Nosoratan’i Marka 8:1-38

  • Nanome sakafo ho an’olona 4 000 i Jesosy (1-9)

  • Nangataka famantarana ny Fariseo (10-13)

  • Lalivain’ny Fariseo sy lalivain’i Heroda (14-21)

  • Lehilahy jamba nositranina tany Betsaida (22-26)

  • Fantatr’i Petera hoe i Jesosy no Kristy (27-30)

  • Nolazain’i Jesosy mialoha hoe hovonoina ho faty izy (31-33)

  • Ny tena mpianatr’i Jesosy (34-38)

8  Tamin’izany andro izany, dia nisy vahoaka be indray teo, ary tsy nanana zavatra hohanina izy ireo. Nasain’i Jesosy nankeo aminy àry ny mpianany, dia noteneniny hoe: 2  “Mampalahelo ahy ireto vahoaka ireto,+ fa efa telo andro izao ry zareo no nijanona teto amiko, sady tsy manan-kohanina.+ 3  Raha noana* ry zareo no alefako mody, dia ho reraka eny an-dalana. Ny sasany koa avy lavitra.” 4  Hoy anefa ny mpianany: “Aiza atỳ amin’ity toerana mitokana ity no hahitana mofo hahavoky an’ireo olona ireo?” 5  Ary hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Firy ny mofo any aminareo?” Dia hoy izy ireo: “Fito.”+ 6  Ary nasainy naka toerana teo amin’ny tany ny vahoaka. Noraisiny ny mofo fito avy eo ka nisaotra an’Andriamanitra izy. Dia notapahiny ny mofo ka nozarainy tamin’ny mpianany mba harosony, ary izy ireo indray nandroso an’ilay izy tamin’ny vahoaka.+ 7  Nanana trondro madinika vitsivitsy koa izy ireo. Rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra izy, dia nasainy naroso koa izany. 8  Dia nihinana ny olona ka voky, ary nangonin’ny mpianatra ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika lehibe fito.*+ 9  Lehilahy 4 000 teo ho eo no nihinana tamin’izay. Noravany ny olona avy eo. 10  Ary tonga dia nankao anaty sambokely izy sy ny mpianany, ka tonga tany amin’ny faritr’i Dalmanota.+ 11  Dia tonga ny Fariseo ka nanomboka niady hevitra taminy, sady nangataka famantarana avy any an-danitra mba hitsapana azy.+ 12  Koa nisento lalina i Jesosy ka niteny hoe: “Maninona ity taranaka ity no mitady famantarana?+ Lazaiko marina aminareo fa tsy hisy famantarana homena an’ity taranaka ity.”+ 13  Ary nilaozany ireo ka nankao anaty sambokely indray izy, dia nankeny ampita. 14  Nanadino nitondra mofo anefa ny mpianatra, ka tsy nanana afa-tsy mofo iray izy ireo tao amin’ilay sambokely.+ 15  Ary nampitandrina azy ireo mazava tsara i Jesosy hoe: “Mbà mailo ary mitandrema amin’ny lalivain’ny Fariseo sy ny lalivain’i Heroda.”+ 16  Nanomboka niady hevitra àry izy ireo satria tsy nitondra mofo. 17  Tsikaritr’i Jesosy izany, ka hoy izy tamin’ireo: “Maninona no mampiady hevitra anareo ilay ianareo tsy nitondra mofo? Mbola tsy takatrareo sy tsy azonareo ihany ve? Mbola donto ve ny fonareo ka tsy azonareo ny dikan’izany? 18  ‘Mana-maso ve ianareo nefa tsy mahita, ary manan-tsofina nefa tsy mandre?’ Tadidinareo ve 19  tamin’izaho nanapaka mofo dimy+ ho an’ny lehilahy 5 000? Nahafeno harona firy ny sombintsombiny voangonareo?” Dia hoy ireo taminy: “Roa ambin’ny folo.”