Mpitsara 20:1-48

  • Niady tamin’ny Benjaminita (1-48)

20  Dia nivoaka daholo ny Israelita rehetra avy any Dana+ ka hatrany Beri-sheba, ary ny avy any Gileada.+ Ary niara-nivory* teo anatrehan’i Jehovah tany Mizpa+ ny vahoaka manontolo.  Dia nitsangana teo anivon’ny fiangonan’ny vahoakan’Andriamanitra ireo lehiben’ny vahoaka, izany hoe ireo lehiben’ny foko rehetra teo amin’ny Israely. Miaramila 400 000 no anisan’ilay fiangonana, ary mpandeha an-tongotra sady mpitan-tsabatra izy ireo.+  Henon’ny Benjaminita hoe niakatra tany Mizpa ny lehilahy israelita. Ary hoy ny lehilahy israelita: “Teneno anay hoe ahoana no nahatonga an’izao zavatra mahatsiravina izao.”+  Dia hoy ilay Levita+ vadin’ilay vehivavy nisy namono: “Tonga tao Gibea+ tanànan’ny fokon’i Benjamina izaho sy ny vadikeliko, mba hatory tao.  Ary nitsangana hanisy ratsy ahy ireo mponina* tao Gibea, ka nanodidina an’ilay trano nisy ahy tamin’ny alina. Izaho no saika hovonoin’izy ireo, kanjo ny vadikeliko no naolany dia maty.+  Dia nalaiko ny fatin’ilay vadikeliko ka norasarasaiko, ary nalefako tany amin’ny faritra rehetra eo amin’ny lovan’ny Israely.+ Nanao zavatra mahamenatra sy mamoafady teto amin’ny Israely mantsy izy ireo.  Dia teneno àry, ry vahoakan’Israely, hoe inona ny soso-kevitrareo.”+  Dia niara-nitsangana* ny vahoaka manontolo, ka nilaza hoe: “Tsy hisy hiverina any amin’ny tranolaintsika isika, na hody any an-tranontsika.  Fa izao no hataontsika amin’i Gibea: Hiakatra hiady aminy isika, fa hanao antsapaka aloha isika hahitana hoe iza no handeha.+ 10  Ary hakantsika lehilahy 10 isaky ny 100 ny foko rehetra eo amin’ny Israely, 100 isaky ny 1 000, ary 1 000 isaky ny 10 000, mba hanangona vatsy ho an’ny miaramila. Amin’izay ireo miaramila dia ho afaka hanafika an’i Gibea tanànan’ny fokon’i Benjamina, noho ny zavatra mamoafady nataon-dry zareo teto amin’ny Israely.” 11  Nifanaraka àry ny lehilahy israelita rehetra fa hiara-manafika* an’ilay tanàna. 12  Dia naniraka olona ho any amin’izay rehetra anisan’ny fokon’i Benjamina ny fokon’ny Israely, mba hilaza hoe: “Inona izany zavatra mahatsiravina nitranga teto aminareo izany? 13  Atolory anay ireo jiolahim-boto ao Gibea ireo,+ mba hamonoanay azy ho faty sy hanesorana ny ratsy tsy ho eto amin’ny Israely.”+ Tsy nety nihaino ny tenin’ny Israelita rahalahiny anefa ny Benjaminita. 14  Dia niala avy any an-tanànany avy ny Benjaminita, ka nankany Gibea mba hiady tamin’ny lehilahy israelita. 15  Nahangona lehilahy 26 000 avy any an-tanànany ny Benjaminita tamin’izay andro izay, ary samy mpitan-tsabatra izy ireo. Ankoatra an’ireo, dia nisy miaramila 700 tena nahay niady koa tao Gibea. 16  Nisy lehilahy tena nahay niady tamin’ireo miaramila rehetra ireo. Niisa 700 izy ireo sady samy kavia. Samy nahay nampiasa pilotra daholo izy ireo, ary tsy nisy nivaona ny vato nalefany na dia hoatran’ny singam-bolo iray aza, fa nahavoa an’izay nokendreny foana. 