Mpitsara 17:1-13

  • Sampin’i Mika sy ny mpisorony (1-13)

17  Nisy lehilahy atao hoe Mika, avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima.+  Ary hoy izy tamin-dreniny: “Tadidinao ilay volafotsy 1 100 sekely nisy naka tany aminao iny? Henoko ianao nanozona an’ilay olona naka azy. Atỳ amiko ilay izy. Izaho no naka azy.” Dia hoy ny reniny: “Hotahin’i Jehovah anie ny zanako!”  Naveriny tany amin’ny reniny àry ilay volafotsy 1 100 sekely. Hoy anefa ny reniny: “Tsy maintsy hohamasiniko ho an’i Jehovah ilay volafotsy, anaka, amin’izay ianao afaka manamboatra sary sokitra sy sarivongana metaly*+ amin’ilay izy. Iny fa averiko aminao indray ilay izy izao.”  Rehefa naveriny tany amin’ny reniny ilay volafotsy, dia naka volafotsy 200 sekely ny reniny ary nomeny ny mpanefy volafotsy izany. Nanamboaran’ilay mpanefy sary sokitra sy sarivongana metaly* ilay izy, dia napetraka tao an-tranon’i Mika.  Nanana tranon’andriamanitra io Mika io, ary nanamboatra efoda+ sy sarivongana terafima.*+ Dia notendreny* ny iray tamin’ny zanany lahy mba ho mpisorona ho azy.+  Tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely+ tamin’izany andro izany, ary samy nanao izay noheveriny fa nety ny olona.+  Nisy tovolahy anankiray, anisan’ny fianakavian’i Joda,* avy any Betlehema+ any Joda. Levita+ izy, ary nipetraka kelikely tany.  Niala tany amin’ny tanànan’i Betlehema any Joda io tovolahy io mba hitady toerana hipetrahana. Dia nandeha izy, ka tonga tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, tany an-tranon’i Mika.+  Ary hoy i Mika taminy: “Avy aiza ianao?” Dia hoy izy: “Levita avy any Betlehema any Joda aho, ary handeha hitady toerana hipetrahana.” 10  Dia hoy i Mika taminy: “Miaraha mipetraka amiko, dia ho mpanolo-tsaina* sy ho mpisorona ho ahy ianao. Ary homeko volafotsy folo sekely ianao isan-taona, dia homeko akanjo sy sakafo koa.” Dia niditra tao an-tranony ilay Levita. 11  Nanaiky hiara-mipetraka tamin’i Mika àry ilay tovolahy, ka nataony hoatran’ny anankiray amin’ny zanany. 12  Dia notendren’i Mika ho mpisorona ho azy ilay Levita,*+ ka nipetraka tao an-tranony. 13  Dia hoy i Mika: “Fantatro izao fa hanisy soa ahy i Jehovah, satria efa lasa mpisorona ho ahy ity Levita ity.”

Fanamarihana

Na: “sarivongana vita amin’ny metaly narendrika.”
Na: “sarivongana vita amin’ny metaly narendrika.”
Abt: “nofenoiny ny tanan’ny.”
Na: “andriamanitry ny fianakaviany; sampy.”
Mety hoe nipetraka tany amin’ny faritry ny tanin’i Joda fotsiny izy.
Abt: “ray.”
Na: “nofenoin’i Mika ny tanan’ilay Levita mba ho mpisorona ho azy izy.”