Mpitsara 11:1-40

  • Noroahina i Jefta Mpitsara, nefa natao mpitarika tatỳ aoriana (1-11)

  • Nampisaintsaina an’ireo Amonita i Jefta (12-28)

  • Ny voadin’i Jefta sy ny zanany vavy (29-40)

    • Tsy nanambady ilay zanany vavy (38-40)

11  Miaramila natanjaka i Jefta+ Gileadita. Zanaky ny vehivavy mpivaro-tena izy, ary i Gileada no rainy.  Ny vadin’i Gileada koa anefa niteraka zanakalahy maro taminy. Rehefa lehibe ireo zanany ireo, dia nandroaka an’i Jefta. Hoy izy ireo taminy: “Tsy hahazo lova avy amin’ny ankohonan’ny dadanay ianao satria vehivavy hafa ny mamanao.”  Dia nandositra an’ireo rahalahiny i Jefta, ka nipetraka tany Toba. Ary nankany aminy ny olona sasany tsy misy atao, ka lasa nanaraka azy.  Taoriana kelin’izay, dia niady tamin’ny Israely ny Amonita.+  Ary rehefa niady tamin’ny Israely ny Amonita, dia nankany amin’i Jefta tany Toba avy hatrany ny anti-panahin’i Gileada mba haka azy.  Dia hoy izy ireo tamin’i Jefta: “Andao ianao hataonay mpitari-tafika, amin’izay isika ho afaka hiady amin’ny Amonita.”  Fa hoy i Jefta tamin’ny anti-panahin’i Gileada: “Ianareo aza tena nankahala ahy sady nandroaka ahy hiala tany an-tranon’ny dadako.+ Dia maninona indray ianareo izao no mankatỳ amiko rehefa manana olana?”  Dia hoy ny anti-panahin’i Gileada: “Marina izany, fa efa mba tonga atỳ aminao izao izahay. Raha miaraka aminay hiady amin’ny Amonita ianao, dia ianao no hataonay lehiben’ny mponina rehetra any Gileada.”+  Ary hoy i Jefta tamin’ny anti-panahin’i Gileada: “Raha hoentinareo mody àry aho mba hiady amin’ny Amonita, ka hataon’i Jehovah resiko ireny, dia izaho no ho lasa lehibenareo!” 10  Dia hoy ny anti-panahin’i Gileada: “I Jehovah no vavolombelona eo amintsika,* dia izy no hitsara anay raha tsy manatanteraka an’izany teninao izany izahay.” 11  Dia nandeha niaraka tamin’ny anti-panahin’i Gileada i Jefta, ary notendren’ny vahoaka ho lehibeny sy ho mpitari-tafika izy. Ary naverin’i Jefta teo anatrehan’i Jehovah, tao Mizpa,+ ny teny rehetra nifanarahany tamin’ireo anti-panahy ireo. 12  Koa naniraka olona nankany amin’ny mpanjakan’ny Amonita+ i Jefta, mba hilaza hoe: “Fa naninona anao aho* no tafihinao ny taniko?” 13  Dia hoy ny mpanjakan’ny Amonita tamin’ireo olona nirahin’i Jefta: “Satria tamin’ny Israely niakatra avy tany Ejipta,+ dia nalain’izy ireo ny taniko, avy eo Arnona+ ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana.+ Avereno fotsiny ilay izy dia tsy miady isika.” 14  Dia nasain’i Jefta niverina tany amin’ny mpanjakan’ny Amonita indray ireo olona nirahiny, 15  mba hiteny hoe: “Izao no nolazain’i Jefta: ‘Tsy naka ny tanin’ny Moabita+ sy ny tanin’ny Amonita+ ny Israely. 16  Rehefa niakatra avy tany Ejipta mantsy ny Israely, dia nandeha namakivaky ny tany efitra hatrany amin’ny Ranomasina Mena,+ ka tonga tany Kadesy.+ 17  Dia naniraka olona nankany amin’ny mpanjakan’i Edoma+ ny Israely, mba hiteny hoe: “Mba avelao izahay handalo ao amin’ny taninao!” Tsy navelan’ny mpanjakan’i Edoma anefa ry zareo. Naniraka olona hiresaka tamin’ny mpanjakan’i Moaba+ koa izy ireo. Tsy nanaiky koa anefa izy. Nijanona tany Kadesy+ àry ny Israely. 18  Rehefa nandeha namakivaky ny tany efitra izy ireo, dia tsy nandalo tany Edoma+ sy Moaba fa nanodidina. Nandeha tany atsinanan’i Moaba+ ry zareo ary nitoby tao amin’ny faritr’i Arnona, fa tsy niditra tao amin’ny faritr’i Moaba. Tany amin’ny sisin-tanin’i Moaba+ mantsy no nisy an’i Arnona. 19  “‘Avy eo, dia naniraka olona nankany amin’i Sihona mpanjakan’ny Amorita, izay nanjaka tao Hesbona, ny Israely mba hiteny hoe: “Mba avelao izahay handalo ao amin’ny taninao rehefa hankany amin’ny toerana halehanay!”+ 20  Tsy natoky anefa i Sihona hoe handalo fotsiny eo amin’ny taniny ny Israely. Dia novoriny ny vahoakany rehetra, ka nitoby tany Jahaza izy ireo ary niady tamin’ny Israely.