Mika 4:1-13

  • Ho avo be ny tendrombohitr’i Jehovah (1-5)

    • Sabatra ho lasa angadinomby (3)

    • ‘Handeha amin’ny anaran’i Jehovah isika’ (5)

  • Haverina amin’ny laoniny i Ziona (6-13)

4  Any am-parany any,*Ilay tendrombohitra misy ny tranon’i JehovahDia ho mafy orina sady ho avo noho ny tampon’ireo tendrombohitra,+Ka hasandratra ho avo noho ireo havoana.Ary hiaraka ho any daholo ny olona.+  2  Be dia be ny firenena ho any, ka hiteny hoe: “Avia! Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah,Sy ho any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakoba.+ Hampianatra antsika ny lalany izy,Dia handeha amin’ny lalana atorony isika.” Fa avy ao Ziona no hivoahan’ny lalàna,*Ary avy ao Jerosalema ny tenin’i Jehovah.  3  Hamoaka didim-pitsarana eo amin’ny firenena maro izy,+Ka hanitsy* an’izay tsy mety eo amin’ireo firenena matanjaka any lavitra. Dia hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo,Ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka.+ Tsy hifamely amin’ny sabatra intsony ireo firenena,Sady tsy hianatra ady intsony.+  4  Dia samy hipetrapetraka* eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy ireo,+Ary tsy hisy hampatahotra azy,+Satria i Jehovah* Tompon’ny tafika no efa niteny.  5  Samy handeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy ny firenena rehetra,Fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika,+ mandrakizay mandrakizay.  6  “Amin’izany andro izany”, hoy i Jehovah,“Dia hovoriko ilay vahoaka nandringa,Ary hangoniko ilay naparitaka,+Sy izay nampahoriko.  7  Hataoko misy sisa tavela amin’ilay vahoaka nandringa,+Ary hataoko lasa firenena matanjaka ilay nalefa tany amin’ny toerana lavitra.+Dia hanjaka eo amin’izy ireo eo amin’ny Tendrombohitra Ziona i Jehovah,Manomboka izao ka ho mandrakizay.  8  Fa izao kosa no hitranga aminao, ry tilikambo fialokalofan’ny andian’ondry,Ry dongon-tanin’ny zanakavavin’i Ziona:+Hiverina aminao ilay fanjakana voalohany,*+Dia ilay fanjakan’i Jerosalema zanakavavy.+  9  Fa maninona ianao no miantsoantso mafy? Angaha ianao tsy manana mpanjaka?Sa efa maty ny mpanolo-tsaina anaoNo dia manaintaina hoatran’ny vehivavy efa ho teraka ianao?+ 10  Hiolankolana sy hikonainainaHoatran’ny vehivavy efa ho teraka ianao, ry zanakavavin’i Ziona.Fa hivoaka avy ao an-tanàna ianao ary hipetraka any an-tsaha, Dia ho tonga hatrany Babylona.+Any no hamonjena anao,+Ary any i Jehovah no hanavotra anao eo an-tanan’ny fahavalonao.+ 11  Dia firenena maro no hangonina hamely anao,Ka hiteny izy ireo hoe: ‘Aleo izy holotoina,Dia ho hitan’ny masontsika ny hitrangan’izany amin’i Ziona.’ 12  Tsy fantatr’izy ireo anefa ny hevitr’i Jehovah,Ary tsy azony ny fikasany.*Fa hangonin’Andriamanitra ho eo am-pamoloana izy ireo, hoatran’ny varimbazaha vao avy nojinjaina. 13  Mandehana manosihosy varimbazaha eny am-pamoloana, ry zanakavavin’i Ziona.+Fa hovako ho vy ny tandrokao,Ary hovako ho varahina ny kitronao,Dia hanorotoro firenena be dia be ianao.+ Hatokanao ho an’i Jehovah ny tombony azon’izy ireo tamin’ny fanaovana ny tsy marina,Ary hatokanao ho an’ilay tena Tompon’ny tany manontolo ny fananan’izy ireo.”+

Fanamarihana

Na: “Amin’ny andro farany.”
Na: “toromarika.”
Na: “handamina.”
Na: “honina.”
Abt: “ny vavan’i Jehovah.”
Na: “teo aloha.”
Na: “toroheviny.”