Levitikosy 7:1-38

  • Toromarika momba ny fanatitra (1-21)

    • Fanatitra noho ny heloka (1-10)

    • Sorona iombonana (11-21)

  • Voarara ny mihinana tavin-kena sy ra (22-27)

  • Ny anjaran’ny mpisorona (28-36)

  • Teny famaranana momba ny resaka fanatitra (37, 38)

7  “‘Izao no lalàna momba ny fanatitra noho ny heloka:+ Zavatra masina indrindra izany.  Hovonoina eo amin’ny toerana famonoana an’ireo fanatitra dorana ny fanatitra noho ny heloka, ary hafafy+ eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny alitara ny ran’ilay izy.+  Hatolotr’ilay olona ny taviny rehetra amin’ilay fanatitra,+ dia ny rambony matavy,* sy ny taviny manarona ny tsinainy,  ary ny voa roa sy ny taviny eo akaikin’ny tehezany. Hesoriny miaraka amin’ny voa koa ny jabora eo amin’ny atiny.+  Dia hodoran’ny mpisorona eo ambony alitara ireo mba hidona-tsetroka, ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.+ Fanatitra noho ny heloka izany.  Ny lehilahy mpisorona rehetra no hihinana an’izany,+ ka ao amin’izay toerana masina* no hihinanany azy. Zavatra masina indrindra izany.+  Mitovy ihany ny lalàna momba ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra noho ny heloka: Ho an’ilay mpisorona manao an’ilay fanatitra mba handrakofana fahotana ny henan’ilay izy.+  “‘Rehefa manolotra fanatitra dorana aterin’olona ny mpisorona, dia ho lasany ny hoditr’izany fanatitra izany.+  “‘Ny fanatitra varimbazaha rehetra izay nandrahoina tao anaty lafaoro, na nendasina tao anaty lapoaly, na nandrahoina tao anaty lasitra,+ dia an’ilay mpisorona manolotra azy. Ho lasany izany.+ 10  Fa ny fanatitra varimbazaha rehetra nafangaro menaka+ na ny maina+ kosa, dia ho an’ny zanakalahin’i Arona rehetra. Hitovy ny anjaran’ny tsirairay. 11  “‘Izao kosa no lalàna momba ny sorona iombonana+ azon’ny olona atolotra ho an’i Jehovah: 12  Raha ho fisaorana no anolorana azy,+ dia ireto avy no hampiarahina amin’ilay sorona: Mofo boribory* tsy misy lalivay sady nafangaro menaka, sy mofo fisaka tsy misy lalivay sady nohosorana menaka, ary mofo boribory natao tamin’ny lafarinina tsara toto efa vonto menaka sady nafangaro menaka. 13  Hatolotra miaraka amin’ny mofo boribory* misy lalivay ilay fanatitra, ary hatolotra miaraka amin’ny sorona iombonana atao sorona fisaorana. 14  Hakana iray avy ireo karazana mofo ireo, ka hatolotra ho anjara masina ho an’i Jehovah. Dia ho an’ilay mpisorona mamafy ny ran’ny sorona iombonana izany.+ 15  Hohanina amin’ny andro anolorana azy ny henan’ny sorona iombonana atao sorona fisaorana, fa tsy tokony hisy hotehirizina mandra-paharainan’ny andro.+ 16  “‘Raha fanatitra fanefana voady+ na fanatitra an-tsitrapo+ ny sorona atolotra, dia amin’ny andro anolorana an’ilay sorona no ihinanana azy. Azo hanina ny ampitso koa ny ambiny. 17  Izay henan’ilay sorona tavela amin’ny andro fahatelo kosa dia hodorana.+ 18  Raha misy amin’ny henan’ilay sorona iombonana anefa hohanina amin’ny andro fahatelo, dia tsy hahazo sitraka ilay nanolotra an’izany. Hatao toy ny hoe tsy nataony ilay fanatitra. Maharikoriko izany, ary hizaka ny vokatry ny fahadisoany izay mihinana amin’izany.