’ny atiny.+ 11  Ary hodoran’ny mpisorona eo ambony alitara izany rehetra izany mba hidona-tsetroka. Fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izany sakafo* izany.+ 12  “‘Raha osy no fanatitra aterin’ilay olona, dia hatolony eo anatrehan’i Jehovah izany. 13  Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay osy izy, ary hovonoina eo anoloan’ny tranolay fihaonana izany. Dia hafafin’ireo zanakalahin’i Arona eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny alitara ny ran’ilay izy. 14  Ary izao no ampahany hatolotr’ilay olona ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah: Ny taviny manarona ny tsinainy, ny taviny rehetra miraikitra amin’ny tsinainy,+ 15  ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo akaikin’ny tehezany. Hesoriny miaraka amin’ny voa koa ny jabora eo amin’ny atiny. 16  Ary hodoran’ny mpisorona eo ambony alitara izany rehetra izany mba hidona-tsetroka. Fanatitra atao anaty afo izany sakafo* izany, ary natao mba hahazoana hanitra mahafinaritra.* An’i Jehovah ny taviny rehetra.+ 17  “‘Tokony hanaraka an’izao fitsipika izao foana ianareo sy ny taranakareo, any amin’ny toerana rehetra ipetrahanareo: Aza mihinana tavin-kena na ra+ mihitsy.’”

Fanamarihana

Na: “fanati-pihavanana.”
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”
Izany hoe hofak’ondry.
Abt: “mofo”, izany hoe anjaran’Andriamanitra amin’ilay sorona iombonana.
Abt: “mofo”, izany hoe anjaran’Andriamanitra amin’ilay sorona iombonana.
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana.”