Levitikosy 9:1-24

  • Fanatitra natolotr’i Arona (1-24)

9  Niantso an’i Arona sy ny zanany lahy ary ny anti-panahin’ny Israely i Mosesy, tamin’ny andro fahavalo.+  Hoy izy tamin’i Arona: “Makà zanak’omby ho fanatitra noho ny ota,+ sy ondrilahy ho fanatitra dorana, izay samy tsy misy kilema, ka atolory eo anatrehan’i Jehovah.  Fa ilazao kosa ny Israelita hoe: ‘Makà osilahy ho fanatitra noho ny ota, ary zanak’omby sy ondrilahy kely, izay herintaona avy sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana,  ary omby sy ondrilahy ho sorona iombonana,+ mba hatao sorona eo anatrehan’i Jehovah. Ary makà koa fanatitra varimbazaha+ nafangaro menaka. Anio mantsy i Jehovah no hiseho aminareo.’”+  Nentin’izy ireo teo anoloan’ny tranolay fihaonana àry ny zavatra nandidian’i Mosesy. Dia nanatona ny vahoaka manontolo, ka nijoro teo anatrehan’i Jehovah.  Ary hoy i Mosesy: “Izany no nasain’i Jehovah nataonareo, mba hisehoan’ny voninahitr’i Jehovah aminareo.”+  Dia hoy izy tamin’i Arona: “Manatòna eo amin’ny alitara, ary atolory ny fanatitrao, dia ny fanatitra noho ny ota+ sy ny fanatitra dorana, ka manaova fandrakofam-pahotana ho anao+ sy ho an’ny ankohonanao.* Atolory koa ny fanatitry ny vahoaka+ ka manaova fandrakofam-pahotana ho azy ireo,+ araka ny didy nomen’i Jehovah.”  Nanatona teo amin’ny alitara avy hatrany i Arona, ka namono ny zanak’omby atao fanatitra noho ny ota, izay natolotra ho an’ny tenany.+  Natolotr’ireo zanany lahy azy avy eo ny ra,+ dia natsobok’i Arona tao ny rantsantanany iray, ka nahosony teo amin’ireo tandroky ny alitara ny ra. Ary nararany teo am-pototry ny alitara ny ambin’ilay ra.+ 10  Nodorany teo ambony alitara mba hidona-tsetroka ny tavin-kena sy ny voa ary ny jabora teo amin’ny atiny, izay samy avy tamin’ilay fanatitra noho ny ota, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.+ 11  Ary nodorany tany ivelan’ny toby ny henany sy ny hodiny.+ 12  Dia novonoin’i Arona ny fanatitra dorana. Ary nomen’ireo zanany lahy azy ny ra, ka nafafiny teo amin’ny lafiny rehetra amin’ny alitara.+ 13  Nomen’izy ireo azy koa ny fanatitra dorana efa voatetitetika sy ny lohany, ka nodorany teo ambony alitara mba hidona-tsetroka. 14  Ary nosasany ny tsinain’ilay fanatitra sy ny tongony ka nodorany teo ambonin’ilay fanatitra dorana, mba hidona-tsetroka teo ambony alitara. 15  Dia natolony ny fanatitry ny vahoaka. Nalainy ny osy atao fanatitra noho ny ota, izay atolotra ho an’ny vahoaka, dia novonoiny ka nataony fanatitra noho ny ota, hoatran’ilay voalohany. 16  Natolony koa ny fanatitra dorana, ka nataony araka ny efa fanao.+ 17  Avy eo, dia natolony ny fanatitra varimbazaha.+ Nakany eran’ny tanan’ila ilay izy, dia nodorany teo ambony alitara mba hidona-tsetroka, ho fanampin’ilay fanatitra dorana amin’ny maraina.+ 18  Taorian’izay, dia novonoiny ny omby sy ilay ondrilahy atao sorona iombonana, izay atolotra ho an’ny vahoaka. Ary nomen’ireo zanakalahin’i Arona azy ny ra, ka nafafiny teo amin’ny lafiny rehetra amin’ny alitara.+ 19  Fa ny tavin’ilay omby+ kosa, sy ny rambo matavin’ilay ondrilahy,* sy ny taviny manarona ny tsinainy, sy ny voa, ary ny jabora eo amin’ny atiny,+ 20  dia nataon’ireo zanakalahin’i Arona teo ambonin’ny tratran-kena. Dia nodoran’i Arona mba hidona-tsetroka teo ambony alitara ireo taviny rehetra ireo.+ 21  Fa ny tratran-kena sy ny feny ankavanana kosa nahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika teo anatrehan’i Jehovah, araka ny didy nomen’i Mosesy.+ 22  Dia nanandratra ny tanany tandrifin’ny vahoaka i Arona ka nitso-drano azy.+ Dia nidina izy, rehefa avy nanolotra ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana ary ny sorona iombonana. 23  Ary niditra tao amin’ny tranolay fihaonana i Mosesy sy Arona. Avy eo dia nivoaka izy roa lahy, ka nitso-drano ny vahoaka.+ Dia niseho tamin’ny vahoaka manontolo ny voninahitr’i Jehovah.+ 24  Ary nisy afo avy amin’i Jehovah,+ ka nandoro tanteraka an’ilay fanatitra dorana sy ireo taviny teo ambony alitara. Rehefa nahita an’izany ny vahoaka manontolo, dia nanomboka nihorakoraka ary niankohoka tamin’ny tany.+

Fanamarihana

Na: “fokonao.”
Izany hoe hofak’ondry.