Mika 3:1-12
3 Hoy aho: “Mba mihainoa ianareo lohany eo amin’ny taranak’i Jakoba,Sy ianareo mpitondra eo amin’ny taranak’Israely.+
Tsy ianareo ve no tokony hahalala ny atao hoe rariny?
2 Mankahala ny tsara+ anefa ianareo sady tia ny ratsy.+Manendaka ny hoditry ny vahoakako ianareo, ary manendaka ny nofo amin’ny taolany.+
3 Mihinana ny nofon’ny vahoakako koa ianareo,+Sady manendaka ny hodiny.Vakivakinareo ny taolany dia potipotehinareo,+Hoatran’ny zavatra andrahoina ao anaty vilany* sy hoatran’ny hena ao anaty vilany.
4 Ary hiantso vonjy amin’i Jehovah izy ireo amin’izay fotoana izay,Nefa tsy hamaly izy.
Dia hanafina ny tarehiny amin’izy ireo izy amin’izay fotoana izay,+Satria manao ratsy izy ireo.+
5 Manoro vohony ny vahoakako ireo mpaminany.+Milaza izy ireo hoe ‘Fiadanana!’,+ rehefa misy hotsakoin’ny nifiny,*+Fa ilany* ady kosa izay olona tsy manome sakafo ho ao am-bavany.Izao no tenin’i Jehovah amin’ireny mpaminany ireny:
6 ‘Ho ao anaty haizina hoatran’ny amin’ny alina+ ianareo ka tsy hahita fahitana,+Ary ho ao anatin’ny haizina be ianareo ka tsy hanao sikidy.
Dia hilentika tsy hanazava an’ireo mpaminany ireo ny masoandro,Ary ho lasa maizina aminy ny andro.+
7 Hatao afa-baraka ny mpahita fahitana,+Ary ho diso fanantenana ny mpisikidy.
Tsy maintsy hitampim-bava* izy rehetra,Satria tsy hamaly azy intsony Andriamanitra.’”
8 Fa izaho kosa feno hery avy amin’ny fanahin’i Jehovah,Ka lasa manao ny rariny sady be herim-po,Mba hilaza amin’i Jakoba hoe mikomy izy, ary amin’i Israely hoe manota izy.
9 Mba henoy izao, ry lohany eo amin’ny taranak’i Jakoba,Sy ianareo mpitondra eo amin’ny taranak’Israely,+Ianareo mankahala ny rariny sy manolana an’izay rehetra mahitsy,+
10 Ianareo mandatsa-dra mba hanorenana an’i Ziona, ary manao ny tsy marina+ mba hanorenana an’i Jerosalema.
11 Ny mpitarika* eo aminy mitsara mba hahazoana kolikoly,+Ny mpisorony mampianatra mba hahazoana karama,+Ary ny mpaminaniny misikidy mba hahazoana vola.*+
Mbola miantehitra amin’i Jehovah* ihany anefa izy ireo, ka milaza hoe:
“Angaha moa tsy eto amintsika i Jehovah?+
Tsy hisy loza hanjo antsika.”+
12 Noho ny ataonareo àry,Dia hasaina hoatran’ny saha i Ziona,Ho lasa korontam-bato mivangongo i Jerosalema,+Ary ny tendrombohitra misy an’ilay Trano* dia ho toy ny toerana avo any an’ala.*+
Fanamarihana
^ Na: “vilanibe.”
^ Na mety hoe “rehefa manaikitra izy ireo.”
^ Abt: “anamasinany.”
^ Na: “hanarona ny volombavany.”
^ Na: “mihambo ho miantehitra amin’i Jehovah.”
^ Na: “volafotsy.”
^ Abt: “lohany.”
^ Na: “tempoly.”
^ Na: “tampon-tendrombohitra misy ala.”