+ 21  Ary nataon’i Jehovah Andriamanitry ny Israely resin’ny Israelita i Sihona sy ny vahoakany rehetra. Dia nandresy azy ireo ny Israelita ka nalainy daholo ny tanin’ny Amorita, izay nipetraka tao amin’izany tany izany.+ 22  Dia lasan’izy ireo daholo ny tanin’ny Amorita, avy eo Arnona ka hatrany Jaboka, ary avy eo amin’ny tany efitra ka hatrany Jordana.+ 23  “‘I Jehovah Andriamanitry ny Israely aza efa nandroaka ny Amorita, dia nanome an’ilay tany ho an’ny Israely vahoakany,+ ka ianao indray ve no handroaka azy ireo? 24  Tsy anao daholo ve izay nomen’i Kemosy andriamanitrao+ ho anao? Dia ho anay koa izany ny tanin’ny olona noroahin’i Jehovah Andriamanitray hiala teo anatrehanay.+ 25  Ianao angaha tsara noho i Balaka+ zanak’i Zipora mpanjakan’i Moaba? Efa nifamaly tamin’ny Israely ve izy, na niady taminy? 26  Efa 300 taona no nipetrahan’ny Israely tany Hesbona sy ny tanàna niankina taminy,*+ sy tany Aroera sy ny tanàna niankina taminy, ary tany amin’ny tanàna rehetra teny amoron’i Arnona. Dia naninona no tsy nalainareo ireny nandritra izany fotoana izany?+ 27  Izaho aloha tsy nanota taminao e, fa ianao no diso satria manafika ahy. I Jehovah Mpitsara+ anie hitsara ny vahoakan’Israely sy ny vahoakan’i Amona androany!’” 28  Tsy noraharahian’ny mpanjakan’ny Amonita anefa ny hafatra nampitain’i Jefta tany aminy. 29  Dia niasa tamin’i Jefta ny fanahin’i Jehovah,+ ka nandalo tany amin’ny faritr’i Gileada sy Manase izy mba ho any Mizpe any Gileada.+ Ary avy tany Mizpe any Gileada izy, dia nanohy ny diany ho any amin’ny Amonita. 30  Ary nivoady tamin’i Jehovah i Jefta+ hoe: “Raha ampianao handresy ny Amonita aho, 31  dia ho anao, Jehovah, izay olona mivoaka amin’ny varavaran’ny tranoko mba hitsena ahy, rehefa tafaverina soa aman-tsara avy any amin’ny Amonita aho.+ Ary hatolotro ho fanatitra dorana izy.”+ 32  Dia nandeha niady tamin’ny Amonita i Jefta, ary nataon’i Jehovah nandresy. 33  Ary notafihin’i Jefta izy ireo ka be dia be no maty, hatrany Aroera ka hatrany Minita, izany hoe tanàna 20, ary hatrany Abela-keramima. Dia resin’ny Israelita ny Amonita. 34  Farany, dia tonga tany an-tranony tao Mizpa+ i Jefta. Ary iny fa nivoaka hitsena azy ny zanany vavy, sady nively ampongatapaka no nandihy. Io ihany ny zanany, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy. 35  Rehefa nahita azy i Jefta, dia nandrovitra ny akanjony sady nilaza hoe: “Indrisy, ry zanako vavy! Malahelo be ny foko* satria ianao indray ity no noroahiko. Fa efa nivoady* tamin’i Jehovah aho, ka tsy afaka mivadika amin’ny teniko.”+ 36  Fa hoy ilay zanany vavy taminy: “Raha efa nivoady tamin’i Jehovah ianao, ry Dada, dia tanteraho izay nampanantenainao.+ Ianao mantsy efa nampian’i Jehovah hamaly faty an’ireo Amonita fahavalonao.” 37  Hoy koa izy tamin-drainy: “Izao no mba angatahiko: Avelao amin’izao aho aloha mandritra ny roa volana, ary avelao aho hankeny an-tendrombohitra. Dia avelao aho hitomany miaraka amin’ny ankizivavy namako, noho izaho virjiny.”* 38  Dia hoy ny rainy: “Mandehana àry!” Dia nalefany nandritra ny roa volana izy. Ary nankeny an-tendrombohitra niaraka tamin’ny namany izy mba hitomany, noho izy virjiny. 39  Niverina tany amin-drainy izy rehefa tapitra ny roa volana. Dia notanterahin-drainy ilay voady nataony momba an’ilay zanany vavy.+ Ary tsy nanao firaisana tamin’ny lehilahy mihitsy ilay zanany. Lasa fanao teo amin’ny Israely ny hoe: 40  Nankany amin’ny zanakavavin’i Jefta Gileadita ny tovovavy teo amin’ny Israely isan-taona, mba hidera azy. Efatra andro isan-taona izy ireo no nanao an’izany.

Fanamarihana

Abt: “ilay mihaino antsika.”
Abt: “Inona no ho ahy sy ho anao?”
Na: “nanodidina azy.”
Abt: “Nampitanondrika ahy ianao.”
Abt: “niloa-bava.”
Na: “hitomany miaraka amin’ny namako, satria tsy hanambady mihitsy aho.”