Mpitoriteny 4:1-16
4 Dia nodinihiko indray ny fampijaliana* rehetra mitranga etỳ ambanin’ny masoandro. Hitako ny ranomason’ny olona ampijalina, nefa tsy mba nisy olona nampionona azy.+ Nanana fahefana mantsy ny mpampijaly azy, ka tsy mba nisy olona nampionona azy.
2 Amiko dia sambatra ny olona efa maty, raha oharina amin’izay mbola velona.+
3 Mbola sambatra noho ireo anefa izay mbola tsy teraka,+ satria tsy mahita ny zava-dratsy mitranga etỳ ambanin’ny masoandro.+
4 Ary hitako fa rehefa mifaninana ny olona, dia mahavita miezaka be* sy mahavita asa tsara.+ Tsisy dikany koa izany fa misambo-drivotra fotsiny.
5 Kamo miasa ny tsisy saina, ka mahatonga loza ho an’ny tenany.*+
6 Aleo fialan-tsasatra eran’ny tanan’ila, toy izay asa mafy eran’ny tanan-droa nefa misambo-drivotra fotsiny.+
7 Nodinihiko indray ny zavatra hafa tsisy dikany etỳ ambanin’ny masoandro, ka izao no hitako:
8 Misy olona irery sady tsy mba mana-namana. Tsy mba manan-janaka na rahalahy koa izy, nefa tsy misy farany ny asa mafy ataony. Tsy mety afa-po amin’ny harena mihitsy ny masony.+ Mba mieritreritra anefa ve izy hoe: ‘Ho an’iza moa no iasako mafy hoatr’izao? Ary ho an’iza no mahatonga ahy hihafy sy tsy hankafy zavatra tsara’?+ Tsisy dikany koa izany sady asa mampahory.+
9 Tsara ny roa noho ny iray,+ satria ahazoan’izy ireo valisoa lehibe* ny asa mafy ataony.
10 Fa raha lavo ny iray, dia afaka manampy azy hiarina ilay namany. Fa inona kosa no hanjo azy raha tsy misy manampy azy hiarina?
11 Raha miara-matory ny roa dia hafana. Fa ahoana kosa no hampahafana olona iray ihany?
12 Ny olon-tokana mety ho resin’ny olona iray, fa raha olon-droa kosa hahatohitra azy. Ary tsy mora tapahina* ny tady randran-telo.
13 Aleo ankizy mahantra nefa hendry, toy izay mpanjaka antitra nefa adala,+ ka tsy mahatsapa intsony hoe mila manaraka fampitandremana.+
14 Fa avy nigadra izy* no lasa mpanjaka,+ nefa nahantra izy tamin’izy teraka nandritra ny fitondran’io mpanjaka io.+
15 Nodinihiko izay nitranga tamin’ny velona rehetra mandehandeha etỳ ambanin’ny masoandro, sy tamin’ilay ankizy nandimby an’ilay mpanjaka.
16 Tsy voaisa ny olona mpanohana azy. Atỳ aoriana anefa, dia tsy ho faly aminy intsony ny vahoaka.+ Tsisy dikany koa izany fa misambo-drivotra fotsiny.
Fanamarihana
^ Na: “fampahoriana; famoretana; tsindry hazo lena.”
^ Na: “miasa mafy.”
^ Abt: “ka mihinana ny nofony ihany.”
^ Na: “tombony betsaka kokoa.”
^ Na: “tsy vetivety dia tapaka.”
^ Ilay ankizy hendry angamba no tiana horesahina eto.