Mpitsara 3:1-31

  • Notsapain’i Jehovah ny Israely (1-6)

  • Otniela, mpitsara voalohany (7-11)

  • Novonoin’i Ehoda Mpitsara i Eglona mpanjaka matavy be (12-30)

  • Samgara Mpitsara (31)

3  Navelan’i Jehovah teo amin’ilay tany ny firenena sasany mba hitsapana ny Israely, izany hoe izay rehetra mbola tsy nahita ny ady natao tany Kanana,+ 2  —amin’izay mahita an’izany atao hoe ady izany ny taranaky ny Israelita mbola tsy nahita an’izany.— 3  Ireto avy ireo firenena ireo: Ny mpitondra dimy teo amin’ny Filistinina,+ ny Kananita rehetra, ny Sidonianina,+ ary ny Hivita+ nipetraka tany amin’ny Tendrombohitra Libàna,+ nanomboka tany amin’ny Tendrombohitra Bala-hermona ka hatrany Lebo-hamata.*+ 4  Natao hitsapana ny Israely ireo firenena ireo, mba hahitana raha hankatoavin’izy ireo na tsia ny didy nomen’i Jehovah ny razambeny tamin’ny alalan’i Mosesy.+ 5  Noho izany, ny Israelita dia niara-nipetraka tamin’ny Kananita,+ ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita. 6  Dia nalain’ny Israelita ho vady ny zanakavavin’izy ireny, ary ny zanany vavy kosa nomeny ho vadin’ny zanakalahin’izy ireny. Ary lasa nivavaka tamin’ny andriamanitr’izy ireny ny Israelita.+ 7  Dia nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny Israelita sady nanadino an’i Jehovah Andriamaniny, ka nivavaka tamin’ireo Bala+ sy ireo tsato-kazo masina.*+ 8  Dia tezitra be tamin’ny Israely i Jehovah, ka navelany hotafihin’i* Kosana-risataima mpanjakan’i Mezopotamia* izy ireo. Ary nanompo an’i Kosana-risataima nandritra ny valo taona ny Israelita. 9  Rehefa niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo,+ dia nisy olona nasain’i Jehovah namonjy azy ireo.+ Tsy iza izany fa i Otniela+ zanak’i Kenaza zandrin’i Kaleba. 10  Ary niasa tamin’i Otniela ny fanahin’i Jehovah,+ ka lasa mpitsara teo amin’ny Israely izy. Rehefa nandeha niady tamin’i Kosana-risataima mpanjakan’i Mezopotamia* izy, dia nataon’i Jehovah nandresy. 11  Dia nilamina nandritra ny 40 taona ilay tany. Ary maty i Otniela zanak’i Kenaza, tatỳ aoriana. 12  Dia nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah indray ny Israelita.+ Navelan’i Jehovah handresy azy ireo àry i Eglona, mpanjakan’i Moaba,+ satria nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy ireo. 13  Ary nentin’i Eglona niaraka taminy ny Amonita+ sy ny Amalekita+ mba hiady tamin’ny Israelita. Dia notafihin’izy ireo ny Israely, ka lasany ny tanàna be hazo palmie.*+ 14  Ary nanompo an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, nandritra ny 18 taona ny Israelita.+ 15  Dia niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo,+ ka nisy olona nasain’i Jehovah namonjy azy ireo.+ Tsy iza izany fa i Ehoda+ zanak’i Gera. Benjaminita+ i Ehoda, ary kavia.+ Nampitondrain’ny Israelita fanomezana ho an’i Eglona izy indray mandeha. 16  Efa nanamboatra sabatra roa lela mirefy iray hakiho* anefa i Ehoda. Dia nataony tao anaty akanjony ilay izy, ary nafatony teo amin’ny feny ankavanana. 