+ 19  Tsy tokony hohanina izay hena mikasika zavatra maloto, fa hodorana. Izay hena madio kosa azon’izay olona madio hanina. 20  “‘Izay olona maloto nefa mihinana ny henan’ny sorona iombonana ho an’i Jehovah, dia haringana tsy ho anisan’ny fireneny.+ 21  Raha misy olona mikasika zavatra maloto, na fahalotoan’olona izany+ na biby maloto+ na zava-maharikoriko sady maloto,+ nefa mihinana amin’ny henan’ny sorona iombonana ho an’i Jehovah, dia haringana tsy ho anisan’ny fireneny.’” 22  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 23  “Ilazao ny Israelita hoe: ‘Aza mihinana tavin-ken’omby, na tavin-kenan’ny vantotr’ondrilahy, na tavin-kenan’osy.+ 24  Azo ampiasaina amin-javatra hafa ny tavin’ny biby maty ho azy na novonoin’ny biby hafa, fa tsy azo hanina mihitsy.+ 25  Fa izay mihinana amin’ny tavin’ny biby atolony ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah, dia haringana tsy ho anisan’ny fireneny. 26  “‘Aza mihinana ra,+ na ram-borona izany na ram-biby hafa, any amin’ny toerana rehetra ipetrahanareo. 27  Izay mihinana ra, na ran’inona izany na ran’inona, dia haringana+ tsy ho anisan’ny fireneny.’” 28  Niteny tamin’i Mosesy koa i Jehovah hoe: 29  “Ilazao ny Israelita hoe: ‘Izay manolotra sorona iombonana ho an’i Jehovah dia haka ampahany amin’izany mba hateriny ho an’i Jehovah.+ 30  Ary hoentiny eny an-tanany ny tavin-kena+ sy ny tratran’ilay biby mba ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. Dia hahetsiketsiny* ho fanatitra ahetsiketsika+ eo anatrehan’i Jehovah ireo. 31  Ary hodoran’ny mpisorona eo ambony alitara ny tavin-kena mba hidona-tsetroka,+ fa ny tratrany kosa ho an’i Arona sy ny zanany lahy.+ 32  “‘Homenareo ho anjara masina ho an’ny mpisorona ny fe ankavanan’ny sorona iombonana hatolotrareo.+ 33  Ho anjaran’ilay zanakalahin’i Arona manolotra ny ran’ny sorona iombonana sy ny tavin-kena ilay fe ankavanana.+ 34  Fa alaiko avy amin’ny sorona iombonana aterin’ny Israelita ny tratra izay atao fanatitra ahetsiketsika sy ny fe izay atao anjara masina, ka homeko an’i Arona mpisorona sy ny zanany lahy. Fitsipika tokony harahin’ny Israelita foana izany.+ 35  “‘Izany no ampahany avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izay natokana ho an’ny mpisorona, dia i Arona sy ny zanany lahy, tamin’ilay andro nanaovana azy ireo ho mpisorona teo anatrehan’i Jehovah.+ 36  Nanome didy i Jehovah hoe tokony homen’ny Israelita azy ireo izany anjara izany, amin’ny andro anosorany azy ireo ho mpisorona.+ Fitsipika manan-kery foana izany, ka tokony harahin’izy ireo sy ny taranany.’” 37  Izany no lalàna momba ny fanatitra dorana,+ ny fanatitra varimbazaha,+ ny fanatitra noho ny ota,+ ny fanatitra noho ny heloka,+ ny sorona atao rehefa hanendry mpisorona,*+ ary ny sorona iombonana,+ 38  araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay,+ tamin’ny andro nandidiany ny Israelita mba hanolotra fanatitra ho an’i Jehovah tany an-tany efitr’i Sinay.+

Fanamarihana

Izany hoe hofak’ondry.
Mety hoe teo an-tokotanin’ny tranolay masina.
Misy lavaka eo afovoany.
Misy lavaka eo afovoany.
Izany hoe mandroso sy mihemotra mankany amin’ny alitara.
Na: “hametraka mpisorona eo amin’ny toerany.”