17  Nahangona miaramila 400 000 ny lehilahy israelita. Mpitan-tsabatra izy ireo+ sady samy efa zatra ady. Tsy anisan’izany ny Benjaminita. 18  Dia niainga ny Israelita ka niakatra tany Betela, mba hanontany an’Andriamanitra.+ Ary hoy izy ireo: “Iza aminay no ho loha laharana rehefa hiakatra hiady amin’ny Benjaminita izahay?” Hoy i Jehovah: “Ny fokon’i Joda no ho loha laharana.” 19  Dia niainga ny Israelita rehefa maraina ny andro, ka nitoby mba hiady tamin’i Gibea. 20  Dia nivoaka hiady tamin’ny Benjaminita ny lehilahy israelita, ka nilahatra hiady tamin’izy ireo tao Gibea. 21  Nivoaka avy tao Gibea àry ny Benjaminita, ka nahafaty lehilahy israelita 22 000 tamin’io andro io. 22  Nisikina herim-po anefa ny miaramila israelita, ka nilahatra hiady tamin’izy ireo indray teo amin’ilay toerana niadiany tamin’ny andro voalohany. 23  Ary niakatra nankany Betela ny Israelita ka nitomany teo anatrehan’i Jehovah mandra-paharivan’ny andro. Nanontany an’i Jehovah izy ireo hoe: “Mbola tokony handeha hiady amin’ny taranak’i Benjamina rahalahinay indray ve izahay?”+ Dia hoy i Jehovah: “Miakara hiady aminy.” 24  Dia nanatona an’ireo Benjaminita ny Israelita tamin’ny andro faharoa mba hiady taminy. 25  Nivoaka avy tao Gibea koa ny Benjaminita tamin’ny andro faharoa mba hifanandrina taminy, ka nahafaty Israelita 18 000 indray.+ Mpitan-tsabatra daholo ireo maty ireo. 26  Dia niakatra tany Betela ny lehilahy israelita rehetra. Nipetraka nitomany teo anatrehan’i Jehovah izy ireo,+ ary nifady hanina+ mandra-paharivan’ny andro. Nanolotra fanatitra dorana+ sy fanatitra iombonana+ teo anatrehan’i Jehovah koa izy ireo. 27  Nanontany an’i Jehovah ny lehilahy israelita avy eo.+ Tany Betela mantsy tamin’izany no nisy an’ilay Vata misy ny fifanekena nataon’ilay tena Andriamanitra. 28  Nanompo* teo anoloan’izy io i Finehasa+ zanak’i Eleazara, zanak’i Arona, tamin’izany andro izany. Dia hoy izy ireo: “Mbola tokony handeha hiady amin’ny taranak’i Benjamina rahalahinay indray ve izahay, sa aoka izay?”+ Dia hoy i Jehovah: “Miakara, fa hataoko resinareo izy rahampitso.” 29  Koa nametraka olona nanodidina an’i Gibea ny Israely, mba hiafina hanafika an’ilay tanàna.+ 30  Ary niakatra hiady tamin’ireo Benjaminita ny Israelita tamin’ny andro fahatelo, ka nilahatra hiady tamin’i Gibea, hoatran’ny teo aloha.+ 31  Rehefa nivoaka hifanandrina tamin’ny miaramila ny Benjaminita, dia notarihina hanalavitra ny tanàna.+ Ary nanomboka nasian’izy ireo sy novonoiny, hoatran’ny teo aloha, ny lehilahy sasany teny amin’ireo lalambe. Ny lalambe iray miakatra ho any Betela, ary ny iray kosa mankany Gibea. Israelita 30 teo ho eo àry no maty teny.+ 32  Dia hoy ny Benjaminita: “Resintsika hoatran’ny teo aloha ry zareo.”+ Fa hoy kosa ny Israelita: “Mody handositra isika, dia hotarihintsika hanalavitra ny tanàna ry zareo, ho eny amin’ny lalambe.” 33  Dia niala teo amin’izay nisy azy ny lehilahy israelita rehetra, ka nilahatra hiady tany Bala-tamara. Fa ireo Israelita efa niafina kosa nirohotra niala avy tao amin’izay niafenany, teny amin’ny manodidina an’i Gibea. 