Mpitoriteny 10:1-20

  • Hadalana kely dia manimba ny laza tsaran’ny hendry (1)

  • Hahita loza izay tsy mahay ny asany (2-11)

  • Midi-kizo ny adala (12-15)

  • Rehefa adala ny mpanjaka (16-20)

    • Na ny vorona aza mety hitatitra an’izay nolazainao (20)

10  Fatin-dalitra no mahamaimbo sy manimba ny menaky ny mpanao ranomanitra. Hadalana kely koa dia manimba ny laza tsaran’izay malaza ho hendry sy hajain’olona.+  Ny fon’ny hendry mitarika azy hanao ny tsara,* fa ny fon’ny adala kosa mitarika azy hanao ratsy.*+  Hita amin’izay rehetra ataon’ny adala fa tsy ampy saina*+ izy, sady ataony fantatry ny olona rehetra hoe adala izy.+  Raha misafoaka aminao ny mpitondra, dia aza miala eo amin’ny toeranao.+ Tsy dia mampisy fahotana lehibe mantsy ny fahatoniana.+  Ity misy zavatra mahakivy hitako etỳ ambanin’ny masoandro, ary fahadisoana fanaon’ny manam-pahefana ilay izy:+  Ny adala no omena toerana ambony, fa ny olona mahay* kosa mitana toerana ambany foana.  Ny mpanompo indray no hitako mitaingin-tsoavaly, fa ny andriana kosa mandeha an-tongotra toy ny mpanompo.+  Izay mihady lavaka no mety ho latsaka ao,+ ary izay managorobaka manda vato no mety hokaikerin’ny bibilava.  Izay mamaky vato no mety haratran’ny vato, ary izay mamaky vatan-kazo no mety hahita loza.* 10  Raha dombo ny famaky nefa tsy rangitina, dia ho be kokoa ny hery tsy maintsy ampiasaina. Fa hahomby kosa izay manam-pahendrena. 11  Raha manaikitra alohan’ny hibaikoana azy ny bibilava, dia tsy misy tombony ho an’ilay olona mahay mibaiko azy.* 12  Ahazoana fankasitrahana* ny teny aloaky ny vavan’ny hendry,+ fa ny tenin’ny* adala kosa mampidi-kizo ny tenany.+ 13  Hadalana ny teny voalohany avoakan’ny vavany,+ ary hadalana mampidi-doza koa ny teny farany lazainy. 14  Miteny foana anefa ny olona adala.+ Tsy misy olona mahalala an’izay hitranga. Koa iza no afaka milaza aminy an’izay hitranga rehefa maty izy?+ 15  Ny asa mafy ataon’ny tsisy saina no mandreraka azy, satria na ny lalana mankany an-tanàna aza tsy hitany akory. 16  Hahita loza ny tany raha zaza no mpanjakany,+ ary raha manaram-po misakafo vao maraina ny andrianany! 17  Sambatra kosa ny tany raha zanaky ny olona ambony ny mpanjakany, ary raha mihinana sy misotro amin’ny fotoana mety ny andrianany mba hahazo hery, fa tsy hoe mba ho mamo.+ 18  Ny hakamoana be loatra no mahatonga ny hazo manohana ny tafo hiletsy,* ary ny hakamoan’ny tanana no mampitete ny tafo.+ 19  Natao hampifalifaly ny sakafo, ary mahafinaritra erỳ ny fiainana rehefa misotro divay.+ Ny vola kosa no ahazoana an’izay rehetra ilaina.+ 20  Aza manozona* ny mpanjaka na dia any an-tsainao* aza,+ ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao amin’ny efitra fatorianao aza. Fa na ny vorona* aza mety hitatitra an’izay nolazainao,* ary izay manana elatra mety hitantara an’izay noteneninao.

Fanamarihana

Abt: “dia eo ankavanany.”
Abt: “kosa eo ankaviany.”
Abt: “tsy misy fo.”
Abt: “ny mpanankarena.”
Na mety hoe “no tokony hitandrina rehefa manao an’izany.”
Abt: “an’ilay tompon’ny lela.”
Abt: “molotry ny.”
Na: “Mahafinaritra.”
Na: “hirotsaka.”
Na: “manaratsy.”
Na mety hoe “eo am-pandriananao.”
Abt: “ny biby manidina eny amin’ny lanitra.”
Na: “mety hampita ny feo.”