Malakia 1:1-14

  • Tian’i Jehovah ny vahoakany (1-5)

  • Manolotra sorona misy kilema ny mpisorona (6-14)

    • Ho be voninahitra eo amin’ireo firenena ny anaran’i Jehovah (11)

1  Fanambarana: Izao no tenin’i Jehovah nampitain’i Malakia* ho an’ny Israely:  “Efa nasehoko anareo hoe tiako ianareo”,+ hoy i Jehovah. Hoy anefa ianareo: “Inona no porofo fa tia anay ianao?” Dia hoy i Jehovah: “Angaha moa tsy rahalahin’i Jakoba i Esao?+ I Jakoba anefa no tiako,  fa i Esao kosa halako,+ ka nataoko tsy misy mponina+ ny tendrombohiny. Navelako ho lasa fonenan’ny alikadia any an-tany efitra koa ny lovany.”+  “Miteny i Edoma hoe: ‘Nopotipotehina izahay, nefa hiverina ka hanorina an’ireo tanàna rava.’ Hoy anefa i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Izy ireo hanorina, fa izaho kosa handrava. Dia hantsoina hoe “tanin’ny faharatsiana” sy “vahoaka nomelohin’i Jehovah mandrakizay” izy ireo.+  Hahita maso an’izany ianareo ka hilaza hoe: “Hankalazaina anie i Jehovah, eran’ny faritry ny Israely!”’”  “‘Manaja ny rainy ny zanaka,+ ary manaja ny tompony ny mpanompo’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. ‘Koa raha izaho no rainareo’,+ ry mpisorona manao tsinontsinona ny anarako, ‘dia aiza izay fanajana ahy?+ Ary raha izaho no tomponareo, aiza izay fahatahorana* ahy?’+ “‘Hoy anefa ianareo: “Fa inona no nataonay no hoe naniratsira ny anaranao izahay?”’  “‘Sakafo* voaloto no atolotrareo eo amin’ny alitarako.’ “‘Dia hoy ianareo: “Fa inona no nataonay no hoe nandoto anao izahay?”’ “‘Satria ianareo miteny hoe: “Tsisy ilana azy ny latabatr’i Jehovah!”+  Rehefa manao sorona biby jamba koa ianareo, dia miteny hoe: “Tsy misy maha ratsy an’izany!” Ary rehefa manolotra biby kilemaina na marary ianareo, dia miteny hoe: “Tsy misy maha ratsy an’izany!”’”+ “Mba andramo aterina any amin’ny governoranao ange ireny e! Dia ho faly aminao ve izy na handray tsara anao?”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.  “Mitalahoa re amin’Andriamanitra e!* Amin’izay mba hiantra* izy. Handray tsara anareo ve Izy raha izany no fanatitra atolotrareo?”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. 10  “Iza aminareo no mba vonona hanidy varavarana?*+ Na dia ny mandrehitra afo eo amin’ny alitarako aza tsy ataonareo maimaim-poana.+ Tsy mankasitraka anareo mihitsy aho”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, “ary tsy misy mahafaly ahy mihitsy ny fanomezana avy aminareo.”+ 11  “Ho be voninahitra eo amin’ireo firenena ny anarako, hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany.*+ Eny rehetra eny, dia hisy hanao sorona hatao midona-tsetroka, ary hisy hanao fanatitra, ho fanomezam-boninahitra ny anarako. Ho fanomezana madio izany. Ho be voninahitra eo amin’ireo firenena mantsy ny anarako”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. 12  “Fa ianareo kosa manazimbazimba ny anarako*+ satria milaza hoe: ‘Voaloto ny latabatr’i Jehovah ary tsisy ilana azy ny fanatitra na ny sakafo eo amboniny.’+ 13  Milaza koa ianareo hoe: ‘Mandreraka izy izany!’ Dia mianjonanjona ianareo sady manao tsinontsinona an’ilay fanatitra”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. “Biby nangalarina sy kilemaina ary marary no entinareo. Izany ve no mba omenareo ahy? Dia handray an’izany ve aho?”,+ hoy i Jehovah. 14  “Voaozona izay fetsifetsy fa biby misy tsininy* no ataony sorona ho an’i Jehovah rehefa mivoady, nefa izy mba manana biby tsy manan-kilema ihany ao amin’ny andiam-bibiny. Fa Mpanjaka tena miavaka aho,+ ary hatahoran’ireo firenena sy hohajainy ny anarako”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.

Fanamarihana

Midika hoe “Ny Irako.”
Na: “fanajana.”
Abt: “Mofo.”
Abt: “Ampitoneo re ny tarehin’Andriamanitra e!”
Abt: “hiantra antsika.”
Azo inoana hoe ny varavaran’ny tempoly, rehefa anjarany ny manidy an’ilay izy.
Na: “hatrany atsinanana ka hatrany andrefana.”
Na mety hoe “manazimbazimba ahy.”
Na: “manan-kilema.”