Levitikosy 5:1-19

  • Karazana ota sy ny fanatitra mila atao (1-6)

    • Mampahafantatra ny fahotana nataon’ny hafa (1)

  • Zavatra hafa azon’ny mahantra atao fanatitra (7-13)

  • Fanatitra noho ny heloka raha nanota tsy nahy (14-19)

5  “‘Raha misy aminareo nahita olona nanao ratsy, na mahafantatra ny nataon’ilay olona, na vavolombelon’izany, ary naheno antso avo mba hijoro ho vavolombelona*+ nefa tsy milaza an’izay fantany, dia manota izy ka hizaka ny vokatry ny fahadisoany.  “‘Na, raha misy olona mikasika zavatra maloto, toy ny fatina biby maloto, na bibidia izany, na biby fiompy, na bibikely mifanaretsaka,+ dia maloto izy ka meloka na dia tsy fantany aza izany.  Na, raha misy mahakasika zavatra na olona maloto+—na inona na inona zavatra maloto mety hahatonga azy haloto—nefa tsy fantany hoe nanao an’izany izy, ary avy eo lasa fantany, dia meloka ihany izy.  “‘Na, raha misy olona maimaika mianiana—hanao zavatra tsara na ratsy, na inona izany na inona—ary tsy tonga saina akory izy hoe maimaika nianiana, nefa lasa tsapany izany atỳ aoriana, dia meloka ihany izy.*+  “‘Raha meloka ho nanao ny iray amin’ireo zavatra ireo izy, dia tsy maintsy miaiky+ hoe inona ny fahotana nataony.  Hitondra fanatitra noho ny heloka ho an’i Jehovah koa izy noho ny ota nataony,+ ka ondrivavy kely na osivavy kely no hoentiny ho fanatitra noho ny ota. Dia handrakotra ny fahotany ny mpisorona.  “‘Fa raha tsy takatry ny volany ny ondry na osy, dia domohina roa na zana-boromailala roa+ no hoentiny ho an’i Jehovah, ho fanatitra noho ny heloka, noho ilay fahotany: Ny vorona iray ho fanatitra noho ny ota, ary ny iray ho fanatitra dorana.+  Ary hoentiny any amin’ny mpisorona ireo, ka ilay fanatitra noho ny ota aloha no hatolotr’ilay mpisorona. Dia hotsongoiny ny eo anoloana amin’ny tendan’ilay vorona mba ho tataka, fa tsy hotapahiny.  Ary haka amin’ny ran’ilay fanatitra noho ny ota izy, ka hafafiny eo amin’ny sisin’ny alitara, fa ny ambin’ilay ra kosa havelany hitsika eo am-pototry ny alitara.+ Fanatitra noho ny ota izany. 10  Hatolony ho fanatitra dorana kosa ilay vorona anankiray, ka hataony araka ny efa fanao.+ Ary handrakotra ny fahotany ny mpisorona, ka ho voavela ny helony.+ 11  “‘Raha mbola tsy takatry ny volany ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha*+ no hoentiny ho fanatitra noho ny ota, noho ny fahotana nataony. Tsy hampiany menaka ilay izy na hasiany ditin-kazo manitra eo amboniny, satria fanatitra noho ny ota izany. 12  Ary hoentiny any amin’ny mpisorona izany, ka hakan’ny mpisorona eran’ny tanan’ila ho santionany amin’ilay fanatitra,* ary hodorany mba hidona-tsetroka eo ambony alitara, eo ambonin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. Fanatitra noho ny ota izany. 13  Handrakotra ny fahotan’ilay olona ny mpisorona, noho izy nanao ny iray amin’ireo fahotana ireo, ka ho voavela ny helony.+ Ary ho an’ny mpisorona ny ambin’ilay fanatitra,+ toy ny amin’ny fanatitra varimbazaha.’”+ 14  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 15  “Raha misy olona mivadika ka manota tsy nahy amin’ny zava-masin’i Jehovah,+ dia hitondra ondrilahy tsy misy kilema ho an’i Jehovah izy, ho fanatitra noho ny heloka.+ Tokony ho sekely* volafotsy, araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina,*+ no hanombanana ny vidin’ilay ondry. 16  Hanonitra an’izay fahotana nataony tamin’ny toerana masina ilay olona, ary mbola hanampy ampahadimin’izay tokony homeny.+ Dia homeny an’ilay mpisorona izany. Amin’izay ilay mpisorona dia ho afaka handrakotra ny fahotan’ilay olona+ amin’ny alalan’ilay ondrilahy atao fanatitra noho ny heloka. Dia ho voavela ny helony.+ 17  “Raha misy olona manota, ka manao ny iray amin’ireo zavatra andraran’i Jehovah, na dia tsy fantany aza izany, dia meloka ihany izy ka hizaka ny vokatry ny fahadisoany.+ 18  Hitondra ondrilahy tsy misy kilema any amin’ny mpisorona izy, ho fanatitra noho ny heloka.+ Tokony ho araka ny vidiny hanombanana azy ny vidin’ilay ondry. Ary ny mpisorona handrakotra ny fahotan’ilay olona noho ny fahadisoana tsy nahy nataony nefa tsy fantany. Dia ho voavela ny helony. 19  Fanatitra noho ny heloka izany. Tena meloka ho nanota tamin’i Jehovah izy.”

Fanamarihana

Na: “naheno feo fanozonana (fianianana).” Azo inoana hoe filazana fa nisy nanao zava-dratsy, ka resahina amin’izany fa ho voaozona ilay nanao ratsy na ilay vavolombelona raha tsy mitatitra an’ilay zava-dratsy.
Mety ho tsy nitana ny voady nataony izy.
Ampahafolon’ny efaha = 2,2 litatra. Jereo F.F. B14.
Na: “ampahany ahatsiarovana (na misolo) an’ilay fanatitra.”
1 sekely = 11,4 g. Jereo F.F. B14.
Na: “araka ny sekely masina.”