+ 20  “Ary tamin’izaho nanapaka mofo fito ho an’ny lehilahy 4 000? Nahafeno sobika lehibe* firy ny sombintsombiny voangonareo?” Dia hoy ireo taminy: “Fito.”+ 21  Ary hoy izy tamin’izy ireo: “Mbola tsy azonareo ihany ve ny dikan’izany?” 22  Ary tonga tao Betsaida izy ireo. Dia nentin’ny olona nankeo aminy ny lehilahy jamba anankiray, ka niangavian’izy ireo izy mba hikasika an’ilay jamba.+ 23  Dia notantanany ilay lehilahy ka nentiny nankany ivelan’ny tanàna. Rehefa avy nororany ny masony,+ dia nametrahany tanana izy sady nanontaniany hoe: “Mahita zavatra ve ianao?” 24  Ary nitraka ilay lehilahy sady niteny hoe: “Mahita olona aho, nefa hoatran’ny hazo mandehandeha no fahitako azy.” 25  Napetrany teo amin’ny mason’ilay lehilahy indray ny tanany, dia nahita tsara izy. Ary sitrana izy, ka lasa hitany mazava tsara ny zava-drehetra. 26  Koa nalefan’i Jesosy nody izy sady noteneniny hoe: “Aza mankao amin’io tanàna io aloha.” 27  Ary niala teo i Jesosy sy ny mpianany ka nankany amin’ireo tanàna any Kaisaria-Filipo. Teny an-dalana, dia nanontaniany ny mpianany hoe: “Iza, hono, aho raha ny filazan’ny olona?”+ 28  Dia hoy ireo taminy: “Jaona Mpanao Batisa.+ Misy koa anefa milaza hoe Elia,+ dia misy miteny hoe ny iray amin’ny mpaminany.” 29  Ary nanontany izy hoe: “Fa ianareo kosa milaza hoe iza aho?” Dia namaly i Petera hoe: “Ianao no Kristy.”+ 30  Norarany mafy izy ireo tamin’izay tsy hiresadresaka ny momba azy na amin’iza na amin’iza.+ 31  Nanomboka nampianatra azy ireo koa izy hoe tsy maintsy hampijalijalina ny Zanak’olona, ka holavin’ny anti-panahy sy ny lehiben’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina ho faty,+ ary hitsangana rehefa afaka telo andro.+ 32  Tsy niolakolaka mihitsy izy niteny an’izany. Nentin’i Petera nihataka kely anefa izy dia noteneniny mafy.+ 33  Ary nitodika izy, dia nijery an’ireo mpianany ka niteny mafy an’i Petera hoe: “Mankanesa ato aorianako, ry Satana, satria tsy fomba fisainan’Andriamanitra ny anao, fa fomba fisainan’olombelona.”+ 34  Ary nantsoiny nankeo aminy ny vahoaka sy ny mpianany, ka hoy izy tamin’ireo: “Raha misy te hanaraka ahy, dia tsy maintsy mandà ny tenany izy ka mitondra ny hazo fijaliany* ary manaraka ahy foana.+ 35  Fa izay te hamonjy ny ainy no hamoy an’izany, ary izay mamoy ny ainy noho ny amiko sy ny vaovao tsara kosa no hamonjy an’izany.+ 36  Inona tokoa moa no soa ho azon’ny olona raha azony izao tontolo izao nefa afoiny ny ainy?+ 37  Ary inona tokoa moa no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?+ 38  Fa na iza na iza menatra noho ny amiko sy ny teniko, eto amin’ity taranaka mpanitsakitsa-bady* sy mpanota ity, dia ho menatra noho ny aminy koa ny Zanak’olona,+ rehefa ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny anjely masina.”+

Fanamarihana

Na: “tsy mihinan-kanina.”
Na: “sobika fito fitondrana vatsy.”
Na: “sobika fitondrana vatsy.”
Jereo F.T.
Na: “mivadika.”