Nosoratan’i Lioka 16:1-31

  • Fanoharana momba an’ilay mpanompo tsy marina (1-13)

    • ‘Izay mendri-pitokisana amin’ny zavatra kely dia mendri-pitokisana amin’ny zavatra lehibe’ (10)

  • Ny Lalàna sy ny Fanjakan’Andriamanitra (14-18)

  • Fanoharana momba ny lehilahy iray mpanankarena sy Lazarosy (19-31)

16  Hoy koa i Jesosy tamin’ny mpianany: “Nisy lehilahy manankarena nanana mpanompo iray niandraikitra ny tao an-tranony. Ary nisy niampanga izy io hoe nandanilany ny fananan’ny tompony. 2  Koa niantso azy ilay tompony, dia niteny hoe: ‘Inona izany henoko momba anao izany? Omeo ahy ny tatitra momba ny asa nankinina taminao, fa tsy hiandraikitra ny ato an-tranoko intsony ianao.’ 3  Dia nieritreritra ilay mpanompo hoe: ‘Inona re no hataoko e? Hesorin’ny tompoko tsy ho mpiandraikitra ny fananany aho izao. Ny miasa tany anefa tsy vitako fa kely aina aho; ny mangataka koa mahamenatra ahy. 4  Ah! Hitako ny hataoko mba hisy olona handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaroaka aho.’ 5  Dia nantsoiny tsirairay ireo olona nananan’ny tompony trosa, ka hoy izy tamin’ilay voalohany: ‘Inona no ananan’ny tompoko aminao?’ 6  Namaly izy hoe: ‘Menak’oliva injaton’ny bata.’* Dia hoy ilay mpanompo: ‘Alaivo ilay taratasy fifanekena nataonao, ary mipetraha dia soraty haingana hoe 50.’ 7  Avy eo, dia hoy izy tamin’ny iray hafa: ‘Ary ianao, inona no ananany aminao?’ Dia namaly ilay olona hoe: ‘Varimbazaha injaton’ny kora.’* Koa niteny taminy izy hoe: ‘Alaivo ilay taratasy fifanekena nataonao, dia soraty hoe 80.’ 8  Ary noderain’ny tompony ilay mpanompo, na dia nanao ny tsy marina aza, satria malina.* Fa hita hoe malina kokoa noho ny zanaky ny mazava+ ny zanak’izao tontolo izao,* rehefa mifampiraharaha amin’ny mpiara-belona aminy. 9  “Izao koa no lazaiko aminareo: Ataovy izay hahazoana namana amin’ny alalan’ny harena tsy marina,+ mba horaisin’ireny namana ireny any amin’ny fonenana mandrakizay+ ianareo rehefa lany izany harena izany. 10  Izay mendri-pitokisana amin’ny zavatra kely dia mendri-pitokisana koa amin’ny zavatra lehibe, ary izay tsy marina amin’ny zavatra kely dia tsy marina koa amin’ny zavatra lehibe. 11  Koa raha tsy asehonareo hoe mendri-pitokisana ianareo rehefa mampiasa harena tsy marina, iza no hanankina aminareo ny tena harena? 12  Ary raha tsy asehonareo hoe mendri-pitokisana ianareo amin’izay ataonareo amin’ny zavatr’olona, iza no hanome zavatra ho anareo?+ 13  Tsy misy mpanompo mahavita manompo tompo roa, fa ny iray ho halany ary ny iray ho tiany, na ny iray hifikirany ary ny iray hataony tsinontsinona.* Tsy mahavita manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.”+ 14  Nihaino an’izany rehetra izany ny Fariseo tia vola, ka naneso an’i Jesosy.+ 15  Koa niteny tamin’izy ireo i Jesosy hoe: “Ianareo milaza ny tenanareo ho marina eo anatrehan’ny olona,+ nefa fantatr’Andriamanitra ny fonareo.+ Fa izay heverin’ny olona ho ambony, dia maharikoriko eo imason’Andriamanitra.+ 16  “Hatreo amin’i Jaona ihany ny Lalàna sy ny Mpaminany. Fa nanomboka teo dia ny Fanjakan’Andriamanitra no vaovao tsara torina amin’ny olona, ary misisika mafy ho ao ny karazan’olona rehetra.+ 17  Ho mora kokoa ny hahalevona ny lanitra sy ny tany, noho ny hoe tsy ho tanteraka ny tendron-tsoratra iray ao amin’ny Lalàna.+ 18  “Manitsakitsa-bady izay lehilahy misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa. Ary izay manambady vehivavy nisarahan’ny vadiny, dia manitsakitsa-bady.+ 19  “Nisy lehilahy iray mpanankarena nanao akanjo vita tamin’ny lamba volomparasy sy rongony. Nifalifaly foana izy isan’andro, sady nanaram-po nanao izay nahafinaritra azy. 20  Nisy mpangataka atao hoe Lazarosy kosa napetraka teo am-bavahadiny. Feno fery izy io. 21  Mba te hihinana an’izay sakafo latsaka avy tamin’ny latabatr’ilay mpanankarena izy. Na ny alika aza tonga hilelaka ny feriny. 22  Tatỳ aoriana, dia maty ilay mpangataka, ary nentin’ny anjely ho eo akaikin’i* Abrahama. “Maty koa ilay mpanankarena ka nalevina. 23  Raha iny izy nijalijaly tao amin’ny Fasana* iny, dia nitraka izy ka nahita an’i Abrahama terỳ lavitra terỳ, sy Lazarosy teo akaikiny.* 24  Koa niantso izy hoe: ‘Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko! Mba iraho i Lazarosy hanatsoboka ny tendron’ny rantsantanany ao anaty rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako, fa mijaly aho ato amin’ity afo miredareda ity.’ 25  Fa hoy i Abrahama: ‘Tadidio, anaka, fa efa azonao daholo ny zava-tsoa rehetra nirinao, nandritra ny androm-piainanao. I Lazarosy kosa feno fahoriana ny fiainany. Izao anefa izy ampiononina atỳ, fa ianao kosa mijaly. 26  Sady efa nasiana hantsana be koa ange hampisaraka anay aminareo e, mba tsy ho afaka hankany aminareo izay te hiala atỳ, ary tsy ho afaka hiampita mankatỳ aminay ny any.’ 27  Dia hoy izy: ‘Raha izany no izy, dia mba mangataka aminao aho, ray ô, mba haniraka an’i Lazarosy ho any an-tranon’ny raiko. 28  Manana rahalahy dimy mantsy aho, ka iraho izy hanazava tsara amin-dry zareo, sao ho lasa atỳ amin’ity toeram-pijaliana ity koa ry zareo.’ 29  Fa hoy i Abrahama: ‘Manana an’i Mosesy sy ny Mpaminany ry zareo. Aoka izy hihaino an’ireo.’+ 30  Dia hoy izy: ‘Tsy hihaino ry zareo, ry Abrahama ray ô! Fa raha misy avy amin’ny maty mankany aminy, dia hibebaka ry zareo.’ 31  Hoy anefa i Abrahama: ‘Raha tsy mihaino an’i Mosesy+ sy ny Mpaminany ry zareo, dia tsy ho resy lahatra na dia misy mitsangana amin’ny maty aza.’”

Fanamarihana

1 bata = 22 litatra. Jereo F.F. B14.
1 kora = 220 litatra. Jereo F.F. B14.
Na: “fetsy; hendry.”
Na: “zanak’izao vanim-potoana izao.” Jereo F.T. “Izao tontolo izao.”
Na: “hohamavoiny.”
Abt: “eo an-tratran’i.”
Jereo F.T.
Abt: “teo an-tratrany.”