Mika 7:1-20

  • Nanao zavatra ratsy be ny Israely (1-6)

    • Ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony (6)

  • ‘Vonona hiandry aho’ (7)

  • Hiaro ny vahoakany any amin’ny fitsarana i Jehovah (8-13)

  • Vavaka sy fiderana nataon’i Mika (14-20)

    • Namaly azy i Jehovah (15-17)

    • “Iza no Andriamanitra hoatr’anao?” (18)

7  Loza fa hoatran’ny olona tsy mahita voaloboka hohanina aho,Na dia tangozany iray aza,Sady tsy mahita aviavy* izay tena tiako,Rehefa avy notazana ny voankazo masaka fahavaratra,Ary efa nalaina daholo koa ny ambiny tamin’ny voaloboka.   Ripaka* tanteraka ny olona tsy mivadika ka tsy misy intsony eto an-tany,Ary tsy misy olo-marina intsony.+ Miafina mba handatsa-dra izy rehetra,+ Ary samy mihaza ny rahalahiny amin’ny harato.   Kinga be ny tanany raha hanao ratsy.+Mitaky zavatra ny andriana,Mangataka valisoa ny mpitsara,+Ary milaza izay tiany ho azo ny olona ambony,+Dia miray tetika* izy ireo.   Hoatran’ny tsilo ny tsara indrindra eo aminy,Ary ratsy noho ny fefy tsilo ny olo-marina indrindra eo aminy. Ho tonga ilay andro nolazain’ny mpitilinao sy ilay andro hitsarana anao,+ Dia hatahotra be izy ireo.+   Aza mino izay lazain’ny namanao,Na matoky namana akaiky.+ Tandremo tsara koa izay holazainao amin’ilay miondana eo an-tratranao.   Fa maniratsira ny rainy ny zanakalahy,Manohitra ny reniny ny zanakavavy,+Ary manohitra ny rafozambaviny ny vinantovavy.+Ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony.+   Fa izaho kosa hanantena an’i Jehovah.+ Vonona hiandry* an’ilay Andriamanitra mpamonjy ahy aho.+ Dia hihaino ahy ilay Andriamanitro.+   Aza mifaly amin’izay manjo ahy, ry fahavaloko, Fa na lavo aza aho, dia mbola hiarina ihany,Ary na ao anaty haizina aza aho, dia i Jehovah no hanazava ahy.   Tezitra amiko i Jehovah nefa hiaretako izany,Satria efa nanota taminy aho.+Hiaretako izany, mandra-pitsangany hiaro ahy any amin’ny fitsarana ka hanome rariny ahy. Havoakany ho eny amin’ny mazava aho,Dia ho hitako fa rariny ny azy. 10  Hahita an’izany rehetra izany koa ny fahavaloko.Ary ho afa-baraka tanteraka izy, izay niteny tamiko hoe: “Aiza koa izay Jehovah Andriamanitrao eo?”+ Hijery ny fahavaloko aho. Ho voahitsakitsaka hoatran’ny fotaka eny an-dalana izy. 11  Andro hanorenana ny manda vatonao izany.Amin’izay andro izay, dia hitarina ny sisin-tany.* 12  Amin’izay andro izay koa, dia ho avy any aminao ny olonaAvy any Asyria ka hatrany amin’ireo tanànan’i Ejipta,Avy any Ejipta ka hatrany amin’ny Renirano,*Sy ny avy any amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina, ary ny avy any an-tendrombohitra ka hatrany amin’ny tendrombohitra.+ 13  Ho lasa tsy misy mponina ao amin’ilay tany, noho izay nataon’ny olona nipetraka tao,Vokatry ny nataon’izy ireo. 14  Ampiasao ny tehinao ka andraso ny ondry lovanao,+ dia ny vahoakanao,Ilay nipetraka irery tany an’ala, teo afovoan’ny saham-boankazo. Avelao izy hiraoka ahitra any Basana sy Gileada,+ hoatran’ny tamin’ny taloha. 15  “Hampisehoako zavatra mahatalanjona izy,Hoatran’ny tamin’ny andro nivoahanao tany Ejipta.+ 16  Hahita izany ireo firenena ka ho afa-baraka na dia mahery be aza.+ Hanampina ny vavany izy ireo,Ary ho lasa marenina ny sofiny. 17  Hilelaka vovoka hoatran’ny bibilava izy ireo,+Ary hangovitra toy ny biby mandady rehefa mivoaka avy ao amin’ny toerany voaro mafy. Hihorohoro izy ireo rehefa manatona an’i Jehovah Andriamanitsika,Ary hatahotra azy.”+ 18  Iza no Andriamanitra hoatr’anao,Izay mamela fahadisoana sy mamela ny heloky+ ny sisa amin’ny lovanao?+ Tsy ho tezitra mandrakizay ianao,Satria mahafinaritra anao ny maneho fitiavana sy tsy mivadika.+ 19  Hamindra fo aminay indray ianao,+ ary horesenao* ny fahadisoanay. Hatsipinao any amin’ny ranomasina lalina ny fahotanay rehetra.+ 20  Tsy hivadika amin’i Jakoba ianao,Sady ho tia foana an’i Abrahama,Araka izay efa nianiananao tamin’ny razambenay taloha ela be.+

Fanamarihana

Na: “aviavy vokatra voalohany.”
Na: “Foana.”
Abt: “miaraka mandrary.”
Na: “Haharitra hiandry.”
Na mety hoe “ho efa lasa lavitra ny didy.”
Izany hoe Eofrata.
Na: “hohitsakitsahinao; hofehezinao.”