17  Rehefa tonga tany amin’i Eglona izy, dia nomeny azy ilay fanomezana. Lehilahy matavy be io Eglona io. 18  Rehefa avy nanome an’ilay fanomezana i Ehoda, dia lasa nandeha niaraka tamin’ireo olona nitondra an’ilay izy. 19  Niverina anefa i Ehoda rehefa tonga teo amin’ny toerana nisy sary sokitra* tany Gilgala.+ Ary hoy izy tamin’i Eglona Mpanjaka: “Misy tsiambaratelo tiako holazaina aminao, ry mpanjaka ô!” Dia hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: “Mandehana daholo aloha mivoaka!”* Dia lasa daholo izy ireo. 20  Nipetraka tao amin’ilay efitrano mangatsiatsiaka tany an-tampon-tranony i Eglona tamin’i Ehoda nankao aminy. Ary hoy i Ehoda: “Misy hafatra ho anao avy amin’Andriamanitra.” Dia nitsangana niala teo amin’ny seza fiandrianany i Eglona. 21  Dia nalain’i Ehoda tamin’ny tanany ankavia ilay sabatra teo amin’ny feny ankavanana, ary natsatony teo amin’ny kibon’i Eglona. 22  Dia difotra hatramin’ny tahon’ilay sabatra. Ary nikombona nanarona ny lelan-tsabatra ny tavin’i Eglona, satria tsy notsoahan’i Ehoda teo amin’ny kibon’i Eglona ilay sabatra. Ary nivoaka ny maloton’i Eglona. 23  Dia nivoaka avy teo amin’ny lavarangana i Ehoda, ary nakatony sy nohidiany lakile ireo varavaran’ilay efitrano tany an-tampon-trano. 24  Rehefa lasa i Ehoda, dia niverina ireo mpanompon’i Eglona. Ary hitan’izy ireo fa nihidy lakile ny varavaran’ilay efitrano. Dia hoy izy ireo: “Mbola mivoaka* ao amin’ilay efitrano anatiny mangatsiatsiaka angamba izy.” 25  Dia niandry teo foana izy ireo, ka sahiran-tsaina tamin’ny farany. Rehefa hitan’izy ireo anefa hoe mbola tsy novohain’i Eglona ihany ny varavaran’ilay efitrano tany an-tampon-trano, dia nalain’izy ireo ny lakile ary novohainy ny varavarana. Dia hitan’izy ireo fa efa maty nitsitra tamin’ny tany ilay tompony! 26  I Ehoda kosa efa lasa nitsoaka raha mbola nitaraikiraiky teo izy ireo. Ary nandalo an’ilay toerana nisy sary sokitra* izy,+ ka tonga soa aman-tsara tany Seirata. 27  Raha vao tonga tany Seirata tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima izy,+ dia nitsoka anjombona.+ Dia niara-nidina taminy avy tany amin’ilay faritra be tendrombohitra ny Israelita, ary izy no nitarika azy ireo. 28  Dia hoy izy tamin’izy ireo: “Andao hanaraka ahy, fa efa nataon’i Jehovah resinareo ny Moabita fahavalonareo.” Dia nanaraka azy ny Israelita. Nankeny amin’ireo toerana fiampitana ny Reniranon’i Jordana izy ireo, mba hisakana ny Moabita tsy hiampita teo. 29  Moabita 10 000 teo ho eo no matin’izy ireo tamin’izay,+ ary lehilahy matanjaka sady mahery fo daholo ireo maty ireo. Tsy nisy tafatsoaka na iray aza.+ 30  Dia resin’ny Israely i Moaba tamin’izay andro izay, ka nilamina nandritra ny 80 taona ilay tany.+ 31  Taorian’i Ehoda, dia i Samgara+ zanak’i Anata indray no namonjy ny Israely. Nahavita namono Filistinina 600 lahy+ tamin’ny fanindronana omby+ izy.

Fanamarihana

Na: “amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata.”
Jereo F.T.
Abt: “namidiny tamin’i.”
Abt: “Arama-naharaima.”
Abt: “Arama.”
Izany hoe Jeriko.
Angamba iray hakiho fohy ilay izy, izany hoe 38 sm teo ho eo. Jereo F.F. B14.
Abt: “Mangìna!”
Na mety ho “toerana famakiam-bato.”
Na: “mangery.” Abt: “manarona ny tongony.”
Na mety ho “toerana famakiam-bato.”