34  Dia tonga tandrifin’i Gibea ny lehilahy 10 000 tena nahay niady, izay nofidina avy tamin’ny Israely rehetra. Ary nafotaka ny ady. Tsy fantatry ny Benjaminita anefa fa efa nananontanona ny loza. 35  Nataon’i Jehovah resin’ny Israelita ny Benjaminita,+ ka 25 100 ny Benjaminita matin’ny Israelita tamin’izay andro izay. Mpitan-tsabatra daholo ireo maty ireo.+ 36  Noheverin’ny Benjaminita fa ho resy ny lehilahy israelita matoa nandositra.+ Nandositra anefa ny Israely satria natoky an’ireo nasainy niafina mba hanafika an’i Gibea.+ 37  Ireo niafina kosa nirohotra haingana nankao Gibea. Dia niparitaka izy ireo, ka nasiany tamin’ny sabatra izay rehetra tao an-tanàna. 38  Ary efa nifanaraka ny lehilahy israelita sy ireo niafina mba hanafika an’ilay tanàna, fa hasiany setroka hiakatra avy ao an-tanàna mba ho famantarana. 39  Rehefa nandositra ny Israelita, dia nanomboka nanafika azy ireo ny taranak’i Benjamina, ka lehilahy israelita 30 teo ho eo no matin’izy ireo.+ Dia hoy ny Benjaminita: “Tena resintsika hoatran’ny tamin’ilay ady teo aloha indray ry zareo.”+ 40  Nanomboka niakatra avy tao an-tanàna anefa ilay famantarana, izany hoe ilay setroka be. Dia nitodika ny taranak’i Benjamina, ka tazany nidedadeda nanakatra ny lanitra ny afo nandoro an’ilay tanàna manontolo. 41  Ary niverina tampoka ny lehilahy israelita, ka very hevitra ny taranak’i Benjamina satria hitany fa nidiran-doza izy ireo. 42  Dia nandositra an’ireo lehilahy israelita izy ireo, ka nankany an-tany efitra. Mbola nanenjika azy ireo ihany anefa ny Israelita. Nanampy azy ireo hamono an’ireo Benjaminita koa ny lehilahy avy amin’ny tanàna manodidina. 43  Dia nanodidina an’ireo Benjaminita izy ireo, sady nanenjika azy ireo tsy an-kijanona. Resin’izy ireo tanteraka* ny Benjaminita, teo amin’ny ilany atsinanana, tandrifin’i Gibea. 44  Farany, dia 18 000 tamin’ny taranak’i Benjamina no maty. Miaramila matanjaka daholo ireo maty ireo.+ 45  Dia nandositra nankany an-tany efitra, tany amin’ny harambaton’i Rimona,+ ny taranak’i Benjamina. Nisy 5 000 tamin’izy ireo no novonoin’ny* Israelita teny an-dalambe. Ary nenjehin’izy ireo hatrany Gidoma ny Benjaminita, ka mbola nahafaty 2 000 lahy izy ireo. 46  Nahatratra 25 000 ny Benjaminita rehetra maty tamin’izay andro izay. Miaramila mpitan-tsabatra+ sy matanjaka daholo ireo maty ireo. 47  Nisy 600 lahy kosa nandositra tany an-tany efitra, tany amin’ny harambaton’i Rimona, ary nijanona efa-bolana tany. 48  Dia niverina niady tamin’ny Benjaminita ny lehilahy israelita. Ary nasian’izy ireo tamin’ny sabatra ny olona sy ny biby fiompy ary izay rehetra tavela tao an-tanàna. Nodoran’izy ireo daholo koa izay tanàna rehetra nandalovany.

Fanamarihana

Abt: “nivory toy ny olona iray.”
Na mety hoe “tompon-tany.”
Abt: “Nitsangana toy ny olona iray.”
Abt: “hanafika toy ny olona iray.”
Abt: “Nitsangana.”
Na: “Nohosihosen’izy ireo.”
Abt: “notsimponin’ny.”