Mika 2:1-13

  • Hahita loza izay tia mampijaly ny hafa (1-11)

  • Hangonina indray ny Israely mba hiray hina (12, 13)

    • Ho lasa maresaka sy feno olona ilay toerana (12)

2  “Hahita loza ireo mitetika ny hanao ratsy,Ary mieritreritra an’izany eo am-pandrianany! Rehefa maraina ny andro dia tanterahiny ny eritreriny,Satria vitany ny manao an’izany.+   Mitsiriritra saha sy tranon’olona izy ireo,+Dia maka an’ireny an-keriny.Manambaka lehilahy izy mba hahazoana ny tranony,+Sy mba hahazoana ny lovany.   Izao àry no tenin’i Jehovah: ‘Mieritreritra ny handefa loza+ aminareo aho, ka tsy ho afaka handositra an’izany ianareo.*+ Dia tsy hirehareha intsony ianareo rehefa mandeha,+ satria fotoana hisian’ny loza izany.+   Hilaza ohabolana momba anareo ny olona, amin’izany andro izany,Ary hitaraindraina be momba anareo.+ Hoy izy ireo: “Voaroba tanteraka isika!+ Nalainy tamintsika ny anjaran’ny firenentsika dia omeny olon-kafa,+ Ary ny sahantsika omeny an’izay mivadika.”   Tsy hahita olona handrefy tany amin’ny tady,Ka hizara an’ilay tany ianareo, ao amin’ny fiangonan’i Jehovah.   Mitory izy ireo hoe: “Aza mitory intsony!Tsy tokony hotorina intsony izany.Tsy ho afa-baraka isika.”   Milaza ve ianareo, ry taranak’i Jakoba, hoe: “Fa angaha i Jehovah* lasa tsy mahandry? Sa izany mihitsy no fanaony?” Angaha ny teniko tsy hitondra soa ho an’ny olona manao izay mahitsy?   Vao haingana anefa ny vahoakako no nitsangana ho fahavalo. Endahanareo ny haingo tsara tarehy sy ny akanjo,*Dia ny haingo sy ny akanjon’ny mpandalo tsy manana ahiahy hoatran’ny olona avy any an’ady.   Roahinareo hiala ao amin’ny tranony mampiadana koa ny vehivavy anisan’ny vahoakako.Ary esorinareo mandrakizay amin’ny zanany ny voninahitra nomeko azy. 10  Mandehana fa tsy fonenanareo intsony eto. Noho ny fahalotoana,+ dia tonga ny fandringanana, ary ho mafy be ilay fandringanana.+ 11  Raha misy olona manaonao foana sy mamitaka ka mandainga hoe: “Momba ny divay sy ny toaka no hotoriko aminao”, Dia zavatra mahafinaritra ny olona fotsiny no hotoriny.+ 12  Hovoriko ianareo rehetra, ry taranak’i Jakoba ô!Ary tsy maintsy hangoniko ny sisa amin’ny Israely.+ Hataoko miray hina izy ireo, ka ho lasa andiany iray,Hoatran’ny andian’ondry eny amin’ny kijana.+Ho lasa maresaka sy feno olona ilay toerana.’+ 13  Ilay managorobaka ny manda no handeha eo alohan’izy ireo.Hanagorobaka izy ireo dia hiditra eo amin’ny vavahady, ary hivoaka eo koa.+ Dia hiditra eo alohan’izy ireo ny mpanjakany,Ary i Jehovah no hitarika azy ireo.”+

Fanamarihana

Abt: “tsy ho afaka hanala ny hatokareo amin’izany ianareo.”
Abt: “ny fanahin’i Jehovah.”
Na mety hoe “teo amin’ny akanjo.”